- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita:Tezitra noho ny fisamborana an'i Al Farhan ireo bilaogera

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2007)

Mitohy hatrany manerana ny tontolon'ny bilaogy Arabo ny fanehoan-kevitra taorian'ny fisamborana ilay bilaogera Saodiana Fouad Al Farhan [1], izay mbola tsy fantatra [2] ny fiampangana azy.

Niharan'ny fanorisorenana avy amin'ny manampahefana ity bilaogera malaza, izay anisan'ny voalohany ao amin'ny firenena manana bilaogy mitondra ny tena anarany ity ary noteren'ny manampahefana hijanona amin'ny bilaogy. Manao fihetsiketsehana hatrany ireo bilaogera manerana ny faritra mba hitaky ny famotsorana azy na farafaharatsiny mahafantatra ny fiampangana azy. Azo heverina fa nosamborina i Al Farhan noho ny fikatrohany mifandraika amin'ny bilaogy.

Arabia Saodita:

Rasheed Abou-Alsamh [3], bilaogera sady mpanao gazety Saodiana-Amerikana, izay monina ao Jeddah, manombatombana momba ny antony mety nanagadràna an'i Al Farhan ary mitaky fanavaozana bebe kokoa ao amin'ny Fanjakana. Nanazava izy hoe:

The latest arrest comes after he visited one of nine Saudi reformists [4] who were arrested on Feb. 10, 2007, and are still being held at a secret police detention facility in north Jeddah after refusing to sign undertakings that they would cease their calls for political reform. Fuad wrote about his visit on his blog.

I just hope that Fuad will be released soon and allowed to blog again. The wave of greater accountability, more transparency and allowing the citizenry of Saudi Arabia a higher voice in how our country is run is the ongoing legacy of King Abdullah's reformist agenda. I hope that this will be allowed to continue. Arresting reformists and bloggers does not help the cause of reform in the Kingdom, and just serves to bring us back to those dreaded old days when everyone was too afraid to say in public what they really felt. I and many other Saudis like me had thought that those days were long gone. I hope we're right.

Niseho ny fisamborana farany rehefa avy nitsidika ny iray tamin'ireo reformista Saodiana sivy [4] voasambotra tamin'ny 10 febroary 2007 izy ary mbola voatazona any amin'ny fonja miafin'ny polisy any avaratr'i Jeddah rehefa tsy nety nanasonia fifanarahana fa hampitsahatra ny fitakiana fanavaozana ara-politika izy ireo. Nanoratra momba ny fitsidihany tao amin'ny bilaoginy i Fuad.

Manantena fotsiny aho fa ho avotsotra tsy ho ela i Fuad ary ho avela hibilaogy indray. Lovan-kolontsain'ny fandaharan'asan'ilay Mpanjaka reformista Abdullah ny onjan'ny tamberin'andraikitra bebe kokoa, ny mangarahara bebe kokoa ary ny famelana ny olom-pirenen'i Arabia Saodita hiloa-bava mafy mikasika ny fomba fitantanana ny firenentsika. Manantena aho fa ho avela hitohy izany. Tsy manampy ny anton'ny fanavaozana ao amin'ny Fanjakana ny fisamborana ireo reformista sy bilaogera, fa natao hitondra antsika hiverina any amin'ireo andron'ny fisalasalana izay natahotra hiloa-bava ampahibemaso mikasika izay zavatra tena tsapany ny rehetra. Nieritreritra izaho sy ireo Saodiana maro hafa toa ahy fa efa lasa ela ireo andro ireo. Manantena aho fa marina izany.

Manantena koa ny namana bilaogera Saudi Jeans [5] fa ho avotsotra tsy ho ela i Al Farhan. Hoy izy nanamarika:

I hope that Fouad would be released soon to come back to his family and friends. This country needs more people like him, people who love their country and want to see it thrive and advance.

Manantena aho fa havotsotra tsy ho ela i Fouad mba hiverina any amin'ny fianakaviany sy ny namany. Mila olona maro tahaka azy, olona tia ny fireneny sy te-hahita azy mivoatra sy mandroso ity firenena ity.

