- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy Kiorda

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Iràna, Syria, Tiorkia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny 21 Desambra 2005)

Ity ny herinandroko voalohany nampiasana fanangonam-baovao mba hijerena ireo bilaogy Kiorda ary tsy azoko antoka izay fahatsapako momba izany. Tena nankafy nijery bilaogy tsirairay isan-kerinandro ny ampahan'ny tenako, saingy mety ho tena mandany fotoana be izany. Nametraka fanangonam-baovao ho an'ny tranonkala Kurdistan Blog Count [1] aho, ary raha mahaliana anao ny mampifandray azy io aminao dia ity ny tranonkala ho an'ny daholobe [2]. Na izany aza, nahafahako nandamina ny lahatsoratra androany isaky ny lohahevitra izany fivezivezem-baovao izany, izay ahafahantsika tsy miresaka ny lohahevitra lehibe ihany fa koa miresaka lohahevtra avy amin'ireo bilaogera Kiorda izay lasa malaza tamin'ny vaovao [3].

Lahatsoratra voalohany, ny fifidianana any Iràka: Ny fitantaram-baovao faran'izay be mpijery indrindra momba ny fifidianana Irakiana dia ny bilaogy The Iraqi Vote [4] (indrisy fa tsy mandeha tsara ao amin'ny tranonkalan'izy ireo ny rohy maharitra, na izany aza, manoro hevitra mafy aho mba hijerenao ny fanehoan-kevitra sy ny lahatsoratra raha mahaliana anao ity lohahevitra ity.) From Holland to Kurdistan [5] sy Roj Bash manana fitantarana mahaliana momba ny fifidianana, indrindra ny mikasika ny latsa-baton'ny mpila ravinahitra — Manoro hevitra aho mba hamaky ireo fanamarihana manokana nomen'i Roj Bash. [6] Kurdo avy ao amin'ny Kurdo's World [7] manoratra  ny hosoka mety hisy amin'ny fifidianana ary ny fanapahan-keviny tsy hifidy [8], manana rohy mahavariana misy ny sary avy amin'ny fifidianana izy. Hiwa avy ao amin'ny Hiwa Hopes [9] maneho ny hafaliany amin'ny fahafahany mifidy sy ny fanantenany ho an'i Kurdistan mahaleo tena [10]. Farany ao anatin'ity lisitra lavabe misy ireo bilaogera malaza koa ilay bilaogera Kiorda Bilal Wahab izay afaka nihaona tamin'ny filohan'i Etazonia tamin'ny andron'ny fifidianana  [11](mino aho fa maro no hahafantatra ny sary.)!

Fizarana faharoa: Misy ireo fitsarana maromaro mandeha amin'izao fotoana izao [12] izao tantarain'ny tontolon'ny bilaogy Kiorda mafy. Ny voalohany dia ny Dr. Kamal Sayd Qadir izay nogadrain'ny governemantam-paritra Kurdistan (KRG amin'ny teny Anglisy) ao amin'ny Kurdistan Irakiana noho ny heloka bevava izay ahitana ny “fanalam-baraka ny governemanta Kiorda sy ny adiny”. Niteraka olana momba ny fitokisana ny KRG izay nangataka tamin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina mba hanome fahalalahana miteny ho an'ireo Kiordany izany, kanefa mandà ny zo ho an'ireo Kiordany manokana. Na dia notantaraina betsaka indrindra tao amin'ny bilaogy [13]Is-Ought problem [13] aza izany, ireo bilaogera hafa kosa nandanjalanja io olana io, anisan'izany i Hiwa [14], Rasti [15] sy Roj Bash [16]. Betsaka ny fampitahana teo amin'ity fitsarana ity sy ny fitsarana ho avy izay hanenjehana ilay mpanoratra Tiorka [17] Orhan Pamuk [17].

Fahatelo, fampahatsiahivana fotsiny ho an'ny olona mba hijery ny asa vitan'ny bilaogy Save Roj TV [18],  izay manentana mba hanohy ny zo fandefasana amin'ny fahitalavitra  Kiorda any Holandy.

Ary farany, nanoratra ny The Kurdistan Bloggers Union (Sendikan'ny bilaogera Kurdistan) [19] mba hampahatsiahy ireo bilaogera Kiorda fa mila miambina ny fiarovana ny tenany manokana izy ireo [20] rehefa mibilaogy.