- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Blog for a Cause! efa misy amin'ny teny Arabo ankehitriny ny torolalana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2008)

TROHY PDF [1]

Blog for a Cause in Aarabic [1]
Efa misy amin'ny teny Arabo [1] ankehitriny ny Blog for a Cause! [2],  Torolalan'ny Global Voices amin'ny Blog Advocacy [3], noho ny dikan-teny nataon'ilay mpanao gazety sady bilaogera Ejypsiana Amr Magdi [4].

Ny Blog for a Cause! dia efa nadika tamin'ny teny Espaniola [5] sy Frantsay [6]; eo an-dalana ny dikan-teny amin'ny teny Shinoa sy Bengali

Manasongadina toro-lalana mora arahana mikasika ny fomba fampiasana bilaogy ho toy ny ampahany amin'ny hetsika fanoherana ny tsy rariny ny torolalana ary manasongadina ohatra nahomby tamin'ny bilaogy mpanandrateny manerana izao tontolo izao. Ahitana fizarana dimy izy io:

  1. Foaran'ny fanontaniana matetika mikasika ny atao hoe bilaogy fanandrata-teny
  2. Ireo singa dimy manan-danja indrindra amin'ny bilaogy fanandrata-teny nahomby
  3. Dingana 4 hananganana bilaogy fanandratateny
  4. Ny fomba ahatonga ny bilaoginao ho fiarahamonina mientana ahitana mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika
  5. Toro-lalana hanampiana ireo mpikatroka bilaogy ho voaaro antserasera.

دوّن من أجل قضية [1] dia azo trohana amin'ny endrika PDF [1]. Mety mila mametraka Adobe Acrobat Reader [7] maimaim-poana ianao raha hijery izany.

Trohy azafady ny دوّن من أجل قضية [1] ary ampio izahay handika ny torolalana amin'ny fiteninao.

Raha mila vaovao fanampiny dia mifandraisa amin'i Mary ao amin'ny MaryCJoyce [ ao amin'ny ] gmail [teboka ] com na ny mpandrindra ny Global Voices Advocacy, Sami Ben Gharbia ao amin'ny advocacy [ ao amin'ny ] globalvoicesonline [ teboka ] org