Ao anatin'ny lisitry ny fanirian'ny adrenalinan'ny mpankafy rehetra ny fianihana ny Tendrombohitra Everest, saingy nanamarina izany tao amin'ny lisitra nataony imbetsaka kosa ilay mpianika ny fara-tampon'i Everest Kami Rita Sherpa [1]. Raha nifanamby tamin'ny mety ho zava-bitany rehetra izy dia nahanika ny faratampony avo indrindra erantany indroa tao anatin'ny herinandro tamin'ity taona ity – vao haingana tamin'ny 15 May [2] sy tamin'ny 21 May 2019 [3] indray – izay nahatonga ny isan'ny fiakarana an'i Everest ho 24.
Kami Rita Sherpa does it again. Breaking his own record for most summits on Mt Everest the 49-year-old Sherpa climbed the world’s highest mountain twice in a week– 24 times in total. Time: 6:38 am. Congratulations!! pic.twitter.com/fvJOEeCz73 [4]
— Bhadra Sharma (@bhadrarukum) May 21, 2019 [5]
Nanao izany indray i Kami Rita Sherpa. Nandresy ny zava-bitany tsara indrindra tamin'ny ankamaroan'ny fianihana ny tampon-tendrombohitra Everest izy. Nihanika ny tendrombohitra avo indrindra erantany indroa tao anatin'ny herinandro i Sherpa, 49 taona- in-24 ny fitambarany. Ora: 6:38 maraina. Arahabaina !!
Nambaran'ny [6] Seven Summit Treks [7] (Fianihana ny Tampony Fito) [7] , ilay orinasa izay miara-miasa aminy tao amin'ny Facebook hoe:
21 May 2019 !
24th Ascents of Mt Everest 8848m by Kami Rita Sherpa, HUGE CONGRATULATIONS TO OUR SENIOR GUIDE.
This morning 6:30 AM Kami Rita climbed the Mt Everest for 24 times (2nd Ascents of this season) and broke his own record of 23rd Ascents! […]
According to the Tashi Lakpa Sherpa, MD at Seven Summit Treks, this morning at 6:30 AM Kami Rita climbed the highest peak via South Side with A TEAM OF INDIAN POLICE. “Guiding a team of Indian Police Mt Everest Expedition 2019 this morning Kami Rita Sherpa climbed Mt Everest for 24 times; he made the entire country proud, this is a golden mark in the history of mountaineering?? ” Sherpa added.
21 May 2019 !
Ny fiakaran'i Kami Rita Sherpa ny Tendrombohitra Everest faha 24, 8.848 metatra, FIARAHABANA GOAVANA HO AN'ILAY ZOKIOLONA MPITARI-DIA.
Tamin'ity maraina ity tamin'ny 6:30, niakatra ny Tendrombohitra Everest fan-24 i Kami Rita (Fiakarana faharoa tamin'ity andiany ity) ary nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra tamin'ny fiakarana faha-23 ! […]
Araka an'i Tashi Lakpa Sherpa, mpitsabo ao amin'ny Seven Summit Treks, tamin'ity maraina ity tamin'ny 6:30, nianika ny tampony avo indrindra tamin'ny alàlan'ny ilany Atsimo niaraka tamin'ny EKIPAN'NY POLISY INDIANINA i Kami Rita . “Fan-24 i Kami Rita Sherpa no niakatra ny Tendrombohitra Everest raha nitarika ny ekipan'ny Polisy Indiana ho any amin'ny Tendrombohitra Everest 2019 androany maraina; nampirehareha ny firenena iray manontolo izy, marika volamena eo amin'ny tantaran'ny fianihana tendrombohitra izany ??”hoy i Sherpa nanohy.
You: I went to the gym twice this week.
Kami Rita Sherpa: https://t.co/S9FM71AWGh [8]
— Anup Kaphle (@AnupKaphle) May 21, 2019 [9]
Ianao: nandeha nikotrana indroa aho tamin'ity herinandro ity.
Congratulations Kami Rita Sherpa for 24th sucessful ascent of Mt Everest including double ascents in 7 days from Nepal side !
via https://t.co/f3DnsQmRuI [10] pic.twitter.com/qqqfaXAJjv [11]— Suraj SHAKYA (@surajshakya) May 21, 2019 [12]
Arahabaina Kami Rita Sherpa noho ny fiakarana nahomby faha 24 ny Tendrombohitra Everest, anisan'izany ny fiakarana indroa tao anatin'ny 7 andro avy aty amin'ny ankolafin'ny Nepal!
