- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika: Mampihontsona ny fahalalahan'ny gazety ve ny herin'ny Shinoa?

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2008)

Nandefa tafatafa [1]niarahana tamin'ny filohan'ny Reporters Sans Frontieres, Leonard Vincent maneho hevitra momba ny fihenan'ny fahalalahan'ny gazety ao Afirika nandritra ny taona 2007 ny BBC.

Ugandan Insomniac [2] no voalohany niresaka momba izany:

Vincent’s response, in my opinion, was typical of the misunderstanding of African statehood, international affairs and democracy.

 Araka ny hevitro, manondro ny tsy fifankahazoana ny firenena Afrikana, ny raharaham-pirenena ary ny demokrasia ny valintenin'i Vincent.

Nitanisa ny sasany tamin'ny tafatafa izy, ary nanasongadina manokana ny ampahany hitany fa tsy laitran'ny vavony:

VINCENT: Two major factors for me is that first of all, is the fact that there is this sort of African pride in the culture, in the political culture, that has been renewed this year and more and more over the years makes it difficult for western countries to intervene in internal affairs of their former colonies.

VINCENT: Ny antony roa lehibe ho ahy dia voalohany indrindra, ny zava-misy fa misy izany karazam-pireharehana Afrikana eo amin'ny kolontsaina, eo amin'ny kolontsaina ara-politika, izay navaozina tamin'ity taona ity ary mihamitombo hatrany hatrany mandritra ny taona maro ka lasa sarotra ho an'ny firenena tandrefana ny hitsabaka amin'ny raharaha anatin'ireo zanataniny taloha.

Mandritra izany, AfricaFlack [3] nanome fijery hafa:

RSF Secretary-General Robert Menard knows the cure. The leaders of the so-called league of democracies and international institutions must stand up for common values. One underlying reason for this reluctance – at least for the “democracies” – is business, Menard argues. Who wants to offend China’s leaders about imprisoning cyber journalists when their market is so big? Who wants to offend Russian President Vladimir Putin when oil is so important?

Mahafantatra ny fanasitranana i Robert Menard, sekretera jeneralin'ny RSF. Tokony hitsangana ho an'ny soatoavina iombonana ireo lazaina fa mpitarika ny demaokrasia sy ireo andrim-panjakana iraisampirenena. Ny antony iray lehibe mahatonga izany fihenana izany – farafaharatsiny ho an'ny “demaokrasia” – dia ny fandraharahana, hoy i Menard. Iza no te hampahatezitra ireo mpitarika an'i Shina momba ny fanagadrana mpanao gazety an-tserasera rehefa lehibe loatra ny tsenany? Iza no te hampahatezitra ny filoha Rosiana Vladimir Putin rehefa tena zava-dehibe ny solika?

Let’s get back to Africa and its dark year of 2007. One reason so many African countries became so brazen in their repression of the media: the rise of Chinese power on the continent along with the corresponding loss of legitimacy of the continent’s former colonial powers.

Andao hiverina any Afrika sy ny taonany maizina tamin'ny taona 2007. Ny antony iray nahatonga ny firenena Afrikana maro nampihatra ny famoretana ny haino aman-jery: ny fiakaran'ny herin'ny Shinoa teo amin'ny kaontinanta sy ny fahaverezan'ny maha ara-dalàna ireo fahefana mpanjanaka teo aloha tao amin'ny kaontinanta.

Miverina amin'ny bilaogin'ny Insomniac, nipoaka ny vazivazy sy ny fanehoan-kevitra. [2]

@God: Why did you make the West? Why, why, why, why? Why did you make them people who turn I into an incoherent burn-dem-downer? (27th Comrade [4])

@God: Nahoana ianao no nanao ny Tandrefana? Nahoana, nahoana, nahoana? Nahoana ianao no nahatonga azy ireo ho vahoaka izaho ho dory any ireo? (27th Comrade [4])

The voyeuristic nature of western media thrives when there is trouble in nations they consider to be less civilized than their own. It reinforces their opinion that they are somehow superior to these rabid uncultured people babbling in some weird sounding language that they will never learn. (imnxtac)

Mitombo ny endrika fitiava-mitsikilo eo amin'ny media tandrefana rehefa misy korontana any amin'ireo firenena izay heveriny fa tsy dia mandroso loatra tsy tahaka ny azy ireo manokana. Manamafy ny hevitr'izy ireo fa somary ambony kokoa izy ireo amin'ireo olona romotra tsy mahalala fomba izay mibadabada amin'ny fiteny somary hafahafa izay tsy hianaran'izy ireo mihitsy. (Imnxtac)

Vincent is saying it wrong, especially up there about African pride. He also thinks wrong, putting the blame on China for instance. Even in countries where Western governments are all over the place the same thing does happen. It’s a matter of who is playing who. Eg, while Rwanda has been putting off France, they’ve been dancing with American and British money. But the media in Rwanda is one of the most repressed in the Great Lakes region, and it is only a few years from now that RWB of this world will be noticing. (Minty [5])

Milaza zavatra ratsy i Vincent, indrindra fa mikasika ny rehareha Afrikana. Heveriny fa ratsy ihany koa ny manome tsiny an'i Shina ohatra. Na dia any amin'ny firenena ahitana ireo governemanta tandrefana ho ambony toerana aza, dia mitranga ny toy izany. Raharahan'ny hoe iza no milalao an'iza izy ity. Ohatra, raha nitsipaka an'i Frantsa i Rwanda, dia nandihy niaraka tamin'ny vola amerikana sy britanika izy ireo. Saingy iray amin'ireo iharan'ny famoretana indrindra ao amin'ny faritra Farihy Lehibe ny haino aman-jery any Roandà, ary taona vitsy monja hatramin'izao no nanamarika izany ny RSF eto amin'izao tontolo izao. (Minty [5])

I think the biggest flaw of places like Reporters Without Borders is they don’t take into consideration the difficulty of local media to operate within their own countries.

IGG anyone?? (Scarlett Lion [6])

Heveriko fa ny fahabangana lehibe ao amin'ny tahaka ny Reporters Sans Frontieres dia ny tsy iraharahiany ny fahasahiranan'ny haino aman-jery ao an-toerana hiasa ao amin'ny fireneny manokana .

Miteraka hevitra marobe hatrany ny fifanakalozan-dresaka momba ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao – ary indrindra indrindra izay taterina momba an'i Afrika – na dia tsy mampino aza fa hamaly ireo feo manerana ny tontolon'ny blaogy ny RSF.