Mampiroborobo ny fitoviana i Trinidad & Tobago, kanefa tsy afa-miala amin'ny resaka firazanana matetika ireo mpanao politika

Pikantsary nalaina tamin'ny lahatsary YouTube mampiseho ny hiram-pirenen'i Trinidad sy Tobago, Forged from the Love of Liberty (Novolavolaina tamin'ny Fitiavana Fahalalahana). Lahatsary navoakan'ny DN Anthems

Tamin'ny volana aprily 2019, nisy ny fandraketam-peo tamin'ny vehivavy iray antsoina hoe Nalini Ramai nivezivezy nanerana ny fantsona media sosialy Trinidad sy Tobago. Tao anatin'ilay fandraketam-peo, dia re mitaraina amin'ny mpamatsy fahitalavitra an-tariby i Ramai mikasika ny zava-misy fa nesorina tao amin'ny fonosany ny Zee TV, fantsona Indiana. Nanao izay vitany ilay solontenan'ny tolotra ho an'ny mpanjifa mba hampitony azy, saingy nanohitra i Ramai ary nahavita nanao fanambarana fanavakavahana ny praiminisitra sy olon-kafa taranaka afrikanina.

Namaly ny fifandirana i Rowley tamin'ny fiantsoana ny vahoaka mba “ho mailo amin'ny [fanavakavahana] sy mandà izany amin'ny fisehoany rehetra”, na dia nanambara aza ireo mpikatroka mpanohitra fa mety ho “fanodikondinan-tsaina napetraka sy voalamin'ny antoko eo amin'ny fitondrana tsara” ny raharaha rehetra.

Wired 868 post nanazava fa:

When Nalini used the [n-word], it is more than descriptive; it is political and can prove irrevocably divisive.

Raha nampiasa ny [teny-n] i Nalini, dia mihoatra noho ny famaritana; politika izany ary afaka manaporofo fizarazarana tsy azo ovaina.

Mpaneho hevitra hafa, tahaka ilay mpisolovava sady minisitry ny fitsarana teo aloha Christlyn Moore, nampitandrina momba ny loza ateraky ny lahateny toy izany:

The fact is that as a nation, we have a problem with civility, identity, and race and gender relations. And our politicians echo this.

Ny zava-misy dia amin'ny maha-firenena antsika, manana olana amin'ny fahalalam-pomba, ny maha-izy azy, ny firazanana sy ny fifandraisan'ny lahy sy ny vavy isika. Ary mamerina izany ireo mpanao politikantsika.

Ao Trinidad sy Tobago, ny vondrona ara-poko roa – Afrikana sy Indiana – ny maro an'isa amin'ny mponina, ary mampiseho taratra izany fizarazarana izany ny fototra mpanohana ny antoko politika roa lehibe, ny Hetsika Nasionalim-bahoaka (PNM) sy ny Kongresy Nasionaly Mitambatra (UNC). Raha mbola tsy niaina karazana herisetra ara-politika mifototra amin'ny ara-poko izay efa niainan'ireo firenena hafa maro foko tahaka an'i Guyana i Trinidad sy Tobago, dia maro ireo mpifidy nandatsa-bato mifototra amin'ny ara-poko fa tsy ara-kevitra, manome lalana mankany amin'ny fientanentanana sy ny fanamby amin'ny fampielezan-kevitra mba hankany amin'ny firazanana. Izany rehetra izany dia ao anatin'ny firenena iray izay ahitana toy izao amin'ny andinin'ny hiram-pirenena hoe hoe “Eto daholo ny sehatra rehetra sy ny firazanana rehetra”, ary mahatonga karazana “fitondran-tena manafintohina” azo henjehina eny amin'ny fitsarana ny fepetra voalazan'ny Lalànan'ny Fitoviana ao amin'ny firenena.

