- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Navotsotra ilay bilaogera Kareem El Beheiry

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Navoaka tao am-ponja [1] ny 2 Jona 2008 ilay bilaogera Ejiptiana Kareem El Beheiry [2] . Nosamborin'ny polisy Ejiptiana i Kareem noho ny fifandraisany tamin'ny fitokonana ny 6 Aprily ho fanohanana ireo mpiasan'ny orinasan'ny lamba ao an-tanàndehiben'i Mahalla.