- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahatonga fanadihadian'ny polisy ilay fanehoankevitra tanaty Facebook mikasika ilay fitorahana atody ny minisitr'i Singapaoro

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Fandrahonana-lalàna, Lalàna, Mediam-bahoaka, Feo voarahona, GV Mpisolovava
[1]

Ny Minisitry Ny Atitany sy ny Lalàna, K Shanmugam (ankavia) ary ilay mpampiasa Facebook, Edmund Zhong (ankavanana)

Tazonin'ny polisy hatao fanadihadiana [2] ireo mpampiasa Facebook roa ao Singapaoro noho ny fanehoankeviny mikasika ilay fitorahana atody an'ilay Minisitry ny Atitany sy ny Lalàna, K. Shanmugam.

Edmund Zhong, lehilahy 20 taona manatanteraka ny asa miaramila, no nametraka ity fanehoankevitra ity tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook-n'ny Fantsona News Asia momban'ilay zatovo aostralianina iray nitoraka [3] atody an'ilay Senatera mpandala ny nentin-paharazana : “Tiako hatao amin'i K Shanmugam koa izany.Tena marina e.” Ary iray hafa mpampiasa Facebook no nandrisika an'i Zhong hanao izany

Telo andro taty aoriana, naharay taratasy fampiantsoana avy amin'ny polisy tao an-tranony i Zhong nampilaza azy fa halaina am-bavany noho ny fandikandalàna nataony izy mikasika ny “Fampielezana rakitra elektronika mihantsy herisetra” araky ny  fehezandalàna famaizana Fizaràna faha 267C . Raha voalaza fa meloka izy, mety higadra hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina na mety ho voaheloka handoa sazy ara-bola, na izy roa

Nozarainy tao amin'ny vondrona Facebook antsoina hoe “Fitarainana Singapaoro” ilay fampiantsoan'ny polisy.

Toa hoe, nandalo tao an-trano hono 3 andro lasa izay, ireo manamboninahitra 2 avy amin'ny Diviziona HQ ao Ang Mo Kio mikasika ilay fanehoankevitro ny hitoraka atody an'i K Shanmugam. Fihetsehampo nifamahofaho no tsapako satria tsy nanampo hoe fanehoankevitra tsotra nefa mahitsy be toy izany dia ho tonga amin'izany

Tao anatinà antsafa  iray natao ho an'ny mpanao gazety, nilaza i Zhong fa nisangisangy fotsiny izy. Nanampy [4] koa izy fa tokony ho voaaron'ny fahalalahana maneho hevitra ny fanehoankeviny “tsy misy atahorana”  :

Ny tena marina, tsy manenina be loatra aho. Tsapako hoe resaka fahalalahana maneho hevitra ilay izy, ary manana zo hiteny ny fomba fijery toy izany isika

Tao aminà lahatsoratra iray tanaty Facebook, niaiky [5] i Shanmugam fa nisangisangy fotsiny i Zhong :

Rehefa nilazàna momba izany aho, dia nihomehy- ilay teny somary tafahoatra nataona tovolahy iray

Nolazaina ahy avy eo ny sasantsasany tamin'ireo lasa niainany sy ny amin'ny mety hisian'ny fanadihadiana azy hahafahana mamantatra mazava fa tsy hanao na inona na inona izy raha ny marina.

Azoko tsara ny ahiahin'ny polisy. Afaka mihomehy amin'ireo fanehoankevitra ireo aho, saingy azo takarina tsara, tsy toy izay ny polisy.

Manahy bebe kokoa aho momba ireo fanehoankevitra ampahibemaso nataony, ao amin'ny FB, momba ny fihetsiny manoloana zava-mahadomelina. Manantena aho fa tsy handeha lavidavitra  hanandrana rongony izy, na inona na inona fiheverany ny zava-mahadomelina ho mahasarika.

