- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torkia: Nosakanana ny Dailymotion

Sokajy: Tiorkia, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2008)

Nosakanana tany Torkia tamin'ny 2 Aogositra 2008 ny fidirana ao amin'ny tranonkala fizarana lahatsary frantsay Dailymotion.com [1]. Araka ny filazan'ny Erkan Saka [2], bilaogera monina any Istanbul, “tsy nisy fanazavana ny fanapahan-kevitra handràra ny tranonkala.”

Ity no tranga faharoa tamin'ny fanakanana tranonkala fizarana lahatsary malaza tany Torkia. Nosakanana [3] matetika [4] ny Youtube noho ny lahatsary heverina fa manevateva ny ray mpanorina ny firenena, Kemal Ataturk.

Nitranga tany Tonizia [5] ihany koa ny tranga tahaka izany izay samy tsy azo nidirana ireo tranonkala roa fizarana lahatsary, [6]Dailymotion sy Youtube. [6]