Raha afaka mamelona hevitra fanavakavaham-bolonkoditra ny olona manerana izao tontolo izao- ary na dia maneho izany – ao anatin'ny fiarahamoniny manokana aza, mampiseho ny zava-mitranga kosa ny raharaha Nalini Ramai rehefa aseho ampahibemaso ireo hevitra tahaka izany, ary ny fomba ahafahan'ny mpanao politika manova ny toe-javatra toy izany ho tombontsoan'izy ireo. Ireto misy tantara fohy (sy mahamenatra) momba ireo fanevatevana ara-politika vao haingana …

Ny sambo “Calcutta”

Janoary 2013 – Nandritra ny fotoana talohan'ny fifidianana tao amin'ny Antenimieram-pirenena Tobago tamin'ny 21 Janoary, nanondro ny Fatel Razack, ilay sambo nandao an'i Calcutta, India tamin'ny 16 febroary 1845 ny iray tamin'ireo kandidà PNM, Hilton Sandy, sambo izay nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo mpiasa voatery niasa ho an'ny fambolena siramamy ao Trinidad. Nampitandrina ny mpifidy tamin'ny famoriam-bahoaka i Sandy:

There is a ship at Calcutta waiting to sail to Tobago; they are waiting to get the results of this election. If you bring the wrong results, Calcutta ship is coming down for you. You must stop that ship. We must not allow that ship to sail and if you don’t want that ship to sail, what you have to do? Is vote the PNM!

Misy sambo iray any Calcutta miandry handeha ho aty Tobago; miandry hahazo ny vokatra amin'ity fifidianana ity izy ireo. Raha mitondra vokatra ratsy ianao, dia hidina ho anao ny sambo Calcutta. Tsy maintsy mampitsahatra izany sambo izany ianao. Tsy tokony havelantsika handeha io sambo io ary raha tsy tianareo handeha izy, dia inona no tokony hataonareo? Mifidy ny PNM!

Nizara roa ny fanehoan-kevitry ny daholobe, mpifidy sasany maminavina fa hijaly ny fampielezan-keviny ary ny hafa kosa mitsipaka ny fanambarana amin'ny filazàna hoe: “Manao izany ny rehetra.”

Araka ny nanamarihan'i Raffique Shah, mpanao gazety menavazana Trinidadiana, singa manan-danja amin'ny politikan'i Trinidad sy Tobago ny firazanana:

It was always the not-so-secret weapon to rally the tribes, especially during elections and mostly in core ethnic communities […] the modern Afro-and Indo-based parties perfected the art of appealing to people’s base instincts.

Fitaovam-piadiana tsy miafina intsony mba hamoriana ireo foko izany, indrindra mandritra ny fifidianana ary indrindra indrindra koa ao anatin'ny vondrom-piarahamonina ara-poko […] nampiseho ny kanto amin'ny fisarihana ny fironan'ny vahoaka ireo antoko maoderina Afro sy Indo.

Ny politikan'ny “wining” (fandihizana valahana)

17 Febroary 2015 – Nandritra ny fankalazana ny Karnavaly isan-taona ao amin'ny firenena, nanao izay nataon'ny ankamaroan'ireo mpanafin'endrika nandritra ny diabe an-dalambe roa andro ny Dr. Keith Rowley, izay mbola mpitarika ny mpanohitra tamin'izany fotoana izany (natao ny volana Septambra tamin'izany ny fifidianana ankapobeny)  – “nandihy valahana” niaraka tamina mpanafin'endrika iray izy.

Avy amin'ny taranaka Indianina (Afro-Trinidadiana i Rowley) ity mpanafin'endrika ity ary noheverina fa tsy ampy taona, na dia hita aza fa mpandray anjara an-tsitrapo na mpanentana ilay dihy ratovovavy. Na izany aza, vetivety dia lasa resaka ara-politika izany, ka ny sasany manontany hoe mety amin'i Rowley ve ny toerana.

Nilaza i Satnarayan ‘Sat’ Maharaj, olo-malaza ara-pivavahana sy ara-politika mpampisara-bazana eo an-toerana, izay matetika mampiasa fiteny feno fanavakavaham-bolokoditra fa “tohina” izy noho ny fihetsik'i Rowley tamin'ilay “zatovo”. Maro no nandika izany fanehoan-kevitra izany ho fikasana hanaratsy ny lehilahy mainty ara-nofo — ary mamily lalana ny fanavakavahana ao anatiny — amin'ny fifantohana amin'ny taonan'ilay tovovavy, izay tsy mbola voamarina velively.

