- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamoaka lahatsoratra ho fanandrata-teny

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2008)

Trohy amin'ny endrika pdf ity torolalana ity [1]

Cross-posting
Faly izahay mamoaka ny Advocacy 2.0 Guide [2]: Cross-posting for Advocacy, Fampahafantarana ny Fampidirana Mahomby ny Media Sosialy. [Torolalana Advocacy 2.0: lahatsoratra miara-mivoaka hanaovana fanandrata-teny] Manolotra fampidiran-dresaka fohy mikasika ny fomba fampiasana ny famoahana lahatsoratra iray mivoaka indray miaraka amin'ny sehatra vitsivitsy hanaovana fanentanana antserasera momba ny fiarovana (= fanandrata-teny) ity torolàlana ity. Mampitamberina ireo fitaovana web 2.0 isankarazany izy, mampiseho ohatra mahomby tamin'ny fampiasana ny famoahana indray mivoaka amin'ny habaka samihafa ho fiarovana. Ahitana tombontsoa sy voka-dratsy amin'ny teknika fivoahan-dahatsoratra amin'ny sehatra samihafa ihany koa torolàlana.

Hampitomboy ny ezaka fanentanana antserasera ataonao momba ny fiarovana

Miompana amin'ny tetikady samihafa ny fanentanana antserasera mahomby sy mandaitra mba, ahafahana manentana sy mampiroborobo hafatra amin'ny lafiny iray, ary hampitombo ny fanentanana sy hisarika mpanohana vaovao hampandray anjara azy ireo amin'ny fiarovana ataonao amin'ny lafiny iray hafa.

Noho ny fahabetsahan'ireo karazana votoaty miely patrana amin'ny aterineto, dia afaka mampitombo ny fanentanana antserasera ataonao amin'ny alalan'ny famoahana lahatsoratra miara-mivoaka eo no eo ao amin'ny bilaoginao na ny tranonkalanao momba ireo tolotra Web 2.0 isankarazany ianao, tahaka ny tolotra bilaogy lehibe sy bilaogy madinika (Twitter, Facebook, Myspace, sns.). Fomba mahatalanjona hafa hananganana fifandraisana sy hampifandray ny mpihaino anao izany, ary mety hisy fiantraikany lehibe amin'ny fanentanana ataonao, indrindra indrindra amin'ny fisarihana ireo olona izay tsy mbola nitsidika ny tranokalanao mihitsy.

Tsy vondrona mitsitokatokana ireo lahatsoratra ao amin'ny bilaoginao sy ny tranonkalanao. Afaka miseho miaraka ao amin'ireo sehatra aterineto tsy tambo isaina izy ireo, misarika ny sain'ireo mpihaino vaovao ary manokatra fantsom-pifandraisana vaovao miaraka amin'ny vondron'olona ivelan'ny tontolo misy ireo mpanohana matoky anao. Ny bilaoginao na ny tranonkalanao no mety ho fitaovana voalohany safidianao ho an'ny votoaty, saingy satria mpamaky sasantsasany ihany no hanaraka anao ao amin'ny Twitter na misoratra anarana ao amin'ny RSS-nao, dia afaka mampandray anjara olona marobe amin'ny fiarovana ataonao ity fomba fanapariahana midadasika ity ary mandrisika azy ireo hizara rohy, hanasonia fanangonan-tsonia elektronika, mandefa mailaka, ary manolotra fanomezana maro mihitsy aza.

Misy tombontsoa marobe amin'ity fomba ity. Ny voalohany dia misarika mpitsidika bebe kokoa ianao, ary noho izany mety ho mpanohana amin'ny fanentanana ataonao amin'ny bilaoginao manokana. Ankoatra izany, dia misy fiantraikany amin'ny fanitarana ny androm-piainan'ny bilaoginao sy ny lahatsoratra amin'ny tranonkalanao izany amin'ny fiterahan'ny fizarana sy fampiroboroboana miverimberina izay azo alaina mora foana amin'ny alalan'ny milina fikarohana toy ny Google.

Trohy amin'ny endrika PDF [1]azafady ny torolalana [1] ary ampio izahay handika izany amin'ny fiteninao

Tabilaon'ny votoaty

- Fampidirana
– Inona no ilainao?
– Ahoana no hamelomanao ny bilaoginao na ny tranokalanao amin'ny Twitter?
– Havaozy ny satanao Facebook amin'ny alàlan'ny Twitter
– Mitondra izany lavitra kokoa ny FeedBlitz amin'ny fampandehanana ho azy ny mailaka sy ny fandefasana IM
– Hevitra sasany manohitra ny fampiasana ny famoahana miampitampita
– Ohatra tsara amin'ny fomba fampiasana ny teknolojia famoahana miampitampita

Jereo azafady ny torolalana 2.0 hafa ho fanandrata-teny

Geo-bombing: YouTube + Google Earth [mg] [3]
GeobombingIray amin'ireo teknika azo ampiasaina mba ahafahana manao fanapariahana mahomby kokoa ny fanentanana an-dahatsary ataonao amin'ny YouTube amin'ny alàlan'ny fampiharana fandraketana an-tsarintany Google tahaka ny Google Maps [4] sy Google Earth  [5]ny geo-bombing. Azonao atao ankehitriny [6] ny mijery ny lahatsarinao voafangitra ara-jeografika (geotag) ao anatin'ny Google Earth sy Google Maps. Hiseho ny lahatsary YouTube rehetra misy famantarana ara-jeografika rehefa mihodina ny tontolon'ny Google Earth / Maps [vakio bebe kokoa amin'ny teny malagasy [3] …]