22 Mey 2019

Tantara tamin'ny 22 Mey 2019

Indonezia, mampiroborobo ny bilaogy tsara, imailaka feno fankahalàna ary ny Lokan'ny Biloagy Azia Blog Awards …………………. Fampitomboan'i Indonezia An'ireo Blaogy Tsara, Ireo Imailaka Mifono Fankahalàna Ary Ireo Blaogy Fanolorana An'i Azia

  22 Mey 2019

Tao anatin'ireo taona roa farany, vavolombelon'ny firoboroboana tsy mitsahatra sy mahavelom-panantenan''ireo blaogy tsara sy ireo blaogera tsara kalitao. Ny anton'io, amin'ny ankamaroany, dia nohon'ny fitobak'ireo manampahaizana, mpanoratra ary mpanao gazety Indoneziana izay manomboka mampiseho ny fahalinan-dry zareo amin'ny blaogy.

Herinandro goavana tao Bahrain

Niaina fahafahana ara-politika vao haingana i Bahrain, firenena kely nanomboka tamin'ny Martsa 1999, rehefa nandray ny fitondrana ny mpanjaka vaovao, Shaikh Hamad bin Isa Al-Khalifa ary nanokana fahalalahana ara-pôlitika goavana, saika ny olom-pirenena Bahrainita sy ny mponina rehetra no lasa manam-pahaizana ara-politika! Nampitombo ny bilaogy ho 60 mahery izany.

Ejipta: Navotsotra ilay bilaogera Kareem El Beheiry

GV Mpisolovava  22 Mey 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navoaka tao am-ponja ny 2 Jona 2008 ilay bilaogera Ejiptiana Kareem El Beheiry . Nosamborin'ny polisy Ejiptiana i Kareem noho ny fifandraisany tamin'ny fitokonana ny 6 Aprily ho fanohanana ireo mpiasan'ny orinasan'ny lamba ao an-tanàndehiben'i Mahalla.