Bahrain:

Avy ao Bahrain, Mahmood Al Yousif [6] milaza amin'i Al Farhan fa tsy irery izy, manome antoka azy fa be mpanohana izy. Hoy izy nanoratra:

If the reason for his arrest is due to his writing, then this is obviously a gross violation of an individual’s basic human right to freedom of expression. I call on the Saudi authorities to respect their role in the world and immediately release Fouad Al-Farhan and call on them to guarantee his safety throughout his detention.
Hang in there Fouad, you have a lot of friends with you. I applaud your determination to speak your mind for the better of our community.

Raha noho ny asa sorany no anton'ny fisamborana azy, dia mazava ho azy fa fanitsakitsahana goavana ny zo fototry ny olom-pirenena amin'ny fahalalaham-pitenenana izany. Miantso ny manampahefana Saodiana aho mba hanaja ny anjara andraikitr'izy ireo eto amin'izao tontolo izao ary hamotsotra avy hatrany an'i Fouad Al-Farhan, ary miantso azy ireo koa mba hiantoka ny fiarovana azy mandritra ny fitazonana azy.
Mahereza Fouad, manana namana maro miaraka aminao ianao. Midera ny fahavononanao miresaka ny ao an-tsainao ho an'ny tsara indrindra ho an'ny fiarahamonintsika aho.

Ejipta:

Bilaogera Ejiptiana maro koa no nitaky ny famotsorana an'i Al Farhan. Anisan'izany ilay bilaogera Bella [7], izay mitaraina momba ny toerana misy ny Arabo, izay maneho ny heviny. Manoratra izy:

في بلادنا التعبير عن الراي جريمة يُعاقب عليها القانون
في بلادنا القلم حيازته تهمة تستوجب الزج في غياهب السجون
في بلادنا اللصوص مكرمون
في بلادنا الفاسدون يرتعون
في بلادنا تجار الارزاق هانئون
في بلادنا الراقصات يُحتفى بهم أينما حلوا وحيثما ارتحلوا
في بلادنا المجد للممثلين ولاعبي كرة القدم
في بلادنا يموت العلماء ولا يجدون من يتحدث عنهم
في بلادنا من يقول الحق يصبح طريد العدالة
هكذا تكافئ بلادنا من يعبر عن رأيه
وترتعد الأنظمة امام الكلمات فلاتجد سبيلاً إلا سجنها في الحلوق
أصبح التدوين تهمة تستوجب الإعتقال
والتعبير عن الراي يجب التصدي له بكتم هذا الراي
والقلم ينبغي قصفه وسحق من يُمسك به
هذا ماحدث مع المدون السعودي فؤاد الفرحان
Ao amin'ny firenentsika, heloka sazian'ny lalàna ny fahalalaham-pitenenana.
Ao amin'ny firenentsika, heloka mendrika gadraina ny fananana penina,
Ao amin'ny firenentsika, omem-boninahitra ny mpangalatra,
Ao amin'ny firenentsika, miroborobo ny mpanao kolikoly,
Ao amin'ny firenentsika, faly ireo tompon'andraikitry ny rongony,
Ao amin'ny firenentsika, omena voninahitra ireo mpampandihy kibo na aiza na aiza alehan'izy ireo,
Ao amin'ny firenentsika, ho an'ireo mpilalao sarimihetsika sy mpilalao baolina kitra ny voninahitra,
Ao amin'ny firenentsika, maty ny mpahay siansa ary tsy misy olona miresaka momba azy ireo,
Ao amin'ny firenentsika, enjehin'ny rafi-pitsarana izay milaza ny marina,
Izao no fomba hanomezan'ny firenentsika valisoa ho an'izay  maneho ny heviny,
Matahotra ny teny ny fitondrana ary tsy manana fomba hialàna amin'izany ankoatra ny manafoana ny teny amin'ny tenda.
Lasa heloka bevava amoahana didy fisamborana ny bilaogy.
Ary tokony resena amin'ny alalan'ny fanafoanana fomba fijery tahaka izany ny fanehoana hevitra.
Tokony potehina ny penina ary potehina tahaka izany koa ireo mitazona azy.
Izany no nitranga tamin'ilay bilaogera Saodiana Fouad Al Farhan.

Misy bilaogy iray ihany koa ato [8] napetrak'ireo mpikatroka manohana azy.