- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iharan'ny Tsy Fahazoana Aterineto i Benin Nefa Andro Fifidianana

Sokajy: Afrika Mainty, Benin, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

Bokotra ON (Mandeha) / OFF (Maty) fampandehanana fampakarana entana. Sary an'i Andrew Huff. [Creative Commons (CC BY-NC 2.0)/ Flickr, 20 Janoary 2007]

Rehefa nifoha izy ireo ny 28 aprily, vonona ny handatsa-bato nandritra reo fifidianana solombavambahoaka tao Bénin, tsy afaka nisitraka ny WhatsApp na ny Facebook ireo mpifidy mba hifaneraserana na hitadiavana ny vaovao mikasika ireo toerana izay handatsaham-bato.

Vao maraina be izy ireo sy ireo vovonana Web maro hafa matanjaka, anisan'izany ny Twitter, Instagram, Telegram sy ny Viber, dia samy latsaka tao anaty haizina avokoa. Tamin'ny 11 ora, ny 99,5%-n'ireo fahazoana Aterineto [1] no nanjary tsy azo nidirana intsony, nampiditra ilay firenena Afrikana Tandrefana ho tao anatin'ny fampijanonana Aterineto teo amin'ny sehatra nasionaly izay naharitra hatramin'ny alina.

Valaketraka ireo vondrona mpiaro zon'olombelona sy ireo mpanaramaso ny fifidianana saingy tsy tezitra tamin'ilay fahatapahana , izay toa ny governemanta teo an-toerana no nandrafitra azy.

Ireo lalàna vaovao momba ny fifidianana, napetraky ny fitantanana amperinasa tarihan'ny Filohampirenena Patrice Talon no nanodina ny politika [2] tao Bénin, izay nifaninanan'antoko politika marobe hatramin'ity taona ity. Saingy miaraka amin'ireo politika vaovao izay manondrotra ny tahan'ny fandraisana anjaran'ireo antoko amin'ireo fifidianana, antoko politika roa monja no nahatafita kandidà tamin'ireo fifidianana solombavambahoaka. Mifamatotra akaiky amin'ny filoham-pirenena ireo antoko roa ireo.

Tao anatin'ny fotoana nialoha ny fifidianana, naparitak'ireo mpitandro ny filaminam-bahoaka, izay nampiasa entona mahasempotra sy kibay. mba hanaparitahana an'ireo fihetsiketsehana ireo andiana fihetsiketseham-bahoaka  – izay nitranga tao an-toerana na teo aza ny fandraràna amin'ny ankapobeny tsy hanao hetsika an-dalambe. Notaterin'ny Amnesty International [3] fa marobe ireo mpitarika ny mpanohitra no nosamborina nandritra ireo fihetsiketsehana.

Samy niampanga an'ity fanakatonana ity avokoa tao anatin'ny fanambaràna iray niraisana ireo mpikatroky ny tranonkala misokatra tao amin'ny Media Foundation ho an'i Afrika Andrefana [4], ny Internet Sans Frontieres [5], CIPESA, [6] Access Now, [7] Global Voices (Afrika atsimon'i Sahara) ary ireo vondrona hafa:

Ny komity misahana ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana,  mpandikateny ofisialin'ny Fifanarahana Iraisam-pirenena mikasika ny Zo Sivily sy Politika, dia manipika ao anatin'ny Fanehoankevitra Ankapobeny faha-34 [8] fa tsy maintsy ilaina ary mifandanja ireo fameperana ny adihevitra anaty tambajotra mba hanatrarana ny tanjona ara-drariny. [7] Ireo fampiatona, etsy andaniny, dia miteraka vokatra tsy mifandanja ho an'ireo mpampiasa rehetra ary mametra tsy misy dikany ny fahazoana vaovao sy ireo serasera amin'ny asa maika ao anatin'ireo fotoana tokony handraisana fanapahankevitra. Sady tsy ilaina no tsy mahomby ho entina manatratra tanjona ara-drariny ireo fampiatoana ireo, satria matetika dia mamafy fisavoritahana foana izy io sady mamporisika kokoa an'ireo olona hanao hetsi-bahoaka.

Miantso anareo ampanajana izahay mba:

  • Haka antoka fa miverina amin'ny laoniny ireo media sosialy
  • Hilaza ampahibemaso ny fahafoizantenanareo hitazonana ny Aterineto hitohy handeha, sy hilaza amin'ny daholobe ny mety ho fahatapahana rehetra
  • Handrisika an'ireo mpanome tolotra fifandraisandavitra sy Aterineto mba hanaja ny zon'olombelona amin'ny alalan'ny filazàna ampahibemaso ny politika ary fomba fanao misy fiantraikany amin'ireo mpampiasa.

Raha niresaka tamin'ny Aterineto tsy voafetran-tsisintany (Internet Sans Frontieres), nanamarika ilay teratany avy ao Benin, Mylène Flicka,  mpanoratra sady mpikatroka avy amin'ny Irawo Media fa:

Ny fanakatonana ny Aterineto amin'ny andro fifidianana dia vao mainka manampy ahiahy amin'ny zotran'ny fifidianana efa be tsininy. Zara raha manao hetsika momba ny resaka demaokrasia i Benin.

Niverina tamin'ny laoniny avokoa ny fifandraisana rehetra amin'ny Aterineto ny marainan'ny 29 Aprily, taorian'ny fahataperan'ny fandatsaham-bato.