Nijanona teo amin'ny fehezanteny farany tamin'ny lahatsoratra nataon'ilay ministra ireo mpitsikera, izay miresaka momba ny fandraisana rongony. Ny sasany niampanga [6] ilay minisitra ho manao fampitahorana an'i Zhong:

Shanmugan no iray amin'ireo olona matanjaka indrindra ao Singapaoro ary zazalahy 20 taona no resahana eto

Tena fampitahorana tsotra izao ilay izy ary tokony ho menatra i Shanmugam. Amin'ny fo tsy miangatra, tsy azo antoka ny hanimbàny ny fiainan'ilay zalahy ity noho izy tsy mahatanty vazivazy.

Halako ny mpihetraketraka

— Kevin McSpadden (@kevinmcspadden)  27 Marsa, 2019 [7]

The Alternative View, pejy Facebook iray ara-politika sy ara-sosialy, no nanoratra hoe : [8]

Tsy hitako izay ilàny mampiantso sy manao sarintsarin-teny tsy voamarina momba ny toetran'ilay tovolahy amin'ny alalan'ireo lahatsoratra vitsivitsy navoakany mikasika ny zava-mahadomelina

Saingy ny zavamisy hoe nanao izany izy ary naverimberiny aza ny anaran'ilay tovolahy tao amin'ny lahatsorany dia mampiseho ny toetran'izy tenany manokana.

Ny sasany aza niaro ny polisy, tamin'ny fanamafisana fa nanatanteraka baiko fotsiny ihany ilay sampan-draharaha, ary ny hafa kosa nampahatsiahy an'i Zhong sy ireo mpampiasa filazam-baovao sosialy hafa handray andraikitra amin'ny lahatsoratra avoakany. Saingy maro ireo mpampiasa aterineto no nanontany [9] ny maha-mitombina ny fanadihadian'ny polisy, ary nisy ireo sasany niantso ilay valintenin'ny polisy ho henjana loatra [10].

Nametraka fanontaniana maromaro [11] ho setrin'ny zava-nitranga ny “The Online Citizen”, vohikala vaovao, tamin'ny fanamarihana fa ho mpisavalàlana hametraka sazy henjana ho an'ny tranga ho avy izany :

Raha jerena ity trangan-javatra vao niseho tsy ela ity, mety hanontany tena ireo vahoaka ao Singapaoro hoe, amin'ny ho avy, ny fanamarihana mitovy amin'izany atao an'ireo olom-panjakana dia afaka hanamarina ny fihetsika sy ny fiampangana mavesatra nataon'ny SPF [Singapore Police Force] .

Moa ve ny zavatra tsy dia misy dikany toy ny fanehoankevitra “tsy manan-tsiny” natao tamin'ny famoaham-baovao sosialy toy izany mila aseho amin'ny alalan'ny famotorana atao ampahibemaso ampiasàna ny SPF ho endrika fiarovana, na mpiambina manokana ny tena, mba hampitahorana ny hafa tsy hanao toy izany?

Mivaky toy izao manaraka izao ny heloka fehezin'ilay fehezandalàna famaizana araka ny andininy faha 267C [12] nampitahoran'ny polisy hanenjehana an'i Zhong :

Na iza na iza……manao na mampita hafatra elektronika misy famporisihana ho amin'ny herisetra na torohevitra hanao tsy fankatoavana ny lalàna na koa amin'ny lamina apetraky ny lalàna ataon'ny mpiasam-panjakana na mety hitarika any amin'ny fanakorontanana ny fandriampahalemana dia ho saziana am-ponja mandritra ny fe-potoana mety haharitra hatramin'ny 5 taona, na handoa lamandy, na izy roa miaraka

Raha toa ilay fanehoankevitr'i Zhong noteniteneniny fahatany mikasika ny faniriany hitoraka atody amin'ny minisitra ka raisina amin'ny famaritana sy ny sazy mifanaraka amin'izay voalaza etsy ambony, inona koa ireo karazana hafatra an-tserasera hafa mety ho voasazy mitovy lenta amin’ izany ?