Nolanian'ny parlemantan'i Singapaoro ny Lalàna mifehy ny Hosoka sy ny Fanodinkodinana Antserasera (POFMA) tamin'ny 8 May 2019.
Fantatra amin'ny anarana hoe lalàna miady amin'ny vaovao hosoka, manome fahefana midadasika tsy voafaritra ho an'ireo minisitry ny governemanta ny POFMA mba hamaritra izay fampahalalam-baovao amin'ny aterineto “diso” ary mangataka azy mba ho sivanina na hahitsy.
Milaza ny Minisiteran'ny Lalàna fa hanampy amin'ny fanakanana ny fivezivezen'ny “lainga alefa fanahy iniana amin'ny aterineto” izay lazainy fa ampiasaina “hampizarazara ny fiarahamonina, hanaparitaka fankahalana, sy hampihena ny rafitra demaokratika” ny lalàna.
Saingy mahita ny vondrona media sy ny mpiaro ny zon'olombelona fa fitaovana iray hafa hanafoanana ny fahalalahana miteny ao Singapaoro ilay lalàna. Hanan-kery eo amin'ny sehatra nasionaly izay efa ahitana fahalalahana miteny eo ambany fandrahonana ilay lalàna, araka ny hita tamin'ireo fitarainana fanalam-baraka marobe vao haingana hanenjehina ny fampitam-baovao mahaleotena sy ireo mpaneho hevitra.
Niadian-kevitra nandritra ny fivorian'ny komity parlemantera tamin'ny taona 2018 ilay volavolan-dalàna natao hiadiana amin'ireo vaovao diso. Nampahafantarina tao amin'ny parlemanta tamin'ny 1 Aprily 2019 ny POFMA. Nifidy izany ireo mpikambana 72 tao amin'ny parlemanta raha nitsipaka kosa ny sivy .
Eo ambany lalàna, afaka manery ireo mpitantana tranonkala, ireo mpanome tolotra aterineto, eny fa na ireo karajia any antakonana aza mba hanitsy avy hatrany ny ‘vaovao faikany’ avy amin'ny sehatr'izy ireo. Saingy manjavozavo tanteraka ny famaritana ny zavatra iray ho faikany na diso.
Milaza ny andininy faha-2 fa “mety ho diso ny fanambarana raha toa ka diso na mitarika ho amin'ny fahadisoana, manontolo na ampahany, ary na ao aminy ihany na amin'ny tokotanin-tsehatra ahitana azy.”
Ny antokon'ny solombavambahoaka tsy miankina amin'ny antokon-draharaha Leon Perera dia Nanondro zavatra telo lazain'ny lalàna ho azo ampiasaina hanakonana ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra ny depioten'ny Antokon'ny Mpiasa tsy avy amin'ny fari-pifidianana Leon Perera:
Section 2 – defining what a Minister deems a misleading presentation of facts, not only false claims of fact, as correctable;
Section 4(f) defining harmful falsehoods as including those that diminish confidence in the government; and
Section 6, which establishes Ministers as the decision-makers of truth and falsehood in the first instance.
Fizarana 2 – famaritana ho azo ahitsy ny zavatra lazain'ny Minisitra iray heverina ho tsy manolotra ny zavamisy, tsy ny filazana diso ny zava-misy ihany;
Fizarana faha-4 (f) mamaritra lainga mampidi-doza, anisan'izany ireo mampihena ny fitokisana amin'ny governemanta; ary
Fizarana faha-6, izay mametraka ny Minisitra ho toy ny mpanapa-kevitra voalohany amin'ny hoe marina sy ny lainga.
Ny tetikasan'ny Oniversiten'i Oxford any atsimo atsinanan'i Azia, Thum Ping Tjin, nanazava ny fomba mety hitarika ny sivana amin'ny fomba fiteny manjavozavo amin'ny sokajy 4 (f):
If you criticize the government, even if it’s a legitimate criticism, they can argue that criticism affects public confidence in the government. This effectively criminalizes all criticism of the government.
Raha mitsikera ny governemanta ianao, na dia tsikera ara-drariny aza izy ireo dia afaka miady hevitra fa ny tsikera dia manjaka ny fitokisan'ny vahoaka amin'ny governemanta. Manameloka tanteraka ny tsikera rehetra ataon'ny governemanta izany.
Tao amin'ny famoahana gazety, nanazava ny Minisiteran'ny Lalàna fa ny lalàna dia tsy mahasahana ny hevitra, tsikera, satirika na parody. Nanitrikitrika izy fa tsy famaizan-keloka bevava ny fanitsiana, ary “ireo izay manimba ny fiarahamonina amin'ny fampiasana lainga ihany no henjehina amin'ny heloka bevava.”
Nanantitrantitra ihany koa ny Ministera “tsy hisy fiantraikany amin'ny ankamaroan'ny olom-pirenena” ny lalàna, ary iankinan'ny ain'ny lalàna, ary mihevitra hoe:
It will help ensure online falsehoods do not drown out authentic speech and ideas, and undermine democratic processes and society. The aim is to keep in place the conditions for Singaporeans, as individuals and civic society, to build a healthy and robust public discourse, informed by the facts.
Hiantoka izany fa tsy ho rendriky ny lainga antserasera ny kabary sy ny hevitra fanta-pototra, ka hoe hanohintohina ny dingana ara-demaokratika sy ny fiarahamonina. Ny tanjona dia ny hametraka fepetra ho an'ireo Singapaoreana, amin'ny maha-olona sy fiarahamonina sivika, mba hanangana lahateny mahasoa sy mafonja, mahalala ny zava-misy.
