- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitetezam-bilaogy Kenyanina

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka 30 mey 2005)

Efa nandrasana hatry ny ela.

Discovering

- Scentiments miresaka zavatra izay matetika resahin'ny bilaogera kenyanina maro any am-pielezana – manina an'i Kenya [1].

-Ny mpanao politika Kenyanina nanome aingam-panahy tamin'ny fotoanan'ny ‘ahoana moa raha’.

Tsy izany [2] angamba no nokasain'ny mpanolotra ny AGOA (Africa Growth and Opportunity Act [3]) hojerena. Toy izany ihany koa amin'ny alalan'i Bankelele, manana fisafidianana vaovao amin'izao fotoana izao ny mpitia boky any Nairobi .

-Mitarika fanadihadiana siantifika momba ny “just friends” [4] (mpinamana fotsiny) i Mpisaina (Thinker).

-Manoratra sy mitaona i Wg-K ho an'izay tia mieritreritra hoe ny fanararaotana ara-nofo sy ny fampijaliana ankizy any Kenya dia niainga irery ihany avy any “Andrefana” sy ny ” Aterineto tsivalahara” mba hifoha amin'izay ary hifoka ny kafe [5]. Afa-manome antoka anareo aho fa efa niaina toejavatra mitovitovy amin'izany na mahafantatra olona efa niaina izany toejavatra izany ny ankamaroan'ny Kenyanina vehivavy rehetra izay namaky ity lahatsoratra ity.

-Adrian miresaka fifaninanana oliravina any am-ponja manome vintam-piainana faharoa ho an'ny vehivavy [6].

-“Avelao ny gazety! [7]” [aza kitihina] hoy Afromusing.

-Ary ny farany fa tsy ny kely indrindra, avy amin'ny iray tonga vao haingana indrindra ao amin'ny bilaogy, manana lahatsoratra mahafinaritra tamin'ny famakiana ny [bokin'i] Binyavinga Wainaina [8] ny ao amin'ny Diary of a Mad Kenyan Woman [9].