- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Ireo Feo Ho An'ny Fiovaovàn'ny Toetrandro’ ao Jamaika, mozika no fitaovany hanelezana ny hafany

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Tontolo_iainana, Vaovao Tsara
[1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube “Fanabeazana Feo Ho An'ny Fiovaovàn'ny Toetrandro– Fanentanana 2019″, navoakan'i Panos Caribbean. Nanomboka fanentanana haharitra valo volana ao an-toerana ilay fikambanana, atao any aminà faritra efatra manerana an'i Jamaika : Rocky Point sy Lionel Town  ao amin'ny paroasin'i Clarendon, Ridge Red Bank ao St. Elizabeth sy White River ao St Ann..

Avy any amin'ny reggae sy ny mozika fandihizana, ka hatramin'ireo feonkira famantarana milaza ny mahatsara izao rehetra izao, savony fanasàna lamba hatramin'ny sakafo tonga dia vonona, ny fomba haingana indrindra handonana ny fon'ny Jamaikàna iray dia ny mozika — nahatonga ny Panos Caribbean, fikambanana iray tsy miankina amin'ny fanjakana tena mpampiasa be ny media, haka ny mozika ho fomba iray hampitàny ny hafany momba ny tontolo iainana. Vitan'ilay fikambanana tsara mihitsy ny mizara ireo torohay tena ilaina mankany amin'ny daholobe amin'ny alàlan'ilay tetikasany Voices for Climate Change [2] (Feo Ho  An'ny Fiovaovan'ny Toetrandro).

Niakatra avo sy nazava ireny feo ireny nandritra ilay vovonana manantantara an'ny Firenena Mikambana natao tao Parisy (COP21) [3] tamin'ny 2015. Nanambatra ny heriny tamin'ny an'ireo hafa mpiangaly mozika ilay Jamaikàna mpihira sady mpanoratra no mpandridra Aaron Silk [4] — isan'ireny ilay mpanakanto avy any Bélize, Adrian Martinez — mba hiaro ilay tolona hamerana ny fiakaran'ny hafanana erantany ho 1,5° .

Tena goavana ny hafatra tanaty mozika nanohana ny toerana noraisin'i [5]reo firenena nosy madinika andalam-pandrosoana [6], ary nitondra fiantraikany tamin'ireo hetaheta noraketina tao anatin'ny tahirinkevitra farany tamin'ny COP21.

Taona maro taty aoriana, mitohy manako hatrany ao Karaiba atsinanana ny hafatry ny “1,5” [7], toerana nampivadian'ireo mpihira ny tenin'ilay poeta avy ao Ste Lucie, Kendel Hippolyte [8] tamin'ny tononkiran-dry zareo mba hiantohana ny fahatongavan'ny hafatra any amin'izay andefasana azy.

Mpanakanto ao an-toerana, Sammy Junior, avy any Rocky Point, Clarendon (faritra iray iharan'ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina sy ny fihotsahan'ny faritra amorontsiraka) tao amin'ny atrikasa iray momba ireo Fandefasana Hafatra momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro natao tao Jamaika tamin'ny 14 Martsa 2016, Sary: Emma Lewis, fampiasàna nahazoana alàlana.

Mbola tena maika lavitra noho izay nisy tany amin'ny efatra taona lasa ny famahàna ny olana ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro amin'izao 2019 izao, ary ao Jamaika, ireo mponina any ambanivohitra, na tantsaha izy na mpanjono, dia samy malina manoloana ilay antso fanairana. Nifamory tany aminà faritra samihafa tao Jamaika ireo mpanakanto, mpianatra ary mpikambana anaty vondrompiarahamonina — Kingston, Lionel Town, Ridge Red Bank ary White River — nandritra ireo andro efatra nanaovana atrikasa tamin'ny volana Martsa sy Aprily. Tao izy ireo no nanamafy ny fahaizamanao sy nianatra ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro. Nipoitra ireo tononkira matanjaka, nitosaka ireo hevitra sy nitondra fahafantarana ny zavamisy eny an-kianja ireo fivoahana an-kijàna :

Mama Earth she a bawl
Deep inna di forest weh di trees dem a fall
Look pan di reef, see di fish dem small,
Give dem little time, mek dem grow big and tall.

Mitaraina ilay Tany-Reny
Any anaty ala izay idarabohan'ireo hazo
Jereo ny harambato, tazano ireo trondro tena bitika,
Mba omeo fotoana izy ireny, avelao ho ngeza sy vaventy

Mpanakanto tao Kingston, Clarendon sy Spanish Town miasa miaraka handrafitra tononkira tao amin'ilay atrikasa Fandefasana Hafatra momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro. Sary : Emma Lewis, fampiasàna nahazoana alàlana.

Niaraka tamin'ny nandefasan'ny Panos ilay hira iray vaovao manana loko Karaibiàna [9] ho an'ny Andron'ny Tany, feno hipoka ny fampisehoana nataon'ilay tarika jamaikàna ho anà kaonseritra tany an-tsekoly sy tanaty vondrompiarahamonina, tahaka ilay hetsika santatra Read Across Jamaica [10] (Vakiteny manerana an'i Jamaika) sy ireo fotoana fambolena hazo. Tena nilentika tany amin'ny fo ireo tononkira tahaka ireny, noventesina taminà gadona reggae tsy manampaharoa ary nolaroina hovitra mampandihy:

Maniry marfy dia mafy ny hiaina i Neny Natiora
Arakaraky ny handoroan'ireo ozinina no itomaniany.
Rahoviana isika vao hahatsapa, ka ho hendry?
Arakaraky ny hitsonehan'ireo ranomandry any an-tendrontany no hiakaran'ny ranomasina [bebe kokoa]