- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro Ny Zavamisy : Ny #LeyTelecom ao Meksika (Lalànan'ny fifandraisandavitra)

Sokajy: Meksika, Fahalalahàna miteny, Fanarahamaso, Fiainana Manokana, Lalàna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2014)

Tao amin'ny leftwardthinking.com [1] ny dika voalohany nipoiran'ity lahatsoratra ity.

Ny 24 martsa 2014, nampahafantatra ny Ley de Telecomunicaciones y Radiodifusión [2] (Lalànan'ny Fifandraisandavitra sy ny Fampitambaovao) ny filoha Meksikana Enrique Peña Nieto, volavolan-dalàna izay hanova tanteraka ny fifandanjam-pahefana eo amin'ny aterineto sy ny fifandraisandavitra ao Meksika . Nilaza ireo mpitsikera avy amin'ny fomba fijery ara-politika maro fa hampitombo ny fahefan'ny fanjakana ilay lalàna ary hametra ny fahafahan'ireo orinasam-pifandraisandavitra hanao sivana, hanao fanarahamaso ary hanao fanavakavahana amin'ny tambajotrany avy.

Hisy fiantraikany amin'ireo sehatra efatra lehibe amin'ny tontolon'ny fifandraisandavitra ao Meksika ilay volavolan-dalàna : Ny Fahafahana miditra malalaka, Ny Tsiambaratelo, Ny Fahalalahana maneho hevitra, ary Ny tsy Fiandanian'ny Aterneto.

[3]

Olona mifandray tanana hanohitra ny #LeyTelecom, Mexico City. Sary nalefan'i @ Tryo1.

Fahafahana miditra malalaka

Ny volana Martsa 2013, nanaiky fanangonantsonia niaraka tamin'ny sonia maherin'ny 200.000 [4] ny Antenimieran-doholona Meksikana izay manohana tolodalàna [5] iray novolavolaina hiantoka ny zon'ny Meksikana hiditra anaty aterineto. Hevitra mikasika ny zon'ny vahoaka hahazo vaovao sy ny maha-zava-dehibe ireo toerana ahazoan'ny rehetra izany, toy ny tranomboky sy ny sekoly, no voaresaka tamin'ilay fanangonan-tsonia. Kanefa, tsy manome zo toy izany ilay volavolan-dalàna #LeyTelecom. Vao mainka aza mametraka io raharaha io ho toy ny iray amin'ireo tombontsoa ara-barotra sy tombontsoa ara-toekarena ho an'ny orinasam-pifandraisandavitra ilay izy.

Tsiambaratelo

Didian'ilay volavolan-dalàna ireo orinasam-pifandraisandavitra hitazona ny angon-drakitry ny mpanjifa sy hanome torohay ara-potoana (ao anatin'izany ny angon-drakitra GPS) ho an'ireo masoivoho federaly misahana ny filaminana, na an'ireo tomponandraikitra ambony izay omena fahefana . Ity fizaràna iray ao amin'ny lalàna ity dia miasa tanteraka ivelan'ny rafi-pitsarana, ka tsy mitaky fahazoandalàna na didim-pitsarana hahafahana maka izany angon-drakitra izany akory. Tsy hita ao anatin'ilay lalàna ireo fepetra takiana amin'ny fomba tokony hiarovana na hampiasaina angon-drakitra manokan'ny olona iray rehefa eo ampelatanan'ny manampahefana. Mifanohitra mivantana amin'ireo Fotokevitra 13 momba ny Fanarahamaso ny Zon'olombelona sy ny Fifandraisana [6] ireo singa ao anatin'ilay lalàna,.

Fahalalahana maneho hevitra

Ny tena manaitra indrindra angamba dia ny fahefana omen'io volavolan-dalàna io ny fanjakana hanakana sy hanivana ny fifandraisana izay heveriny ho loza mitatao ho an'ny “la seguridad pública y nacional a solicitud” (ny filaminam-bahoaka sy ny filaminan'ny firenena). Omen'ilay lalàna ny governemanta ho afaka mandidy ireo orinasam-pifandraisandavitra hanapaka anaty fotoana fohy na tsy hampandeha ny fifandraisana amin'ny finday, ny onjampeo ary ny aterineto any amin'ireo toerana misy hetsi-panoherana ataon'ny daholobe na fihetsiketsehana. Ny fanakanana ny mpanohitra ara-politika tsy hanao fanomanana no fitaovana mahery vaika izay ahiahian'ny Meksikana maro hitondra any amin'ny fitondrana jadona. Manome vahana ny governemanta io fizarana iray ao amin'ilay volavolan-dalàna io, ahafahany manakana ireo vohikala sasany na mampiasa ny aterineto amin'ny fomba hafa raha mahita antony noho ny “filaminan'ny firenena” hanaovana izany izy ireo.

Tsy Fiandanian'ny Aterneto

Farany, avelan'ity volavolan-dalàna ity mazava ireo orinasam-pifandraisandavitra hanolotra karazana tolotra raitra, haingana, ary fidirana araka izay tian'izy ireo. Tsy azo ihodivirana fa hitondra any amin'ny fanitsakitsahana ny satan'ny tsy fiandanian'ny Aterneto [7] ireo fomba fanao ireo izay mametra ny aterineto ho toy ny rafitra mampiasa tariby manao ambaratongany hahatonga ny mpanjifany handoa vola samy hafa mba hidirana aminà karazana vohikala isankarazany ary tsy maintsy handoa vola amin'ireo orinasam-pifandraisandavitra ireo tolotra tadiavin'ny maro (tahaka ny Facebook, youtube sns) mba ahazoana ireo mpanjifa mpampiasa fifandraisandavitra.

Hetsipanoherana

An'aliny ireo Meksikana nihetsika nanohitra ny fandaniana ilay volavolan-dalàna hatramin'ny fotoana nampahafantarana ilay izy. Notarihan'ireo vondrona toy ny ContingenteMX sy # YoSoy132, andro maromaro hanaovana hetsika [8] no nomanina hanairana ny sain'ny olona sy hampiatoana tanteraka ilay volavolan-dalàna. Natao tao anaty aterineto sy teny an-kianja ilay tolona. Namporisihina [8] mihitsy ny olona manerana izao tontolo izao hanery ny governemanta Meksikana tsy handany ity volavolan-dalàna ity. Mety hampidi-doza ny ho tohin'ilay #LeyTelecom  — ary ny fandrahonana ny fahalalahan'ny aterineto any amin'ny toerana hafa dia midika  ho fandrahonana ny fahafahan'ny Aterineto na aiza na aiza.

Rohy mankany amin'ireo lahatsary, vohikala, ary zavatra hafa mahafinaritra (lazain'ny fanamarihana manaraka azy ny fiteny ao anatin'ny rohy )

Tenifototra ilaina arahina

*Nivoaka voalohany tao amin'ny Leftward Thinking – Ny Ady ho an'ny Derechos Digitales & ny Fahalalahan'ny Aterineto ao [1] Meksiko [1] ny loharano tsy miankina iray, tsy navoaka an'ity lahatsoratra ity.
BlwbZmlCYAIH-06 [27]