Mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress & Tor nohavaozina!

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2009)

Faly aho manambara fa efa hita amin'ny aterineto ny torolalana mibilaogy miafina anarana miaraka amin'ny WordPress & Tor! Nosoratan'i Ethan Zuckerman tamin'ny 13 Aprily 2005 ny drafitra voalohany tamin'izany torolalana izany ary nohavaozina tamin'ny 1 Oktobra 2006. Tamin'ny 8 Aogositra 2007, namoaka endrika HTML nohavaozina tamin'ny torolalana ny Global Voices Advocacy, miaraka amin'ny endrika PDF azo trohana.

Ny torolalana dia mamaritra fomba maro amin'ny fiarovana ny mari-panondroana mba hisorohana amin'ny alalan'ny teknika maro ny valifaty ary mety hampihena betsaka ny loza mety hihatra mifandraika amin'ny zavatra nosoratany an-tserasera .

Mba hanomezana anao vaovao farany indrindra mikasika ny fomba fibilaogina miafina anarana, dia nohavaozina indray ny torolalana mba hifanaraka amin'ny Tor nohavaozina vao haingana ny toro-hevitra rehetra.

Mampahafantatra ny Tor Browser Bundle, endrika tovozina malalaka amin'ny fitety (browser) entin-tanana novolavolain'ny Tetikasa Tor ity fanavaozana ity, izay ahafahanao mampiasa ny Tor amin'ny tsy fametrahana na inona na inona (zero install). Ny Tor Browser dia kojakoja Tor novolavolaina mialoha miaraka amin'ny fitety Mozilla Firefox mipetraka ho azy ho an'ny USB na media fitondra hafa (SD Card, Hard Drives, Compact Flash Card).

Raha mikasa hanohy ny bilaogy, indrindra indrindra amin'ny alalan'ny solosaina iombonana ianao (tahaka ny solosaina eny amin'ny cybercafés) na raha tsy afaka mampiditra rindrambaiko ao amin'ny solosaina ianao, dia araho azafady ireo dingana momba ny fomba fitantanana ny Tor Browser Bundle tsy mila mampiditra rindrambaiko.

Ahitana torohevitra momba ny fahazoana kojakoja Tor ny fanavaozana raha manakana ny fidirana amin'ny tranonkala Tor ny fifandraisanao aterineto. Ahitana torohevitra momba ny zavatra atao rehefa sendra olana amin'ny fidirana amin'ny tambanjotra Tor ihany koa izany.

Mifandraisa amin'izany azafady, trohy ny torolàlana ary ampio izahay hanaparitaka ity fampahalalana manan-danja ity. Aza misalasala koa manampy anay handika ny torolàlana amin'ny fiteninao.

Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa aminay ao amin'ny advocacy [amin'ny] globalvoicesonline [teboka] org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.