Ny “fampihomezana sari”

12 aogositra 2018 – Tamin'ny hetsika Andron'ny Fianakavian'ny PNM, nanao fampisehoana fampihomezana tsy misy loko ny iray tamin'ireo vondrom-paritry ny antoko, ka nanala ny sari mavomavo teny an-koditry ny vehivavy iray ireo lehilahy manao fitafiana rajakobe (gorille) mba hampiseho atin'akanjo menamena. Loko mifandraika amin'ny UNC ny loko mavo, raha loko ofisialin'ny PNM ny menamena. Raha nilaza ireo mpamorona ny fampihomezana fa natao hanehoana ny fitomboan'ny fanohanan'ny faritra ny PNM any amin'ny faritra izay zatra nifidy ny UNC ny fampisehoana, dia niteraka tsikeram-bahoaka miely patrana ho toy ny fanavakavaham-bolonkoditra izany.

Namaly ihany koa ny vondrom-piarahamonina Haindò ao amin'ny firenena, nilaza fa mihoatra noho ny singan-damba kely ny sari, ary fanesoana ny soratra masina momba ny fanesorana ny akanjon'i Draupadi ilay fampisehoana.

Niala tsiny avy eo ny Praiminisitra Rowley noho ilay fampisehoana fampihomezana, saingy nitsikera ny mpanohitra noho ny fiampangana ny PNM ho mampiroborobo ny fanolanana sy ny fanafihana ny vehivavy – fikasana izay nolazainy fa mba hitarihana ny fankahalana ara-poko.

Ny karepoka “Oreo”

10 septambra 2018 – Nanao kabary nandritra ny fivorian'ny antoko UNC, niantso ny praiminisitra Keith Rowley ho “Oreo” i Kamla Persad-Bissessar, lehiben'ny mpanohitra ao Trinidad sy Tobago. Voampanga ho niezaka hitarika fifandirana ara-pirazanana izy, vao maika nihamafy izany raha nitondra ny iray isan-jaton'ny firenena tany amin'ny gidragidra sy nanao tsoa-kevitra fa niezaka hiady ho amin'ny tombontsoan'ny mpanan-karena sy ny matanjaka i Rowley.

Tahaka izay nitranga tamin'ny fampihomezana amin'ny sari, nahatonga ny tontolon'ny bilaogy eo an-toerana haresaka ny fanehoan-kevitra momba ny Oreo. Raha niala tsiny avy hatrany ny mpitarika ny mpanohitra, dia mety nilamina ny olana. Saingy niezaka niaro ilay fanambarana ireo mpanohana ny UNC.

Nanoratra tao amin'ny Twitter ilay mpisolovava sady mpanao politika Garvin Nicholas, izay mpikambana ao amin'ny UNC:

Ny fiantsoana hoe Oreo dia fanafihana ny toetran'olona iray fa tsy ny foko misy azy ary noho izany, tsy azo sokajiana ho toy ny fanambarana fanavakavaham-bolokoditra. Ankoatra izany, araka ny filazany, ity governemanta ity dia tsy “mitarika ity firenena ity amin'ny fomba milamina, mampiaty na mamokatra”.

Tsy nino ireo mpisera Twitter. Nafana tanteraka ny resaka tao amin'ny Facebook, Denny Ablack, avy amin'ny foko indiana, naneho hevitra hoe:

Do not get drawn into this ethnic brainwashing. Whether it's Oreo or Calcutta Ship it has no place in our national dialogue. There is nothing positive there for the children of T&T

Aza miditra amin'io fanasana atidoha ara-poko io. Na Oreo na Sambo Calcutta, samy tsy manana toerana ao anatin'ny fifanakalozan-kevi-pirenena. Tsy misy zavatra tsara ho an'ny zanak'i T & T ao

Raha  namoaka fanambarana momba ny fanehoan-keviny tao amin'ny vohikalan'ny antokony i Persad-Bissessar, dia tsy nisy fanenenana mihitsy ny feony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.