- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanafihana Anti-silamo mitarika fifandirana sy miteraka tahotra eo amin'ireo Sri Lankey misaona

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Voina, Zon'olombelona
[1]

Silamo mivavaka ao Sri Lanka. Sary avy amin'ny Humanitarian Reilef Foundation. CC BY-NC-ND 2.0 

Voalaza fa niteraka herisetra anti-silamo ny lahatsoratra Facebook navoakan'ilay mpivarotra silamo tao an-tanàna amorontsiraka antsoina hoe Chilaw [2], 80km miala an'i Colombo, renivohitra Sri Lanka tamin'ny 12 mey. Tao anatin'ny ora vitsy, nanomboka nanafika ny ankamaroan'ireo tranobe sy ny tranon'ireo Miozolomana tao amin'ny tanàna hafa ao amin'ny faritany Avaratra-Andrefana ny vahoaka. Ny 13 mey, trano teo amin'ny 500, fivarotana, masikiriny (moskea) sy foibe ara-pivavahana hafa no simba, olona ray no maty [3] ary folo hafa no naratra mafy. Nametraka [4] ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina  manerana ny firenena hatramin'ny 14 mey maraina ny manampahefana, tao anatin'ny tahotry ny fipariahan'ny fanafihana .

Nanakana [5]ny tambajotra media sosialy sy ny fampiharana fandefasan-kafatra ihany koa ny manampahefana, anisan'izany ny Facebook sy ny WhatsApp mba hifehezana ny toe-draharaha.

Mahavariana ny fiparitahan'ny herisetra anti-silamo ao Sri Lanka. Tahaka ireo andian-tantara efa nisy teo aloha tao amin'ny firenena, tsy misy na iray amin'izany aza no rotaka “organika” [tsy nisy fiomanana mialoha] fotsiny.

Nitranga taorian'ny fanafihana daroka baomba tamin'ireo fiangonana sy hotely nandritra ny fankalazana ny Paska izay namoizana olona 258 sy nanozongozona [9] ny firenena tamin'ny 21 aprily 2019 izany. Raha nipoitra ny antsipirihan'ireo tranga tamin'ny Paska [10], dia fantatra fa ireo antoko Islamika hiringiringy eo an-toerana ireo mpanafika ary maro tamin'izy ireo no maty tao anatin'ny famonoan-tena tamin'ny alalan'ny daroka baomba. Betsaka ireo nanahy [11] fa ny vondrom-piarahamonina Miozolomana eo an-toerana no lasibatra toy ny mpisolo vaika ny ankalana tamin'ny asa fampirohorohona nandritra ny herisetra naharitra zato taona [12] nataon'ny ankamaroan'ny Sinhala maro an'isa tamin'ireo Tamil, Silamo sy Kristianina vitsy an'isa.

Voalaza ho ny lahatsoratra tamin'ny Facebook no nahatonga ny fifandonana

Nanoritsoritra [13] i Tisaranee Gunasekara hoe ahoana no niatomboka tamin'ny lahatsoratra bilaogy ho any Groundwiews ny herisetra vao haingana:

Tisaranee Gunasekara describes [13] how the recent violence started in a blog post for Groundviews:

The outburst of anti-Muslim violence began on 12th Sunday in Chilaw (the inciting incident seemingly was a Facebook post by a Muslim trader with deficient English and a cavalier attitude towards punctuation; it was translated into Sinhala by a Sinhalese whose knowledge of English was even poorer). Within hours, the violence spread to other parts of the North Western Province and to Gampaha district. Undeterred by the curfew or the presence of the security forces, the mobs attacked and burnt, as they did in Digana in 2018, Aluthgama in 2014 and nationally during Black July.

As of now, the worse of the violence seems over. Even so, this is only a reprieve. If the perpetrators of this week’s riots are not brought before the law, fast, a new outburst is bound to follow.

Nanomboka tany Chilaw ny fipoahan'ny herisetra anti-silamo tamin'ny alahady faha-12 (mety noho ny hafatra navoakan'ilay mpivarotra Silamo tsy dia mahay teny Anglisy no nitarika ny loza; nadikan'ilay Sinhaley tamin'ny teny Sinhala izany izay mbola ratsy kokoa ny fahaizany teny Anglisy). Niparitaka tany amin'ny faritra hafa ao amin'ny Faritany Avaratra-Andrefana sy ny Distrikan'i Gampaha ny herisetra nandritra ny ora maro.Tsy nanaiky ny ho kivy tamin'ny fotoana tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina na ny fisian'ny mpitandro filamana, nanafika sy nandoro, toy ny nataony tany Digana tamin'ny taona 2018, tany Aluthgama tamin'ny taona 2014 ary tao amin'ny firenena nandritra ny Jolay mainty ny vahoaka.

Toa efa lasa ny herisetra ratsy indrindra manomboka izao. Na dia tamin'ity raharaha ity aza, dia toy ny mandalo ihany izany. Tsy azo ihodivirana ny korontana manaraka raha tsy entina eo ambanin'ny lalàna ireo nahavanon-doza tamin'ny korontana tamin'ity herinandro ity..

