Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

20 Mey 2019

Tantara tamin'ny 20 Mey 2019

Nahatonga fanadihadian'ny polisy ilay fanehoankevitra tanaty Facebook mikasika ilay fitorahana atody ny minisitr'i Singapaoro

GV Mpisolovava

"Ny tena marina, tsy manenina be loatra aho. Tsapako hoe resaka fahalalahana maneho hevitra ilay izy, ary manana zo hiteny ny fomba fijery toy izany isika"

Edward Snowden, ampamoaka 365 andro

GV Mpisolovava

Nanomboka ny 5 Jona 2013, betsaka ireo ampamoaka momba ny fanarahamaso erantany. Indro ny fitetezana ny sasany amin'ireo zavatra tena manandanja fantatray avy amin'ny ampamoaka nataon'i Snowden.

Mampiroborobo ny fitoviana i Trinidad & Tobago, kanefa tsy afa-miala amin'ny resaka firazanana matetika ireo mpanao politika

Nisy ny fandraketam-peo tamin'ny vehivavy iray antsoina hoe Nalini Ramai nivezivezy nanerana ny media sosialy Trinidad sy Tobago. Tao anatin'ilay fandraketam-peo, re mitaraina amin'ny mpamatsy fahitalavitra an-tariby i Ramai. Nanao izay vitany ilay solontenan'ny tolotra ho an'ny mpanjifa mba hampitony azy, saingy nanohitra i Ramai ary nahavita nanao fanambarana fanavakavahana.

Breziliàna nidina an-dalambe nanerana ny firenena mba hanohitra ny fampihenan'i Bolsonaro ny tetibola ho an'ny fampianarana ho an'ny daholobe

Avy any São Paulo hatrany Amazon, an'aliny maro ireo Breziliàana nivoaka ny tranony tamin'ny 15 May mba hiaro ny fanabeazana ho an'ny daholobe.

Meksika: voalaza fa maty ireo mpianatra tsy hita popoka tao Ayotzinapa, nipoaka ny hatezerana teny an-dalambe

Nanambara i Jesus Murillo Karam fa maty teo ambaanin'ny fibabohan'ireo mpikambana miisa telo avy amin'ny andian-jiolahy ireo mpianatra tsy hita. Saingy tsy fantatra ny razana ary namerina ny teniny ireo Meksikana, Ya me canse (reraka aho), mba hanehoana ny hatezeran'izy ireo.

Mamoaka lahatsoratra ho fanandrata-teny

GV Mpisolovava

Faly izahay mamoaka ny Advocacy 2.0 Guide: Cross-posting ho an'ny Advocacy, Fampahafantarana ny Fampidirana Mahomby ny Media Sosialy. Manolotra fampidiran-dresaka fohy mikasika ny fomba fampiasana ny famoahana iarahana ho an'ny fanentanana antserasera momba ny fiarovana ity torolàlana ity.

Nihaona manokana izahay mialoha ny Vovonana

Tao anatin'ny telo andro mialoha ny nanombohan'ny Vovonana Global Voices 2012, manodidina ny 160 ireo mpanoratra, toniandahatsoratra, mpandika teny sy ny hafa izay mandray anjara amin'ny fanodinana ny Global Voices isan'andro no nanao fivoriana anatiny manokana.

Atrikasa Advox: Roger Dingledine miresaka momba ny Tor sy ny fanoherana ny sakana

GV Mpisolovava

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2008) Topi-maso fohy momba ny tambajotra Tor sy ny rafitra fanoherana ny sakana ao aminy  Ahoana ny hevitsika momba ny rindrin'afon'ny governemanta, ny fomba fiasan'ny fandinganana ataontsika, ary aiza ho aiza ny misy azy hatramin'izao. Ary raha mety dia resahina ny fomba hitrandrahana tsara kokoa...