Nanamafy ny Minisitry ny lalàna sy ny Raharaha anatiny, K Shanmugam nandritra ny fivorian'ny parlemantera mialoha latsabato fa ny “lainga, ny roboto, ny fandotoana rindrina ary ny kaonty hosoka” ihany no ho voakasik'ilay lalàna fa tsy ny fahalalaham-pitenenana. Nanazava ihany koa izy fa manampy amin'ny mangarahara ny fanitsiana takian'ny minisitry ny governemanta:
You put up an article, Government says this is not correct. You carry a correction (and) let your readers judge. What’s the problem? More transparency, the better.
Mametraka lahatsoratra ianao, ary milaza ny governemanta fa tsy marina izany. Mitondra fanitsiana amin'izany ianao (ary) mamela ny mpamaky anao hitsara. Inona no olana? Mangarahara kokoa, tsara kokoa.
Tamin'ny taratasy nalefa any amin'ny praiminisitr'i Singapaoro, naneho ny ahiahiny momba ireo fehezan-dalàna sasany ny mpitati-baovao manokan'ny firenena mikambana misahana ny fampiroboroboana sy fiarovana ny zo ho an'ny fahalalahana haneho hevitra sy hiteny , David Kaye.
…the Bill confers on select executive officials excessive authority to restrict, censor and punish online expression it designates as “false,” with limited opportunity for appeal.
…I am concerned that this overbroad definition of falsehood will lead to the criminalization and suppression of a wide range of expressive conduct, including criticism of the government, and the expression of unpopular, controversial or minority opinions.
… manolotra fahefana tafahoatra ho an'ireo manampahefana mpanatanteraka voafantina ilay volavolan-dalàna mba hametra, hanivana sy hanasazy ny fanehoan-kevitra antserasera lazainy fa “diso”, sady voafetra ny fahafahana mampakatra ny raharaha.
… Manahy aho fa hitarika any amin'ny fanamelohana sy fanafoanana ny fitondrantena tia maneho hevitra maro samihafa ity famaritana diso midadasika ity, ka anisan'izany ny fanakianana ny governemanta, ary ny fanehoana hevitra tsy mifanaraka, mifanohitra na hevitra vitsy an'isa.
Mpanao gazety maromaro no nanasonia fanambaràna iombonana manazava ny ahiahin'izy ireo momba ny lalàna:
By failing to distinguish between a malicious falsehood and a genuine mistake, the proposed legislation places an unnecessarily onerous burden on even journalists acting in good faith. Such a law will hinder rather than encourage the free flow of accurate information. News organisations might feel compelled to withhold important stories simply because certain facts cannot be fully ascertained.
Raha tsy mahavita manavaka ny lainga misy fikasan-dratsy sy ny fahadisoana tokoa, mametraka enta-mavesatra tsy amin'ny antony amin'ireo mpanao gazety miasa am-pahamarinana ity volavolan-dalàna ity. Hanakana kokoa ny fivezivezen'ny vaovao marina ny lalàna toy izany fa tsy mandrisika azy. Mety hahatsiaro voatery hitazona tantara manan-danja ireo fikambanam-baovao satria tsy azo hamarinina tanteraka ireo zava-misy sasany
Nampitandrina ny Fikambanan'ny Gazety Azia Atsimo-Atsinanana fa mety hametra bebe kokoa ny fahalalahan'ny gazety ao amin'ny firenena ny POFMA
This bill clearly demonstrates that the government is setting itself up as the arbiter of truth and falsehood – a manifestly dangerous proposition, especially for a society that is already reeling from a raft of repressive laws.
Mampiseho mazava ny volavolan-dalàna fa mametraka ny tenany ho mpitsara ny marina sy ny lainga ny governemanta -volavolan-dalàna hita fa mampidi-doza, indrindra ho an'ny fiarahamonina izay efa feno andiana lalàna manafay
Mpanao gazety monina any Singapaoro, Kirsten Han, izay sady mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, nanampy fa mety ho fitaovana hafa ho an'ny Antokon'ny Hetsi-bahoaka mba hampangina ireo mpitsikera ny governemanta ny POFMA:
POFMA is thus likely to be yet another weapon in the PAP government’s arsenal against its critics…the legislation is worded broadly enough to give government ministers the option of wielding it selectively against particular targets.
Heverina ho fitaovam-piadiana hafa eo ampelatanan'ny governemanta PAP mba hamelezana ireo mpitsikera azy ny POFMA … Midadasika loatra ny fehezan-tenin'ny lalàna amin'ny fanomezana safidy ny minisitra mba hikendry amim-pifantenana ireo kendrena manokana.
Teo amin'ny fitondrana Singapaoreana nanomboka tamin'ny faramparan'ny taompolo 1950s ny antokon'ny fitondrana, PAP
Miahiahy ihany koa ireo orinasan'ny teknolojia, Facebook sy Google mikasika ny fiantraikan'ny lalàna vaovao. Nilaza ny Google fa mety “hanohintohina ny zava-baovao sy ny fitomboan'ny tontolon'ny vaovao nomerika” ao Singapaoro sy ny faritra Aziatika Atsimo atsinana ny lalàna.
Nilaza i Jeff Paine ao amin'ny Fikambanan'ny aterineto Azia fa mety ampiasaina toy ny maodely any amin'ny firenen-kafa ny POFMA:
As the most far-reaching legislation of its kind to date, this level of overreach poses significant risks to freedom of expression and speech, and could have severe ramifications both in Singapore and around the world.
Amin'ny maha lalàna mety ho lasa lavitra amin'izao fotoana izao, mametraka loza goavana ho an'ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra ity lalàna lava tanana ity ary mety hisy voka-dratsy lehibe ao Singapaoro sy manerana izao tontolo izao.