- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Eo am-pitendrena i Torkia…. ny vehivavy sy ny fiainana andavanandro sy resaka hafa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Tongasoa indray eto amin'ny tontolon'ny bilaogy Torkia! (na ny fizarana kely amin'izany…)

Tamin'ity herinandro ity i Phanja avy ao amin'ny The Need to Know nanoratra momba ny fiovana tanteraka amin'ny fomba fijerin'ny antoko momba ny zom-pirenena Tiorka. Nanambara i Recep Tayyip Erdogan vao haingana fa “Olom-pirenen'ny repoblikan'i Torkia avokoa isika eo ambanin'izany famantarana ambony izany… Na izany aza, manana “zana-maripanondroana ny Tiorka rehetra”. Fanovana fomba fijery lehibe izany, araka ny fomba fijery nentin-drazana ara-politika, ny famantarana Tiorka no hany famantarana ao amin'ny Repoblikan'i Torkia, ary mitsikera mafy ny governemanta am-perinasa noho izany fanambarana manokana izany ireo nasionalista hiringiriny. Noresahana tamin'ny fanampin’ ny “Eo am-pitendrena i Torkia” tamin'ny herinandro lasa tao amin'ny Global Voices [1] ihany koa izany lohahevitra izany ary mino aho tsy ity no farany handrenesana momba izany.

Tamin'ity herinandro ity ihany koa i Talking Turkey namoaka lahatsoratra momba ny rafitra Akimbo [2]izay tolotra angatahana manome fandaharana Tiorka any amin'ny kaontinanta Amerikana Avaratra ary koa nanoratra fisaorana ho an'ny Global Voices noho ny fitantarana ny tranokalany [3]. Mahasoava ry Metin!

Mustafa Akyol avy ao amin'ny The White Path nandefa rohy mankany amin'ny lahatsorany “Under God or Darwin” [4] izay navoaka voalohany tao amin'ny National Review Online [5].

Amerikan Turk nandefa lahatsoratra momba ny Tilikambo avo dia avo Dubai natolotra any Istanbul [6] ary rohy mankany amin'ny Kanun namidiny izay namboarin'ny rainy [7]. Raha tsy fantatrao ny atao hoe Kanun [8], dia jereo azafady ny lahatsorany ary hahita lahatsary misy ny iray lalaovina ianao (mahafinaritra izany).

Sahirankirana i Erkan avy ao amin'ny Erkan's Field Diary tamin'ity herinandro ity satria tany Washington DC namonjy fihaonambe [9], nomena ny lohateny hoe “Ny fomba nanovan'ny dingana mankany amin'ny fidirana Vondrona Eoropeana ny fifanarahana sy ny ezaka nataon'ny firenena-fanjakana Tiorka”, [10] sady manome antsika topi-maso momba ny fikarohana nataony, ary raha manam-bintana, dia mety handefa ny ampahany amin'ny famelabelarana nataony ho tombontsoan'ny mpamakiny isan-kerinanandro izy. Na dia feno aza ny fandaharam-potoanany, dia mbola afaka nandefa vaovao sy rohy momba ny fihaonambe momba ny horohoro tany Ankara [11], ary manome antsika sary vitsivitsy sy fanehoan-kevitra tamin'ny lalao baolina fandaka vao haingana nifanaovan'i Fenerbahce sy Galatasaray  [12](Fenerbahce no nandresy tamin'izany).

Turkish Torque mitantara indray ny sarinady tamin'ity herinandro ity, ireto ny songadina vitsivitsy : Anarambolana amin'ny taona amin'ny tenim-paritra Gagavuz [13], Tiorka Ortodoksa Kristiana niparitaka teo amin'i Romania, Okraina, Bolgaria sy Torkia ny Gagavuz; dika ho amin'ny teny anglisy ny poezian'i Necati Cumali [14]; ary rohy mankany amin'ny fanadihadiana momba ny politikan'ny Oniversiten'i Princeton Hatramin'ny “Tafio-drivotry ny tanihay” ka hatramin'ny “tafio-drivotra metaly”: Ahoana no nanimban'i Iraka ny fifandraisana Torkia-Etazonia [15]“. Misy ihany koa lahatsoratra iray mahaliana mizara 3 miresaka sary natonta tao amin'ny gazety Hurriyet izay nampiseho ny vadin'ny minisitry ny Fitaterana AKP, Binali Yildirim, [16]Semiha Hanim (manao  hijab), nipetraka irery [16] eo ankilan'ny latabatry ny lehilahy ahitana ny vadiny nipetraka nisakafo. Niteraka savorovoro izany satria mampiseho mazava ny fikasana kely hitady fanamaoderina fiainana. Namoaka fanambarana  [17]i Semiha Yildirim fa safidiny manokana ny hipetra-drery ary nasaina izy hipetraka teo amin'ilay latabatra. Manontany i Torque hoe ahoana marina no ahafahan'ny vehivavy mpandala ara-pivavahana ao Torkia ho lasa mahay sy ho lasa mpikambana malaza ao amin'ny fitondrana [18] raha tsy avela hianatra any amin'ny oniversite izy ireo satria manao voaly.

Metroblogging: Istanbul manoratra momba ny lala-mihantona (téléphérique) ho an'ny mpizahatany vaovao ao amin'ny distrikan'i Eyup Sultan [19], toerana mistika ao Istanbul.

Ary farany ho an'ny androany, ity misy zavatra vitsivitsy avy amin'i Mavi Boncuk: sary ara-tantara misy ireo vehivavy Turkmen [20], rohy mankany amin'ny zana-bilaogy vaovao mifantoka amin'ny sakafo Tastes of Mavi Boncuk [21], boky fanadihadiana momba ny “Mpanao mofomamin'ny Mpanjaka any Atsinanana” [22]nosoratan'i Friedrich Unger, Mpanao vatomamin'ny mpanjaka Otto I tao Gresy, ary famaritana ny Baba Himmet [23], aloka Tiorka milalao an'i Karagoz [24].

Fahitana mahaliana tamin'ny herinandro tamin'ny fikarohako tamin'ny alalan'ny tontolon'ny bilaogy Tiorka mivoatra hatrany:
1. Turcopundit [25], namoaka rohy mankany amin'ireo vaovao/lahatsoratra rehetra sns izay mikasika an'i Torkia amin'ny andro iray, araka ny azonao an-tsaina, mila asa be izany ary miharihary raha tsidihana ity tranonkala mahafinaritra ity.
2. Mitovy amin'ny tranonkala voalaza eto ambony ny Turkish Digest [26].