Nahoana no mitera-pihetsiketsehana ny fananganana toby miaramila Amerikana ao Henoko, Japan?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2014)

Osprey deployment withdraw protest rally

Lehilahy manao diabe ao Tokyo mba hanohitra ny fametrahana zotram-piaramanidina Osprey Amerikana. Hoy ny vakin'ny sora-baventy hoe, “Akatony ny toby Amerikana rehetra ao Okinawa.” (27 Janoary 2013). Sary avy amin'ny KAZUMAC. Copyright:Demotix. 

Iray amin'ireo tantara goavana indrindra ao Japan saingy zara raha taterina- na ao Japan na any ivelany- ny fanapahan-kevitra hamindra ny Toby an'habakabaka Amerikana Futenma any amin'ny faritra afovoan'ny nosy Okinawa ho afindra ao Henoko, 50 kilaometatra eo ho eo any avaratra.

Niteraka hetsi-panoherana goavana teny an-tanety sy teny an-dranomasina nandritra ny fahavaratra ny fanapahan-kevitra hamindra ny Futenma ho eny amin'i Henoko. Miantso ny zava-mitranga ao Henoko hoe Ferguson ao Japan ireo mpaneho hevitra, manondro ny tifitra nahafaty zazalahy iray tsy mitam-piadiana tao Ferguson, Missouri, nataon'ny polisy tamin'ny volana Aogositra, ary niteraka hetsi-panoherana sy korontana.

Araka ny horonan-tsary navoaka tao amin'ny fampisehoana Ryuku Shimpo teo an-toerana, hatramin'ny tapaky ny septambra 2014, nampitahorina sy notanan'ny tafika ao amin'ny Mpiandry ny Morontsiraka ireo mpanao hetsi-panoherana izay manakaiky ny toby fananganana noho ny fandikana ny didim-pitsarana (令状 主義 лькі反) mba hijanona ivelan'ny faritra.

Mandritra izany, teny an-tanety, nahasarika vahoaka 10.000  ny hetsi-panoherana manohitra ny toby Henoko.

Sady farany atsimo indrindra ao amin'ireo prefektiora 47 ao Japana no prefektiora mahantra indrindra ao Japana i Okinawa

Na dia kely aza, (mandrakotra ny 0,6 isan-jaton'ny faritra misy an'i Japana i Okinawa dia ahitana toby miaramila Amerikana 28 fara fahakeliny, ary mijanona ao Japana ny telo am-pahaefatry ny miaramila amerikana. Tokotokony ho 20 isanjaton'i Okinawa no natokana ho fametrahana miaramila, lova navelan'ny sata Okinawa taorian'ny ady amin'ny maha faritra “fitokisana” Amerikana azy ary tsy niverina tamin'i Japana raha tsy tamin'ny taona 1972.

Maro amin'ireo toby miaramila Amerikana 28 no miorina ao anatin'ny faritra be mponina – ao afovoan'ny tanànan'i Ginowan no misy ny Marine Air Corps Futenma.

Nandritra ny taona maro, dia nisy ireo ezaka natao hamindrana ny tafika amerikana. Avy eo, tamin'ny faran'ny taona 2013, nanasonia fifanarahana hananganana toby an-dranomasina amerikana vaovao ao Henoko ny praiminisitra Shinzo Abe sy ny governoran'i Okinawa Hirokazu Nakaima, toerana malalaka izay adiny iray mahery mandeha fiara miala ao Ginowan.

Na dia eo aza ny resaka famindrana ny Marines mankany Guam, sy ny fampanantenana talohan'ny fifidianana nataon'ireo mpanao politika eo an-toerana mba hanohitra ny fananganana ao Henoko, dia tsy handao an'i Okinawa vetivety izany ny tafika Amerikana. Mahatsiaro nofitahana ny mponina ao Okinawa.

Hatsangana eo amin'ny harambato sy bozaka an-dranomasina izay onenan'ny dugong, biby miteraka an-dranomasina atahorana ho lany tamingana izay arovan'ny lalàna Amerikana sy Japoney ny toby miaramila Amerikana vaovao ao Henoko any Okinawa.

