Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

12 Mey 2019

Tantara tamin'ny 12 Mey 2019

Tatitra Netizen: Manamafy Ny Fanarahamaso Vaovao Amin'ny Anaran'ny Fiarovana Nasionaly Ny Manampahefana Rosiana

GV Mpisolovava

Voatafika tao Makassar, Indonezia ny mpanoratra iray ato amin'ny Global Voices, manohy manenjika ireo mpampiasa tambajotra sosialy amin'ny alalan'ny lalàna mifehy ny heloka an-tserasera i Tanzania, ary Tapahan'i Singapaoro ny fidirana amin'ny Aterineto ho an'ireo mpiasam-panjakana

Hizara ny feon'ireo 50 mpikatroka ara-niomerika ho an'ny tenim-pirenena teratany ny hetsi-panentanana Twitter miodina mandritra ny taona iray

Rising Voices

Midira ao amin'ny Rising Voices satria mankalaza ny fahamaroana ara-teny mandritra ny Taona Iraisam-pirenena Natokana Ho An'ny Tenim-pirenena Teratany isika, miaraka amin'ny hetsi-panentanana Twitter izay mampitombo ny traikefan'ireo mpikatroka ara-niomerika ho an'ireo tenim-pirenena teratany any Amerika Latina.

Niteraka savorovoro ny fivakisan'ny tohodrano Brumadinho tao São Paulo manana tohodrano 7000 ao Brezila

Mandrisika ny manampahefana ny distrika roa ao an-tanànan'i São Paulo akaikin'ny tohodrano roa mba hanao drrafitra vonjimaika. A district in the city of São Paulo adjacent to two dams urges authorities to draw a contingency plan.

Venezoela: Nahafatesana olona miisa telo ny hetsi-panoherana ary nihamafy ny fandrahonana ny fampahalalam-baovao

GV Mpisolovava

Manao fihetsiketsehana mba hitakiana ny famotsorana ilay mpianatra nosamborina tamin'ny hetsi-panoherana teo aloha izay nifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana sy ny tsy fahampian-tsakafo ny Venezoeliana. Voarara tsy hitatitra ny hetsi-panoherana ny fampitam-baovao.

Kabinetra Hazoboboka, mampiredareda ny afon'ny hatezeram-bahoaka any Zimbaboe

Niatrika ny tstindry tsy mitsahatra mba hisian'ny fiovàna, roa herinandro lasa izay dia nohavaozin'i Robert Mugabe, ilay mpitondra an'i Zimbaboe tratry ny fahirano, ny governemantany, saingy tsy nahavita kely akory mba hampihenana ny fijalian'ny firenena izay ravan'ny fitarihana gaboraraka sy toekarena tsy mahomby.

Fanadihadiana roa mahaliana momba ny sivana

GV Mpisolovava

Torolàlana feno zava-mahasoa sy natao ho an'ny mpiserasera navoakan'ny Citizen Lab ao amin'ny Oniversiten'i Toronto izy ity, izay natao mba hampahafantarana ireo mpiserasera tsy dia mahay ny teknika mikasika ny fialàna amin'ny sivana amin'ny aterineto, ary manampy azy ireo hisafidy izay mifanaraka tsara amin'ny toe-javatra iainan'izy ireo sy ny filan'izy ireo.

Mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress & Tor nohavaozina!

GV Mpisolovava

Faly aho manambara fa efa hita amin'ny aterineto ny torolalana mibilaogy miafina anarana miaraka amin'ny Wordpress & Tor! Nosoratan'i Ethan Zuckerman tamin'ny 13 Aprily 2005 ny drafitra voalohany tamin'izany toro-lalana izany ary nohavaozina tamin'ny 1 Oktobra 2006. Tamin'ny 8 Aogositra 2007, namoaka endrika HTML nohavaozina tamin'ny torolalana ny Global Voices Advocacy,...

Atrikasa Advox: Robert Guerra miresaka ny fomba fijerin'ny mpisera

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Fahalalaham-pitenenana an-tserasera: Mankany amin'ny hetsika miady amin'ny sivana manerantany – Ny fomba fijerin'ny mpisera avy amin'i robertguerra Inona no tena ampiasain'ny olona, ​​ny olana atrehin'izy ireo, ary ny toro-hevitra amin'ny hoavy.

AB14: “Tsy tokony hieritreritra isika fa hamaha izay olantsika rehetra ny teknolojia”

GV Mpisolovava

Nifantoka tamin'ny paikadin'ny fikarohana ny fiarovana amin'ny sivana sy ny fanaraha-maso ny fivoriana sy amin'ny fiarovana ny fifamatorana iombonana eo amin'ny toerana ahatsapana toa voasaratsaraka bebe kokoa hatrany isan'andro.