- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andron'ny Bilaogy 2005

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Oseania, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2005)

* Indray andro tamin'ny volana jona tamin'ity taona ity dia nahatsikaritra [1] ilay bilaogera, Nir Ofir [2] fa: toa mitovy hafahafa amin'ny teny hoe “Blog” ny daty 3108 (na ny 31 Aogositra). Nanjary miha-fantany hatrany ihany koa fa arakaraka ny hamaroan'ny tranonkala manerantany ao amin'ny aterineto, no mahatonga antsika hifikitra amin'ny fahazarantsika mamaky tsy mila fikarohana votoaty vaovao sy feo vaovao avy amin'ny kolontsaina sy ny fomba fijery hafa. Na eo aza ny resabe momba ny aterineto izay mahatonga izao tontolo izao ho toerana kely kokoa, mbola mampifandray amin'ireo bilaogera avy any amin'ny fireneny sy miaraka amin'ny fomba fijery ara-politika mitovy ny ankamaroan'ny tranonkala. Ny vahaolana  [3]avy aminy?

In one long moment on August 31st, bloggers from all over the world will post a recommendation of 5 new Blogs, Preferably, Blogs different from their own culture, point of view and attitude. On this day, blog surfers will find themselves leaping and discovering new, unknown Blogs, celebrating the discovery of new people and new bloggers.

Mandritra ny fotoana lavalava amin'ny 31 Aogositra, handefa soso-kevitra amin'ny blaogy dimy vaovao, tsara raha bilaogy tsy mitovy kolontsaina, fomba fijery sy fihetsika amin'ny tena ireo bilaogera manerana izao tontolo izao. Amin'izany andro izany, dia hahita ireo mpiserasera bilaogera fa niditra sy nahita bilaogy vaovao sy tsy fantatra, mankalaza ny fahitana olona vaovao sy bilaogera vaovao.

Misy ireo torolalana manokana momba ny fanomezana endrika ny lahatsoratra bilaoginao [4] amin'ny teny Anglisy sy amin'ny  fiteny 10 hafa [5].

Azo antoka fa efa nipoitra ilay hevitra ary efa voaresaka be manerana izao tontolo izao. SAJ Shirazi avy ao Pakistana nitanisa bilaogy tsy latsaky ny 124 [6] izay antenainy tanteraka fa handray anjara amin'ny Blog Day amin'ny Alarobia hoavy izao. Satish Talim avy any Pune, India mandrisika ireo Indiana namana handray anjara [7]. Aldebarán [8] avy any El Salvador, Jordi Abad [9] avy any Barcelone, Espaina, naevus’ corner [10] avy any Italia, David Weinberger [11] avy any Etazonia, ary Alexis Perrier [12] avy any Parisy, Frantsa no ohatra vitsivitsy amin'ireo olona marobe manerana izao tontolo izao izay hampahafantatra amin'ireo mpamaky azy ny bilaogera vaovao avy amin'ny firenen-kafa.

Indrisy fa toa manakana ny ankamaroan'ny bilaogera Koreana tsy handray anjara amin'ny hetsika ny tsy fisian'ny fanohanan'ny Technorati ny tarehintsoratra mahazatra Koreana, EUC-KR. Tamin'ny taratasy ho an'i Nir Ofir [13], nanazava ny antony ilay bilaogera Koreana, Hof [14].

Na dia tsy nahasarika loatra teto Etazonia aza ny Andron'ny Bilaogy, nanipy teny momba izany [15] ihany i Indianapolis Star tamin'ny herinandro lasa.

Izahay ato amin'ny Global Voices, mazava ho azy, dia tena manohana tanteraka an'io hevitra io. Efa hatry ny ela izahay no nandrisika ny bilaogy fampifandraisana, izay andraisana ny tranonkala ho tetezana eo amin'ny vondron'olona roa, indrindra avy amin'ny firenena sy kolontsaina samihafa. Ny 31 Aogositra dia manamarika andro iray ahafahantsika rehetra mandray anjara amin'ny fitadiavana bilaogy vaovao avy any ivelany ary mampahafantatra azy ireo amin'ny mpamaky antsika mahazatra. Raha mitady toerana tsara hanombohana fandalinana ianao, tsy misy tsara kokoa noho ny Bridge Blog Index [16].