Fampianarana ny fiteny Swahili ho an'ny mpandray anjara ny fihaonambe

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2012)

Mambo, rafiki yangu!*

Nanokana ireo andro farany vitsivitsy tamin'ny fanomanana ity fanomezana tsy nampoizina kely ity ny ekipa vitsivitsy avy amin'ny mpanoratra sy ny toniandahatsoratra tato amin'ny Global Voices nandritra ny Vovonana Global Voices 2012 : Torolalana teny Swahili ho an'ny Mpandray Anjara tamin'ny Vovonana- izay nantenainay fa nanampy ireo mpandray anjara tamin'ny fampahafantarana ny fiteny Swahili, nanaitra ny fahalianan'izy ireo ho an'ity fiteny mampitolagaga ity ary mba ho fitaovana mahasoa nilaina rehefa nitsidika an'i Nairobi sy ny faritra manodidina.

Ankoatra ireo mahazatra

Tsy toy ny torolàlana ho an'ny mpizahantany anefa izany fa ho hitanao ato anatin'ity dosie ity ny teny sy ny fomba fiteny ampiasain'ny fampitam-baovaon'ny olom-pirenena sasany mba hizaranao ny teny ampiasaina amin'ny bilaogy Swahili.

Niarahan'i Deogratias, Njeri, Ndesanjo, Ika, Christian, Collins, Thalia ary Luis Henrique namolavola ny Torolalana .

Atontao pirinty na trohy ho ao anaty ny fitaovana ampiasainao izany. Mety tsara ho an'ny fialambolinao mandritra ny sidina izany !

Kwa heri ** . Mandra-pihaona!

*Manahoana ry namako.
**Veloma

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.