- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kenya: Misaotra an'i Annan sy ny ekipa fa hilamina ny firenena

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana febroary 2008)

Taorian'ny nanambaràna ny fifanarahanal [1], nafana fo be ny mpiantso iray tao amin'ny onjam-peo eo an-toerana ary nanasa an'i Kofi Annan sy ekipany mba “nyama choma” (hanao kitonotono hena), mpiantso iray hafa nanolotra labiera roa ho azy ary iray hafa nanambara fa anjely tsara indrindra nirahin'Andriamanitra ho an'ny vahoaka any Kenya i Annan.

Nampiseho ny tahan'ny fientanam-po teny an-dalamben'i Nairobi sy Kisumu fa tapitra ny zava-dratsy indrindra, ary mety tsy hihemotra tahaka ny tao anatin'ny roa volana farany i Kenya.

Vita ihany ny fifanarahana, hanery ny fanitsiana ny lalampanorenana saingy tamin'ny farany, dia fantatry ny Keniana fa eo an-tanan'izy ireo ny momba azy ireo. Fanombohana vaovao ho an'ny firenena izay voavonjy tamin'ny tsy fanarahana ny dian'ireo firenena tsy nahomby tany Afrika izany.

Resahana ao amin'ireo tanàna lehibe ny antsipirian'ilay fifanarahana sy ny “ambadiky ny sehatra”. Nanoritsoritra sary mitovy ihany koa ny tontolon'ny blaogy Kenyana.

Rehefa nipoaka ny vaovao, nanoratra “fisaorana” ho an'i Kofi Annan sy ny ekipany i Lovely money [2]:

On behalf of hopeful Kenyans, I would sincerely like to thank you for your hard efforts and patience that you have demonstrated.
Last but not least, the sustained efforts of Graca Michel and Benjamin Mkapa cannot be ignored. Asanteni sana.

Amin'ny anaran'ny Kenyana be fanantenana, te-hisaotra am-pahatsorana anao aho noho ny ezaka mafy sy ny faharetana nasehonao. Ny farany fa tsy ny kely indrindra, tsy azo tsinotsinoavina ny ezaka maharitra nataon'i Graca Michel sy Benjamin Mkapa

LostwhiteKenyan [3] nahatsapa fa tahaka ny fanomezana taombaovao ny fivoarana politika ary nanapa-kevitra hampiseho ny hafaliana sy ny dihy antserasera:

In order to celebrate this fabulous day when our leaders finally made a decision to bring peace back to Kenya, I am extremely excited to be able to bring you a full programme of entertainment for your viewing pleasure to help you all join in our merriment ………
We shall start with a little dance from yours truly….

Ho fankalazana ity andro mahafinaritra izay nandraisan'ireo mpitarika fanapahan-kevitra hamerina fandriampahalemana ao Kenya ity, faly tanteraka aho afaka mitondra aminao ny fandaharana fialam-boly feno ho ankafizinao mba hanampy anao hanatevin-dahanara ny fety……..Hatombotsika amin'ny dihy kely avy aminao

Political articles [4] nanatri-maso ny fitsinjahana tao Kenya:

Kenyans cheered and danced as they witnessed the opposition leader Raila Odinga and President Mwai Kibaki signing a power-sharing agreement in Nairobi.
Supporters of Mr. Odinga’s party, the Orange Democratic Movement, celebrated in Kisumu, Kenya, after the signing. The agreement was reached only after Kofi Annan, the former United Nations secretary general, negotiated directly with Mr. Kibaki and Mr. Odinga.

Faly sy nandihy ireo Kenyana satria nanatri-maso ny mpitarika ny mpanohitra Raila Odinga sy ny filoha Mwai Kibaki manasonia fifanarahana fifampizarana fahefana tao Nairobi.
Nankalaza izany tao Kisumu, Kenya ireo mpanohana ny antokon'Atoa Odinga, Hetsika Demaokratika Volomboasary taorian'ny fanaovana sonia. Tanteraka ny fifanarahana rehefa nifampiraharaha mivantana tamin'Atoa Kibaki sy Atoa Odinga i Kofi Annan, sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana teo aloha.