Anisan'ny vondrom-poko Sherpa [13] izay teratany any amin'ny faritra be tendrombohitra indrindra any Nepal sy any Himalayas i Kami Rita. Maro ireo Sherpas no mahay mianika tendrombohitra [14] sady manam-pahaizana any amin'ny faritra misy azy ireo ary efa ela izy ireo no mpitari-dalana matihanina ho an'ireo mpianika tendrombohitra vahiny izay maniry ny hiatrika ny fara-tampony.
Avy any amin'ny tanànakely Thame ao amin'ny Distrikan'i Solukhumbu [15] ao Nepal no fiavian'i Kami Rita, fantatra amin'ny fananany mpianika malaza. Ahitana mpianika malaza ao Thame , toa an-dry Apa Sherpa [16] (na Super Sherpa) izay nitana ny zava-bita tsara indrindra teo aloha tamin'ny ankamaroan'ireo fihaniana ny Tampon'i Everest sy Ang Rita Sherpa [17] izay niakatra ny Everest in-10 tsy nisy oksizenina fanampiny ka nahazoany ny anaram-bositra hoe ‘Ny Leopardan'ny Orampanala’.
Niakatra voalohany an'i Everest i Kami Rita tamin'ny 13 Mey 1994 ary nihanika ny K2 sy Lhotse indray mandeha avy, Manaslu indroa ary Cho Oyu im-balo, izay mitotaly fiakarana ny tendrony miisa 36 tamin'ny 8.000m araka ny voalazan'ny Seven Summit Treks.
Taorian'ny fiakarana an'i Everest imbetsaka, nahita mibaribary ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro any Everest i Kami Rita. Hoy i Kami Rita raha niresaka tamin'ny BBC Nepali [19] tamin'ny fiandohan'ity taona ity :
पहिले १२/१३ वटा भर्याङ चढ्नुपर्थ्यो भने अहिले तीन-चारवटाले पुग्छ। […]
पहिले क्याम्प टूमै कति धेरै हिउँ हुन्थ्यो। अहिले हिमनदी मात्र छ। […] बाल्कोनीभन्दा माथि कम्मरसम्म हिउँ हुन्थ्यो अहिले ढुङ्गामात्र देखिन्छ।
Tany am-piandohana dia mila niakatra tohatra miisa 12-13 izahay [ao amin'ny hantsan-dranomandry Kumbu] saingy vitanay amin'ny 3 na 4 monja izany amin'izao fotoana . […]
Teo aloha, nahitana orampanala betsaka ny faritra faharoa. Ankehitriny, tsy misy afatsy vaingan-dranomandry no hita eo. […] Nisy orampanala hatreny andohalika teo ambonin'ny riam-bato, ankehitriny vato sisa no hitanao eo.
Mpianika manodidina ny 300 [20] no maty tany Everest ary razana vitsy no tafaverina tety ambany. Ankehitriny, nampiseho ireo razana [21] tototry ny orampanala ny fitsoniky ny ranomandry any Everest.
Nilaza ny tatitra [22] iray vao haingana avy amin'ny Foibe Iraisampirenena ho an'ny Fikarakarana ny Tendrombohitra [23] fa ho very ny ampahatelo mahery amin'ny ranomandry [24] ao Himalayas any amin'ny faran'ny taonjato. Ankoatra izany, maro ireo mpianika tendrombohitra no mamela ny tranolay, ny fitaovana fianihana, ny tavoahangin'etona ary ny maloton'olombelona, ka mahatonga an'i Everest ho toerana fanariam-pako ara-bakiteny [25]. Na izany aza, raharaha goavana [26] ny fianihana an'i Everest miaraka amin'ireo maniry ny hiakatra eny an-jatony izay mitady ny fanampian'ny mpitari-dia Sherpa mba hahatongavana eny amin'ny tampony.
Tahaka ny isan-taona dia efa nisy ny zava-bita tsara indrindra vaovao niaraka tamin'i Saray N’ Kusi Khumalo [27] avy ao Afrika atsimo izay lasa vehivavy Afrikana voalohany nahavita niakatra an'i Everest. Ary efa nisy ihany koa ny mpianika sasany maty [28] sy tsy hita popoka [29] tany amin'ny Tendrombohitra Everest tamin'ity taona ity. Saingy, toa hita fa tsy hitsahatra mihitsy ny firohotana ho any amin'ny fianihana an'i Everest [30].