Nanambara ilay mpivarotra Silamo araka ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook hoe” Aza mihomehy intsony, indray andro any hitomany ianareo” [14], izay mety ho nahatonga ny olona hino fa fampitandremana ny fanafihana mananontanona izany.

Niparitaka tao amin'ny tambajotra media sosialy:ireo sary sy horonan-tsary misy ny fanankorotanana nataon'ny valifatin'ny vahoaka:

Topi-maso kely ny hoe ahoana ny fifohazan'ny Silamo any Sri Lanka amin'izao fotoana izao. Trano, masikiriny sy orinasa maro no simba.  #SriLanka [15] pic.twitter.com/UhEMUJzqiF   [16]

__Amarnath Amarasingam (@AmarAmarasingam) 14 may 2019 [17]

Nanafika fivarotana lehibe iray an'ny Silamo tany Sri Lanka omaly hariva ny andian'olona Bodista mahery fihetsika.#terrorism [18] pic.twitter.com/VrHNkda7Xe [19]

__ CJ Werleman (@cjwerleman) 14 may 2019 [20]

Androm-piainana sy asa mafy no lany hananganana ary fotoana tsindraindray handoroana izany rehetra izany… pic.twitter.com/gAt99xZGPD [21]

__ Zahrah Imtiaz (@Imtiaz88Zahrah) 14 may 2019 [22]

Nodoran'ny vahoaka ny orinasa lehibe indrindra mpamokatra paty ao #LKA [23], izay Silamo no tompony. Vao nanomboka volana maromaro lasa ny asa tao amin'ity orinasa ity. Maherin'ny 70 % ny mpiasa Sinhaley miasa ao. Nisy vavolombelona nilaza fa andian'olona 500  farafahakeliny no nandrava ny orinasa.#Minuwangoda [24] pic.twitter.com/0lMgFUYgXU [25]

__Usman Ali ?? (@usmanali_la)  14 may 2019 [26]

Mangataka firaisankina

Toa misy ny famantarana [27] fa ny vondrona Bodista mahery fihetsika no ao ambadik'ireny fanafihana anti-silamo ireny. Nisambotra olona 78 noahiahiana [28] tamin'ny herisetra sy ny korontana indrindra tany Kurunegala, Kuliyapitiya, Nikaweratiya ary Chilaw ny polisy. Araka ny voalazan'ny manampahefana, efa voafehy izao ny toe-draharaha [29].

Nanara-maso ny lahatsary CCTV [fanarahamaso] ny polisy mba hahitana ireo ahiahiana marobe tamin'ny korontana goavana nanjaka nandritra ny andro vitsy lasa.Olona 78 hatramin'izao no voasambotra sy naiditra am-ponja vonjimaika- Mpitondratenin'ny Polisy #LKA [23] #SriLanka [15] #CommunalAttacksLKA [30] pic.twitter.com/lOzeaCZzbp [31]

__Sri Lanka Tweet ?? (@SriLankaTweet) 15 may 2019 [32]

Nangataka [33] fandriampahalemana sy firaisankina tamin'ny Sri Lankey amin'izao fotoan-tsarotra izao i Gitendra E Chitty tao amin'ny Groundviews:

Sri Lanka must bring its communities together, no matter what race or creed. Because these attacks were not against Christians or tourists. These mobs were not against Muslims. They were against each and every one of us, and their damage to our mindsets and our morals and our sense of belonging is real – for Sinhalese, and Tamil, and Muslim, and Burgher, and every other ethnic and religious group.

Tokony hampiray ny fiarahamoniny i Sri Lanka, na inona na inona firazanany na fivavahany. Satria tsy nanohitra ny kristianina na ny mpizahantany ireny fanafihana ireny. Tsy nanohitra ny silamo ireny vahoaka ireny. Nanohitra ny tsirairay amintsika, ary tena misy ny fahavoazan'izy ireo tamin'ny toe-tsaintsika, ny fitondran-tenantsika ary ny fahatsapahana ny misy antsika- ho an'ny Sinhaley, ny Tamila, ny Miozolomana, ny Burgher ary ireo foko hafa sy vondrona fivavahana rehetra.

Nisioka ilay mpanao gazety Chathuri Dissanayake

Ny afon'ny fankahalàna tsy misy fivavahana tompony, mamotika ny zava-drehtra eny amin'ny lalany ny afo, Minuwangoda, Sri Lanka, 14 mey 2019 pic.twitter.com/0i9Hq2GXDt [34]

__Chathuri Dissanayake (@ChathsD) ny 14 may 2019 [35]

Manam-pahaizana momba ny teknolojiam-baovao, Afzal nilaza hoe:

Mampiray antsika eo ambanin'ny anarana iray Sri Lanka ny sainam-pirenentsika sy ny hiram-pirenentsika, raha mifamono ny vondrom-piarahamonintsika dia manadino fa mamotika ny rehetra iray manontolo izy ireo. Mifohaza ianareo ary jereo ny dikan'ny hoe iray!#SriLanka [15] pic.twitter.com/HtBCwZAdAV [36]

__Afzal (@TonyStarkLK) ny 15 may 2019 [37]