Manome hevitra amin'ny fomba niainan'ny olona tamin'ny fiatoana vokatry ny herisetra sy ny fihisatry ny fifampiresahana taoriana ny lahatsoratr'i Kumekucha. [5]

It is like the whole country has been holding it’s breath since December 30th 2007 and everybody started breathing again a few hours ago when a breakthrough in the the Anan peace talks was finally announced.
“We have a deal,” Anan said capturing the drama and suspense of the moment.

Wild celebrations were noted in many parts of the country including areas like Migori where or man on the ground reports, Kenyans went crazy with jubilation. As I wrote his, I still don’t have a reaction from the Rift Valley. No reports of celebrations there, at least not yet.

Tahaka ny hoe ny firenena manontolo no nitsahatra tsy niaina hatramin'ny 30 Desambra 2007 ary nanomboka niaina indray ny rehetra ora vitsy lasa izay rehefa nambara ihany nony farany ny vaovao tsara momba ny fifampiresahana fandriampahalemana Anan.
“Manana fifanarahana isika,” hoy i Anan mampiseho fitebitebena sy fangitangitahan'ny fotoana.

Voamarika tany amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena ny fankalazana lehibe, anisan'izany ny faritra tahaka an'i Migori araka ny tatitry ny lehilahy iray teny ifotony fa fa mifalihavanja ny Kenyana. Raha nanoratra ity aho, dia mbola tsy nahazo ny fihetseham-po avy any amin'ny Lemak'i Rift. Tsy misy ny tatitra momba ny fankalazana any, farafaharatsiny hatramin'izao.

Ho an'i  Wheremadnessresides [6], fotoana izao mba hifampirariana “taona vaovao” satria ho fotoana hidirana amin'ny anton-draharaha mahazatra ho an'ny Kenyana marobe:

Everybody in my parts is wishing everybody a Happy New Year.
Happy New Year. Today is when 2008 begins for us.

I read from Oyunga Pala that Dr Frank Njenga, probably Kenya's most reknown pyschiatrist, had listed ‘not being able to stop talking about politics’ as one of the symptoms of post-election trauma in Kenya.

Mifampiarahaba Taona vaovao ny rehetra aty amin'ny misy ahy.
Mifalia Taombaovao. Androany no manomboka ho antsika ny taona 2008.

Namaky ny lahatsoratr'i Oyunga Pala aho hoe nanambara ny Dr Frank Njenga, izay angamba mpitsabo areti-tsaina malaza indrindra eto Kenya fa iray amin'ireo soritry ny ratran-tsaina taorian'ny fifidianana  ny“tsy afaka mijanona amin'ny firesahana politika’.

Nairobiana [7] iray nanatri-maso firavoravoana ary manana fitakiana amin'ny media iraisam-pirenena mba hampitombo ny fitantaran'izy ireo:

An almost euphoric celebration greeted the wider Kenya due to this recent development that will bring to an end two months of tension and violence [8].

It is my sincere hope that the International press the likes of Al Jazeera, CNN, BBC, SKY News will now feature this joyous news on a 15 minute basis to highlight that Kenyans are not just about machettes but co-existence , perseverance,  resilience, agreement, peace, love and unity. Dont just sell the negative!

Niarahaba an'i Kenya manontolo ny fankalazana mampifalifaly noho ity fivoarana vao haingana izay hamarana ny ady sy ny herisetra naharitra roa volana ity.

Manantena indrindra aho fa hampiseho izany vaovao mahafaly izany mandritra ny 15 minitra ireo fampitam-baovao iraisam-pirenena tahaka ny Al Jazeera, CNN, BBC, SkyY News mba hanasongadinana fa tsy momba ny antsy kalaza fotsiny ny Kenyana fa  momba ny fisiana miaraka, ny fikirizana, ny faharetana, ny fifanarahana, ny fandriampahalemana, ny fitiavana ary ny firaisankina. Aza mivarotra ny ratsy fotsiny!

Noho ny fifanarahana tratra, dia fotoana izao hanasitranana ireo ratra sy hanomboka ny dingana fanarenana.