- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanadihadiana roa mahaliana momba ny sivana

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2007)

Fanadihadiana roa mahaliana mifandraika amin'ny sivana antserasera sy ny fialana amin'ny sivana antserasera no navoaka omaly:

(1) “Ny Tari-dalan'ny tsirairay amin'ny fialàna amin'ny Sivana Amin'ny Aterineto Ho an'ny Olom-pirenena Manerantany”.

Torolàlana feno zava-mahasoa sy natao ho an'ny mpiserasera navoakan'ny Citizen Lab [1] ao amin'ny Oniversiten'i Toronto izy ity, izay natao mba hampahafantarana ireo mpiserasera tsy dia mahay ny teknika mikasika ny fialàna amin'ny sivana amin'ny aterineto, ary manampy azy ireo hisafidy izay mifanaraka tsara amin'ny toe-javatra iainan'izy ireo sy ny filan'izy ireo.

Manome torohevitra, fikafika sy paikady maro samihafa momba ny fialàna amin'ny mpanivana votoaty manerantany ny torolàlana, ary mamelabelatra ireo hevi-dehibe tokony ho raisinao rehefa misafidy fitaovana fandinganana sivana. Manolotra lisitra misy ireo fitaovana fandinganana tsara indrindra koa izy, avy amin'ny fomba fijery momba ny ny fiainana manokana sy ny fiarovana, ho an'ireo mpiserasera tsy mahafehy ny teknika. Araka ny voalazan'i Ronald Deibert [2],  talen'ny Citizen Lab sady mpanadihady ao amin'ny OpenNet Initiative, dia efa an-dalana ho adika amin'ny fiteny maro ny torolàlana, izay tsy misy afa-tsy amin'ny teny anglisy amin'izao fotoana izao

Ny Citizen Lab [1] ihany koa no ao ambadiky ny fampiroboroboana ny tetikasa Psiphon [3], rindrambaiko fandinganana sivana izay ahafahan'ny olom-pirenena any amin'ny firenena tsy misy sivana manome fidirana malalaka amin'ny tranonkala amin'ny alàlan'ny solosain'izy ireo any an-trano ho an'ireo  monina any amin'ny firenena izay voasivana ny aterineto.

Azonao atao ny mitroka ny torolàlana amin'ny endrika Adobe Acrobat (PDF) avy eto: : Ny torolalan'ny tsirariray amin'ny fialàna amin'ny sivana antserasera ho an'ny olom-pirenena manerantany [4].

(2) Shina: “Dia mankany amin'ny ivon'ny sivana amin'ny aterineto”.

Ity tatitra [5], navoaka niaraka tamin'ny fanohanan'ny Reporters Sans Frontieres [6] (RSF) sy ny Mpiaro ny Zon'olombelona Shinoa -Chinese Human Rights Defenders [7] (CHRD), ity dia nosoratan'ilay teknisiana Shinoa miasa amin'ny orinasan'ny aterineto ary mampiasa ny anarana hoe “Atoa. Tao “. Manazava ny firafitry ny sivana Shinoa izay ahitana ny Birao Fitantanana ny Fampielezan-kevitra amin'ny Aterineto, ny Foibe ho an'ny Fikarohana ny hevi-bahoaka, ny Biraon'ny aterineto sy ny biraon'ny vaovao sy ny hevi-bahoaka ny tatitra.

Journey to the Heart of Internet censorship
Sampana mifehy ny aterineto (Sary: Journey to the Heart of Internet censorship – Dia mankany amin'ny fon'ny sivana amin'ny aterineto [5])

 

This report shows how the CCP and the government have deployed colossal human and financial resources to obstruct online free expression. Chinese news websites and blogs have been brought under the editorial control of the propaganda apparatus at both the national and local levels.

Mampiseho ny fomba nampiasan'ny Antoko Komonista Shinoa sy ny governemanta olona marobe sy vola tsy toko tsy forohana mba hanakanana ny fahalalaham-pitenenana antserasera ity tatitra ity. Nentina ho eo ambanin'ny fanarahamason'ny sampana famoahan-dahatsoratra amin'ny fitaovana fampielezan-kevitra eo amin'ny sehatra nasionaly sy eo an-toerana ireo tranokalam-baovao sy bilaogy Shinoa.

Ny “Journey to the Heart of Internet censorship” [5] dia manambara ny fomba fampiasan'ny Biraon'ny Fampahalalam-baovaon'ny Filankevi-panjakana fanarahamaso ideolojika amin'ireo mpiasany amin'ny alalan'ny fikarakarana fiofanana maharitra 25 andro momba ny fanatsarana ny sivana sy ny fanaovana fanivanan-tena “Fianarana maharitra 25 andro ho an'ny olona 50 no efa natao tany Beijing. Misy ny mari-pahaizana omena ireo mpandray anjara amin'ny faran'ny fiofanana tsirairay.”

China certificate
Mari-pahaizana tamin'ny fiofanana (Sary: Journey to the Heart of Internet censorship [5])

Mandrakitra ireo fanarahamaso tsy tapaka ataon'ny “Biraon'ny Fitantanana ny Vaovao amin'ny Aterineto ao Beijing” amin'ireo tranokalam-baovao malaza ao Beijing ihany koa ny tatitra ary manome ohatra marobe amin'ireo sokajy telo amin'ny fiofanana (avoaka ny fandraràna alohan'ny famoahana ny tatitra, avoaka ny fandraràna aorian'ny famoahana tatitra sy ny torolalana fampielezan-kevitra).

Trohy ny tatitra (hita amin'ny teny hafa ihany koa) amin'ny endrika Adobe Acrobat (PDF) avy eto: “Journey to the Heart of Internet censorship” [8].