Keiko Tsuyama, mpanao gazety Japoney monina any New York izay nanaovan'ny GV antsafa vao haingana, nilaza fa: “Raha nomanina ho an'ny  morontsiraka atsinanana na ny morontsiraka Andrefana ao Etazonia ity karazana tetikasa ity, dia tsy handefitra amin'izany velively ny Amerikanina. Nahoana no Henoko? “

Fihetsiketsehana milamina, valin-teny tsy mifandanja

Nitombo haingana ny fahatezerana teo an-toerana noho ny fanapahan-kevitra hanangana toby ao Henoko taorian'ny fifanarahana tamin'ny faramparan'ny taona 2014. Nandritra ny faharavatra, nanjary tobim-pihetsiketsehana goavana ny arabe teo anoloan'ny toeram-pananganana ao Henoko.

Nijanona tao hatramin'ny taona 1996 ireo mpaneho fihetsiketsehana sasany, raha natao voalohany ny drafitra hametraka ny toby ao Henoko:

Nandritra ny fahavaratra lasa teo, nisy ireo mpanao hetsi-panoherana nankany amin'ny ranomasina nandeha kayaks na lakana, mba hanohitra ny fikarohana ao ambanin-dranomasina ao amin'ny Helodranon'i Oura, manerana an'i Henoko, talohan'ny nisian'ny fananganana.

Raha nisy ny fitantaran'ny fahitalavitra ny hetsi-panoherana, dia mampiseho ny lalao fanenjika ambany kalitao miseho eo amin'ny manampahefana sy ny mpanao fihetsiketsehana ny lahatsary amin'ny ankapobeny.

Ohatra, nampiseho ireo mpitandro ny filaminana nisambotra mpanao hetsi-panoherana iray izay namelatra harato teo ambonin'ny toerana ampiasaina handavahana lavaka ho an'ny fikarohana momba ny hovitrovitra ny tati-baovao ao an-toerana tamin'ny 3 Septambra 2014. (Vaovao farany: Hatramin'ny namoahana ity tantara ity, efa voafafa izany lahatsary izany.)

Ny gazety eo an-toerana Ryuku Shimpo, kosa namoaka lahatsary YouTube misy ireo manampahefana mpiambina ny morontsirak'i Japana mampihatra ny didim-pitsarana:

Manome vaovao farany ara-potoana momba ny fihetsiketsehana Henoko ihany koa ny tenirohy Twitter #henoko.

Nandritra ny fahavaratra sy ny volana Septambra amin'izao fotoana izao, mpisera Twitter maro no mampiseho ny valintenin'ny governemanta tamin'ny hamafisana mahagaga:

Lakana am-polony no nalaina an-keriny, (araka ny filazan'ny Okinawa Times). Amin'ny fifidianana governora prefekotoraly manaraka, tsy maintsy mihoatra sy manongana ity fitondrana jadona ity isika

Henoko.net dia bilaogy ahitana vaovao farany matetika izay manome ny antsipirihan'ny fitantarana ny fihetsiketsehana sy ny famoretana ataon'ny Mpiambina morontsiraka amin'ny fihetsiketsehana Tamin'ny 14 Septambra ny vaovao farany indrindra:

 辺野古の海は今、海上保安庁による恐怖と暴力によって占領されています。

まずは、この動画をご覧下さい。この動画は辺野古の新基地建設・移設反対の抗議船に乗船した…ある名護市民の方から提供された未公開映像で、このブログ「辺野古戦記」ではじめて一般公開されるものです。

Mampiasa tetikady mahery vaika sy fampihorohoroana mba hifehezana ny ranomasina manerana an'i Henoko ny mpiambina morontsiraka. Raha te hahalala ny tetikady, dia jereo ny lahatsary etsy ambany. Nahazo lahatsary nalain'ny mponina eo an-toerana ao Nago ahitana manampahefana mampiditra sambon'ny fihetsiketsehana ao ivelan'ny toerana kasaina hananganana ny toby izahay – ity no fotoana voalohany namoahana ireo sary ireo tamin'ny aterineto mba ho hitan'ny daholobe.

Toa tsy azo antoka fa ampy hanakana ny vahoakan'i Okinawa izay tafavoaka velona voalohany tamin'ny Ady tao Okinawa tamin'ny faran'ny ady, ary avy eo 30 taonan'ny fibodoana Amerikana, ary ankehitriny, taona maro nanerena ny governemanta mba hampihena ny isan'ireo toby Amerikana ao amin'ny prefektiora ireo paikady mahery vaika ireo.

Mpisera Twitter iray mamintina ny hevitry ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny ankapobeny:

“Tsy hitsahatra na oviana na oviana izahay” – no nalefa tao amin'ny vavahadin'ny toby Henoko kasaina hatsangana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.