- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taridia fibilaogina tsy mitonona anarana efa misy amin'ny teny Arabo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2008)

Trohy ny endrika PDF [1]

guide_ar_badge1

Efa misy amin'ny teny Arabo [1] ankehitriny ny The Anonymous Blogging with WordPress and Tor (Fibilaogina tsy mitonona anarana miaraka amin'ny WordPress sy Tor) [2] noho ny dikan-teny avy amin'i Yazan Badran [3]  sy Mohammad Al abdallah [4].

Manasongadina fomba maromaro hiarovana ny mari-panondroana ny torolalana [5] mba hisorohana ny valifaty ary afaka mampihena betsaka ny mety hahazoana ny mari-panondroana ilay bilaogera na ny asa sorany antserasera amin'ny alalan'ny paika ara-teknika.

Ny “التدوين باسم مجهول مع ووردبرس و تور [1]” dia efa azo trohana amin'ny endrika PDF [1]. Mety mila mametraka Adobe Acrobat Reader [6] maimaim-poana ianao raha hijery izany. Raha sendra manana olana amin'ny fijerena ny endrika PDF amin'ny aterineto ianao, dia andramo ity endrika HTML [5] azo atao rohy sy mety tsara amin'ny bilaogy ity.

Trohy [1] azafady ny toro-lalana ary ampio izahay hanaparitaka ity vaovao lehibe ity. Aza misalasala manampy anay amin'ny fandikana ny toro-lalana amin'ny fiteninanao.

Raha mila vaovao fanampiny, dia mifandraisa aminay ao amin'ny advocacy [ ao amin'ny ] globalvoicesonline [ teboka ] org