- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Hong Kong, miteraka fifandirankevitra ny ambadika ara-nofon'ny dokambarotra gilasy tofu an'i Ikea

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Fiteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
[1]

Fanentanana an-tserasera #tia izahay mifampitantana sy mankahala mihinana tofu. Sary avy amin'i Scholars Alliance for Sexual and Gender Diversity's facebook page [2].

Niteraka fifanoheran-kevitra tamin'ny media sosialy ny dokambarotra an-tserasera momba ny gilasy tofu navoakan'ny orinasam-panaka soedoà Ikea tao Hong Kong.

Mivaky toy izao ny doka amin'ny teny anglisy nivoaka tamin'ny 3 mey: “Afa-mihinana ny tofu-ko ianao na oviana na oviana itiavanao izany”. Ao amin'ny media sosialy, misy naoty mipaingotra aminy: “Afa-mihinana ianareo ry zalahy, fa aoka ianao mba ho mahafinaritra.” Amin'ny tenin-jatovo Kantoney, midika ho mahazo tombony ara-piraisana ara-nofo avy amin'ny vehivavy iray amin'ny alalan'ny fanelingelenana ara-batana sy ara-teny izany “mihinana ny tofu-n'olona iray” (食豆腐) izany.

Ho valin'izany, nangataka tamin'ny orinasa hanaisotra ny doka ny vondrona feminista mpikatroka Rariny Miralenta sy ara-nofo Mikatroka sady notsikerainy [3] tao amin'ny Facebook ny fironana ara-pananahana ao ambadika:

…營造出一種女性嬌羞期待自己身體被「吃豆腐」的效果。而心領神會的大眾不論男女則爭相配合這一語境,表達對「吃豆腐」的躍躍欲試、急不及待。
性別化的信號釋放與對該信號的回應,便構成了一次符號的強化,女性的身體作為隨時可以侵犯甚至期待著被侵犯的對象,這一概念就這樣以看似毫不相關的「雪糕廣告」或者「笑話一則」的方式反覆被強化。

Aposak'ilay [doka] sary an-tsaina ny vehivavy iray maniry ny ihinanana ny tenany tahaka ny tofu. Takatry ny olona ny dikany ary asehony ny fandrisihany ny “ihinanana ny tofu-n'olona iray”. Navoaka ilay fanonona ara-pananahana ka nahazo valiny izay manamafy ny fifandraisana ara-nofo efa nisy. Mbola mametraka indray ny vatan'ny vehivavy ho zavatra azon'ny lehilahy hositrahana indray ny dokambarotra gilasy.

Nahazo fanamarihana be dia be ny fanehoan-kevitry ny vondrona feminista fa hoe misaina lalina loatra ka lasa mamono ilay kivazivazy. Tsy nanaiky ny hanaisotra ilay doka ihany koa ilay orinasam-panaovana fanaka ary namaly [4] ilay vondrona:

We have been working hard to communicate in a playful yet positive manner, so our customers may better understand our offers. The latest Tofu-flavored Sundae promotional post “speaks” for itself to emphasize the silky taste.

Efa niasa mafy izahay hifandray amin'ny fomba miabo tanteraka, mba hahatakatra tsara kokoa ny tolotra ataonay ny mpanjifa anay. Efa “miteny” ho azy mba hampisongadina ny tsiro beronono ny fampahafantarana ny tofu amin'ny endrika Sundae.

Mirona kokoa any amin'ny Ikea ny ankamaroan'ireo feo antserasera ary misongadina ihany koa ireo feo tsy mitsitsy ilay vondrona feminista. Mahatsiaro ho sadaikatra lalina amin'ny fahitana ireo setriny antserasera, nametraka fitoriana ofisialy iraisana [5] tany amin'ny Vaomieran'ny Mira Fidanadanana (opportunités), tamin'ny 9 mey 2019 teo, ny fikambanana fiarahamonim-pirenena miisa 20. Notakian'ny taratasy iraisana ny mba hanadihadian'ny vaomiera ilay toe-javatra:

While the popular furniture brand regards sexual harassment as a joke in its promotional materials, it encourages people not to regard sexual harassment as a serious problem, creating a hostile environment and making it harder for the victims to speak up.

Raha mahita ny fanohintohinana ara-nofo ho vazivazy ny marika mpanao fanaka malaza amin'ny fampahafantarana ny fitaovany, dia mandrisika ny olona tsy hijery ny fanohintohinana ara-nofo ho olana lehibe izany, ka miteraka tontolo vinitra sy mahatonga ny lasibatra ho sahirana kokoa raha hiteny.

Ao amin'ireo media sosialy lohalaharana, misy vondrona fiarahamonim-pirenena iray hafa, Fiarahan-dian'ny mpampianatra ambony manohana ny fimaroana ara-pananahana sy ara-panondroana lahivavy, namoaka fanentanana antserasera #tia izahay mifampitantana sy mankahala mihinana tofu [6].

Antsoin'ny fanentanana ireo mpinamana na mpifankatia samy lahy na samy vavy hamoaka sarin'izy ireo mihinana gilasy sady mifampitantana. Kendren'ny fanentanana ny hanandratra kolontsain-dokambarotra akaiky ny LGBT sady haneho tsy fankatoavana ny dokambarotra tofu an'i Ikea.