- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lehilahy Kroaty nosamborina noho ny fananganana vondrona Facebook manohitra ny praiminisitra

Sokajy: Kroasia, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2008)

Nosamborina  [1]i Niksa Klecak, Kroaty 22 taona [2] izay namorona vondrona Facebook manohitra ny Praiminisitra “ Miloka aho fa hahita olona 5.000 tsy tia ny Praiminisitra” [3][Ivo Sanader [4]] satria lazaina fa mampiroborobo fitaovana vaovao-Nazi [5]. Nanambara ny polisy fa nahita marika sy fampielezan-kevitra Nazi tao an-tranony izy ireo. Navotsotry ny polisy avy eo i Niksa Klecak noho ny tsy fisian'ny porofo [5].
Saingy taty aoriana, araka ny filazan'ny Telegraph.co.uk [6], nisy manampahefana polisy zokiny nandà ny tsikera momba ny fisamborana, nanamarika fa “nanao hetsika ara-dalàna ny polisy […] satria nampiseho sary namboarina misy an'Atoa Sanader miaraka amin'ny fanamiana Nazi ny vondron'i Mr Klecak. Voaràran'ny lalàna Kroaty ny marika Nazi “, hoy izy.

Hatreto, dia mpikambana 14.186 no nanatevin-daharana ilay vondrona, fa tsy 5000 araka ny fanirian'i Niksa Klecak. Nosokajian'ireo mpandinika ara-politika any Kroasia ho toy ny “tranga misy ambadika politika [6]” sy “fanararaotam-pahefana malaza ataon'ny polisy noho ny antony ara-politika” ny fanagadrana, satria filohan'ny iray amin'ireo sampana tanora Sosialy Demaokraty [5] i Niksa Klecak.

Araka ny voalazan'ny Telegraph, [6] niha-nitombo tao amin'ny aterineto ny fanoherana an'Atoa Sanader:

The number of anti-government Facebook sites has grown rapidly over the weekend. One, which calls for a protest against Mr Sanader later this month, has gathered 80,000 members and Mr Klecak's group has grown to 6,200 members since Friday.

Niha-nitombo haingana nandritra ny faran'ny herinandro ny isan'ny tranonkala Facebook manohitra ny governemanta. Ny iray, izay miantso hetsi-panoherana an'Atoa Sanader tamin'ny faramparan'ity volana ity, nahangona mpikambana 80.000 ary nitombo hatramin'ny 6.200 ireo mpikambana ao amin'ny vondron'i Klecak hatramin'ny zoma.

croatia-Prime-Minister.jpg
 

Saripikan'Atoa Sanader navoaka tao amin'ny Vondrona Facebook “ Sahy miloka aho fa hahazo olona 5.000 tsy mankasitraka ny praiminisitra [3]

Ity manaraka ity dia dikan-tenin'ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny Corriere della Sera [7] ary nomen'ilay mpiara-miasa amintsika am-pitiavana Paolo d'Urbano [8]avy ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Italiana [9]:

Man Arrested for Creating a Facebook Group
A Croatian blogger launched a community called “I bet I can find 5,000 people that hate the Prime Minister”

MILAN – The police arrested him early this week, first because of nazi symbols found in his home (though no evidence was provided), and then for possessing paedo-pornographic material: Nikša Klecak, Croatian citizen, unleashed the anger of institutions for an initiative on Facebook [5], where he created a group called: «I bet I can find 5,000 people that hate the Prime minister [10]». The Premier at issue is Ivo Sanader, recently at the centre of many disputes about his economic policies and the recrudescence of tensions with Serbia. Naturally, a new group calling for the blogger's release [11] was launched on Facebook, where its members overtly hint at wanna-be Gestapo agents and the enforcement of a liberticide atmosphere. Klecak was eventually able to collect more than 7,000 subscriptions, but people is weary of police's persecution against citizens.

FACEBOOK PROTESTS – Actually, voicing the dissent through social networking sites, using web 2.0 media to gather enemies besides allies, is nowadays a tried and tested tool for activism in countries under censorship, like Egypt [12]. In Western countries, there are hundreds of groups like «I bet I can find 1.000.000 people that hate George Bush? [13]». In that case, given that the significance of the US President is higher, the figures are quite different, but the aim of sharing even hatred perfectly matches with Nikša Klecak's strategy. Also Italy has similar groups lashing out against Gelmini, Berlusconi, or Veltroni. The blogger has now been released, but it is important to underline his political affiliation, since he is a representative of the SDP (Social Democratic Party), the opposition party to the Croatian government.

Lehilahy nosamborina noho izy namorona vondrona Facebook
Bilaogera Kroaty iray no nanangana vondrom-piarahamonina antsoina hoe “Miloka aho fa hahita olona 5.000 izay mankahala ny praiminisitra”

MILAN – Nosamborin'ny polisy tany am-piandohan'ity herinandro ity izy, voalohany noho ny famantarana nazi hita tao an-tranony (na dia tsy nisy porofo aza), ary noho ny fananana fitaovana “pedo-pornografika”: Namoaka ny hatezeran'ny andrim-panjakana noho ny hetsika tao amin'ny Facebook [5], izay namoronany ny vondrona iray nantsoina hoe:“Miloka aho fa hahita olona 5.000 izay mankahala ny praiminisitra”  [10]i Nikša Klecak, olom-pirenena Kroaty. Ivo Sanader ilay Praiminisitra, izay ivon'ny adihevitra maro vao haingana momba ny politikany ara-toekarena sy ny firongatry ny fifanolanana amin'i Serbia. Mazava ho azy fa natsangana tao amin'ny Facebook ny vondrona vaovao nitaky ny famotsorana ilay bilaogera [11], izay amoahan'ireo mpikambana fa misy ireo te-hanao Gestapo sy ny fampiharana ny tontolo famonoana ny fahalalahana. Nahavita nanangona fisoratana anarana maherin'ny 7000 i Klecak, saingy matahotra fanenjehana ataon'ny polisy amin'ny olom-pirenena ny olona.

FIHETSIKETSEHANA AMIN'NY FACEBOOK – Raha ny marina dia fitaovam-panandramana sy fitsapana fikatrohana amin'izao fotoana ao amin'ny firenena iharan'ny sivana, tahaka an'i Ejipta [12] ny maneho hevitra manohitra amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy, mampiasa tranonkala 2.0 hanangonana fahavalo ankilan'ny mpiara-dia. Any amin'ny firenena Tandrefana, an-jatony ireo vondrona tahaka ny hoe “Miloka aho fa hahazo olona 1.000.000 izay mankahala an'i George Bush?” [10]?”. Amin'izany tranga izany, raha jerena fa lehibe ny lanjan'ny filohan'i Etazonia, dia hafa tanteraka ny tarehimarika, saingy ny tanjon'ny fizarana ny fankahalàna dia mifanaraka tanteraka amin'ny paikadin'i Nikša Klecak. Ahitana vondrona mitovy amin'izany koa any Italia, izay manohitra an'i Gelmini, Berlusconi, na Veltroni. Efa navotsotra izao ilay bilaogera, saingy zava-dehibe ny manasongadina ny firehany ara-politika, satria solontenan'ny SDP (Antoko Sosialy Demokraty), antokon'ny mpanohitra ny governemanta Kroaty izy.