Moldavia: fakàna an-keriny ireo solosaina manokan'ireo tanora 12 noho ny fandefasana tsikera antserasera

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2008)

Tamin'ny 4 Jona 2008, nandidy ny fandraofana ireo ordinatera manokan'ireo tanora 12 izay naneho hevitra mitsikera ny antoko komonistan'ny fitondrana ao amin'ny Repoblika Moldavia tao amin'ny sehatra fifandraisana amin'ny aterineto sy ny vavahadim-baovao toy ny forum.md, torrentsmd.com, desteptarea.info sy ny unimedia.md ny Fitsarana ao amin'ny Distrikan'i Râşcani ao an-drenivohitra Kishinev.

Araka ny filazan'ny Curaj.Net, azo ampangaina ho nanao fihetsika tsy ara-dalàna “mitaky ny fanonganana ny lamina ara-dalàmpanorenana” sy mandrahona ny “ statality sy ny fiandrianan'ny faritra ao amin'ny Repoblika Moldavia” ireo mpianatra ireo.

“Mino izahay fa ny orinasan'ny Teknolojiam-baovao Moldaviana no nanome ny adiresy IP an'ireo mpiseraserany,” hoy ny tale mpanatanteraka ao amin'ny New Media Group, Dumitru Ciorici, rehefa nanontaniana momba ny fomba nahitan'ny polisy ireo tanora ireo. “Raha ny lalàna, dia tsy manan-jo hanao izany izy ireo satria fahafahana maneho hevitra izany ary lasa fampihorohoroana ny olom-pirenena ireo fihetsika ireo. Ankehitriny, matahotra mafy sy tsy te-hiresaka intsony ireo tanora ireo.”

Nahazo ny kopian'ny fanambarana an-gazety ny Global Voices Advocacy, izay mitondra ny lohateny hoe “Manivana ny ATERINETO ny fitantanana  komonista avy ao Kishinev” navoakan'ny New Media Group Moldaviana tamin'ny 11 Jona 2008 ary nanambara fa:

on April 15, 2008 New Media Group received a demarche of the General Prosecutor of the Republic of Moldova, in the investigative case nr. 160, started on 15.01.2008, where UNIMEDIA is forced offering IP address of commentators from the news portal forum www.unimedia.md to the Security and Information Service of Moldova.

On April 21 2008, New Media Group responded officially to the Security and Information Service and General Prosecutor with a letter, which states that NMG does not have the IP addresses of commentators on this site www.unimedia.md for the period January 20 – 14 April 2008 because, in accordance with a previous decision of the Governing Board of NMG from January 22, 2008, the IP addresses of commentators are not stored more than 10 days. After this period they are automatically deleted from the database.

In this sense, New Media Group believes that the appreciation of the Court that the young people have place commentaries on UNIMEDIA is erroneous and lacks legal, since there is no evidence, which would submit the statement that from those IP addresses of these young people were published comments on UNIMEDIA. At the same time, we find that the conclusion of the Court affects the company's image and intimidates UNIMEDIA’s visitors.

tamin'ny 15 Avrily 2008, nahazo ny lalan-kevitry ny Lehiben'ny Fampanoavana ao amin'ny Repoblikan'i Moldavia ny New Media Group, mikasika ny raharaha famotopotorana laharana faha-160, nanomboka tamin'ny 15 Janoary 2008, izay nonerena ny UNIMEDIA mba hanolotra ny adiresy IP an'ireo mpaneho hevitra ao amin'ny forum vavahadim-bavao www.unimedia.md any amin'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana sy ny Fampahalalam-baovao ao Moldavia.

Ny 21 Aprily 2008, namaly tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny taratasy nalefa tany amin'ny Sampan-draharaha misahana ny Fiarovana sy ny Fampahalalam-baovao ary ny Lehiben'ny fampanoavana ny New Media Group (NMG) fa tsy manana adiresy IP an'ireo mpaneho hevitra tamin'ity tranonkala www.unimedia.md ity ny NMG nandritra ny 20 – 14 Janoary Avrily 2008 satria, araka ny fanapaha-kevitra teo aloha nataon'ny Birao Fitantanana ny NMG tamin'ny 22 janoary 2008, dia tsy tehirizina mihoatra ny 10 andro ny adiresy IP an'ireo mpaneho hevitra. Aorian'io fotoana io, dia voafafa ho azy ao amin'ny tobin'ny lahatahiry ireo adiresy IP.

Amin'izany, mino ny New Media Group fa diso sy tsy ara-dalàna ny faneken'ny Fitsarana fa nametraka fanehoan-kevitra tao amin'ny UNIMEDIA ireo tanora ireo, satria tsy misy porofo, izay mametraka ny fanambarana fa avy amin'ireo adiresy IP an'ireo tanora ireo no namoahana ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny UNIMEDIA. Mandritra izany fotoana izany dia hitantsika fa misy fiantraikany amin'ny endriky ny orinasa ny fehin-kevitry ny Fitsarana ary mampitahotra ireo mpitsidika ny UNIMEDIA.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.