- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nalaina an-keriny ilay bilaogera Syriana Roukana

Sokajy: Syria, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny 26 oktobra 2007)
Vaovao farany: Naharay antso avy amin'i Rokana Hamour izahay ny alina lasa teo (26 Oktobra). Salama izy. Nohadihadian'ny sampan-draharahan'ny fiarovana Syriana momba ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny bilaoginy [1] izy. Navotsotra i Roukana ora telo taty aoriana.
Roukana Hamour

Naharay mailaka izay toa avy amin'ny olona iray nanatri-maso ny fakàna an-keriny ilay bilaogera Syriana Roukana Hamour [2], nitranga omaly 25 Oktobra 2007 izahay. Heverina ho nalaina an-keriny teo anoloan'ny tranony ao Damaskosy i Roukana, olona enina no nitondra azy tany amin'ny toerana tsy fantatra. Nohamafisin'ny Fikambanana ho an'ny Fandriampahalemana sy ny fahalalahana (OPL amin'ny teny Anglisy)  [3] ny fakàna an-keriny ny mpibilaogy Roukana Hamou. Ity ny taratasy nadikan'ny namako sy ny mpiara-miasa amiko, ilay bilaogera Syriana, Golaniya [4]:

Syria: Roukana Hamour has been Kidnapped!

As Rukana Hammour was parking the car in front of her place and helping her children (5 years, seven years and 9 years old) to step out, six men came out of nowhere and attacked her, violently pushed her children away from their mother, and aggressively pushed her into a car whose number tells it's a Tartossi car. The men prevented someone from approaching Hammour and rapidly ran away not knowing who they were or where they were taking her.

It is worth noting that Hammour received a call couple days ago from the Political Security Interior Branch in Damascus demanding her presence for interrogations. When she refused to go due to the lack of legal and systematic motion, they came today and kidnapped her like gangs do.

It is not a secret that Hammour is being threatened for demanding her financial rights which was stolen from her by her brothers in cooperation with high ranking Syrian officers and officials. Her late father, Mohammad Moti’ Hamour, who was the deputy of Saudi Air Lines, had his fortune which reached milliards evaporate from Syrian banks by forgery.

Hammour had been threatened to be sexually assaulted or even to be raped if she doesn’t sign papers tells she will give up her rights especially that Hammour has sent letters to the Saudi King Abdullah bin Abdulaziz presenting the cases of robbery and thievery that reached the Saudi Air Lines. The thieves fear that these letters would arrive at King Abdullah’s desk, for they won’t manage to flee by bribery as they can buy the whole security branch in Syria to push Hammour to give up her rights.
It is well known that Rukana Hammour is one of the leading Syrian bloggers whose belief can only make her consistent on both of her human rights and dignity.

Damascus, 25 October, 2007.

Syria: Nalaina an-keriny i Roukana Hamour!

Raha nanajanona ny fiarany teo anoloan'ny tranony i Rukana Hammour ary nanampy ireo zanany (5 taona, fito taona sy 9 taona) hivoaka, dia nisy lehilahy enina tonga avy any amin'ny toerana tsy fantatra ary nanafika azy, nanosika mafy ireo zanany hiala teny an-dreniny, ary nanosika azy tamin-kerisetra hiditra anaty fiara iray izay manondro fa Tartossi ny laharan'ilay fiara. Nanakana ny olona tsy hanatona an'i Hammour ireo lehilahy ireo ary nandositra haingana tsy fantatra hoe iza izy ireo ary taiza no nitondrany an'i Hammour.

Tsara ny manamarika fa naharay antso avy amin'ny sampan-draharahan'ny fiarovana anatiny ara-politika ao Damaskosy i Hammour roa andro lasa, ary nangataka azy atao fanadihadiana. Raha nandà tsy handeha izy noho ny tsy fisian'ny filazana ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy, dia tonga androany izy ireo ary naka an-keriny azy toy ny fanaon'ny andian-jiolahy.

Tsy miafina amin'ny olona fa niharan'ny fandrahonana i Hammour noho ny fitakiany ny zony ara-bola izay nangalarin'ireo mpiray tampo aminy tany aminy tamin'ny fiarahamiasa tamin'ireo manamboninahitra sy manampahefana Syriana ambony. Nanan-karembe ny rainy efa maty, Mohammad Moti ‘Hamour, izay lehiben'ny Air Lines Saodiana, izay nanana hatramin'ny miliara tamin'ny alalan'ny hosoka avy amin'ny banky Syriana .

Norahonana hanaovana herisetra ara-nofo i Hammour, na haolana mihitsy raha tsy mety manasonia taratasy milaza fa hamoy ny zony izy, indrindra fa nandefa taratasy ho an'ny mpanjaka Saodiana, Abdullah bin Abdulaziz izy, mampahafantatra ny tranga fangalarana sy fandrobana niseho tao amin'ny Air Lines Saodiana. Natahotra ireo mpangalatra fa ho tonga any amin'ny biraon'ny Mpanjaka Abdullah ireo taratasy ireo, satria tsy ho afa-mandositra ny kolikoly tahaka ny fahafahan'izy ireo mividy ny sampandraharahan'ny fiarovana rehetra ao Syria mba hanosika an'i Hammour hamoy ny zony.
Fantatra tsara fa iray amin'ireo bilaogera Syriana malaza i Rukana Hammour izay mahatonga azy ho manan-toerana amin'ny fahamendrehana sy ny zon'olombelona

Damaskosy, 25 Oktobra 2007

Efa nalaina an-keriny [5]i Roukana Hamour teo aloha noho ny fibilaogina ny zavatra niainany tamin'ny rafi-pitsarana Syriana, izay mampiseho ny kolikolim-panjakana, banky ary fitsarana. Nalaina tany an-tranony i Roukana tamin'ny 15 Oktobra 2006 ary notaritina teny an-dalana rehefa norahonan'ireo mpitandro ny filaminana misahana ny heloka bevava ao amin'ny firenena tamin'ny basy teo anoloan'ireo zanany kely.

Manambara ny tatitra vao haingana avy amin'ny [6] Human Rights Watch [7] fa olona roa no nogadraina mangina any amin'ny toerana tsy fantatra ao Syria. Nosamborin'ny Sampam-pitsikilovana miaramila Syriana tamin'ny volana jona 2007 i Karim ‘Arbaji (29 taona) sy Tarek Biasi (22 taona) noho ny fanehoan-kevitra antserasera mitsikera ny governemanta Syriana. Olona iray fahatelo, Ali Zein al-‘Abideen Mej'an, ihany koa nosamborina noho ny famoahana fanehoan-kevitra an-tserasera manohitra an'i Arabia Saodita, nomelohin'ny Fitsarana Ambony misahana ny Fiarovam-pirenena higadra roa taona an-tranomaizina izy.