- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kazakhstan: “Mpitarika ny firenena” ny filoha hoy ny lalàna ka tsy azo henjehina

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2006)

Araka ny efa notaterina [1], nandany andiana fanitsiana antsoina hoe Lalàna momba ny Mpitaridalan'ny Firenena ny Parlemantan'i Kazakhstan tamin'ny 13 May, satria natao omena ny voninahitra toy izany ny filoha amperinasa.

Nitondra ny firenena nandritra ny 20 taona mahery i Nursultan Nazarbayev, 69 taona, hatramin'ny naha-lasa an'i Kazakhstan ho isan'ny Firaisana Sovietika. Ahitana tsy fahafaha-manenjika amin'ny karazana andraikitra heloka bevava sy fitantanam-panjakana ho an'ny filoha sy ny fianakaviany ihany koa ilay fanitsiana, no sady mametraka sazy henjana amin'ny heloka bevava (onitra ambony be, fanagadrana any amin'ny fonja fanarenana na fanagadrana am-ponja mihitsy) amin'ny “fanovana ny biografian'ny filoha” sy ny ” fanimbana ny endriky ny filoha “. Mihatra amin'i Nazarbayev, mpitarika voalohany ao Kazakhstan ihany ny lalàna taorian'ny nahazoany fahaleovantena tamin'ny taona 1991.

Na dia izany aza, tsy nanasonia ilay lalàna hanan-kery ny filoham-pirenena. Nolazainy tamin'ny kabariny hoan'ny olom-pirenena, ny parlemanta sy ny antokony (izay mitàna ny seza rehetra ao amin'ny parlemanta) fa “ny satan'ny Mpitaridalan'ny Firenena dia tsy azo amin'ny alalan'ny lalàna na didim-panjakana”. Nisaotra ireo solombavambahoaka izy, saingy nanambara mazava fa mandà tsy handray ity sata ity izy: “Mangataka anao aho mba hahatonga ahy ho marina”, hoy izy.

Mailaka avy hatrany ireo bilaogera nankalaza izany, na dia nanamarika ny lalao manontolo ho namboamboarina aza:

“Marasmus is not that bad. […] However, the logic is pretty clear: a lot of people are now filled with respect to him. Even the opposition would praise him tomorrow, while the proponents would canonize his unlimited wisdom”, pulemetchizza wrote [2] [ru]. Il-pirato [3] added in comments [ru]: “It's easy to be a superman if you are surrounded by morons. It doesn't matter what Nazarbayev did or will do. He dismissed the greatest bullshit, and therefore he will be deemed a hero”.

“Tsy dia ratsy ilay fitarazohana. […] Na dia izany aza, mazava ho azy ny lojika: olona maro ankehitriny no feno fanajana azy. Na ny mpanohitra aza dia hidera azy rahampitso, raha hampiharihary ny fahendreny tsy manam-petra kosa ireo mpanohana” hoy i pulemetchizza nanoratra [2] [ru]. Il-pirato [3] kosa nanampy tao amin'ny fanehoan-kevitra [ru] hoe: “Mora ny ho lasa lehilahy mahery (superman) rehefa voahodidin'ny adala ianao.” Tsy mampaninona izay nataon'i Nazarbayev na izay ho ataony. Niala tamin'ny hadalana lehibe indrindra izy, ary noho izany, heverina fa maherifo.”

Count-asylum nilaza hoe [4] [ru]:

There is an ancient formula how to make people happy: you should first make them unhappy, and then turn everything back. Taking into account that the president has grown that high in our eyes, I vote to declare him a Leader of the Whole Free Mankind.

By the way, it would be fun if the parliament convened a special session and overcome the presidential veto.

Misy ny fitsipika tranainy mikasika ny fomba hampifaliana ny olona: Tokony hataonao aloha izay tsy mahafaly azy ireo, ary avy eo mamerina ny zava-drehetra. Raha jerena ny zava-misy fa nanao izany teo imasontsika ny filoham-pirenena, hifidy aho hanambara azy ho Mpitarika ny Olombelona Afaka Rehetra.
Fa izany eo ihany, mety ho mahafinaritra raha nanao fivoriana manokana ny Parlemanta ka noreseny ny vato tsy azo hivalozana (veto) avy amin'ny filoham-pirenena.

Tsy azon'ilay bilaogera saintsainina akory hoe efa manakaiky ny marina izy. Ny zava-misy dia nolavin'i Nazarbayev ampahibemaso ny lalàna, saingy … tsy nitsipaka tsy azo nivalozana izy! Ny mpitarika ny mpanohitra Zharmakhan Tuyakbai, lehiben'ny fampanoavana teo aloha, kosa nampitandrina [5] [ru] taorian'ny kabarin'ny filoha fa mahatonga ny lalàna hanan-kery tsy misy ny sonian'i Nazarbayev ny fahabangana eo amin'ny lalàna.

Nanjary ofisialy izany tamin'ny 15 Jona. Nanan-kery ny lalàna, nosoniavin'ireo filohan'ny parlemanta roa tonta (na dia antoko iray aza) sy ny praiminisitra. Manome antoka ny maha ara-dalàna ny lalàna ireo manampahefana ireo ary tompon'andraikitra amin'ny maha ara-dalàna azy. Adam-Kesher nilaza [6] [ru] hoe:

Such a silly show. […] First, he unambigously says that he doesn't want it. He perfectly knows – from his 20-year experience – what he has to do next in order to avoid the things he publicly and politically rejected. But he doesn't. […] There are two possible reasons.

One is that he has forgotten. Then the question comes up – whether a man having memory losses (which are quite normal in his age) can be a leader of the nation? This question is rhetoric, because we are now not allowed to discuss personal life of the leader.

The second option is that he simply changed his mind. And no comments are required in this case. […] The law violates the constitutional principle of equality of all citizens before the law.

Toy ny fampisehoana adala. […] Voalohany, nilaza tsy ampihambahambana izy fa tsy mila izany. Fantany tsara – nandritra ny 20 taona nitondrany – ny zavatra tokony hataony manaraka mba hisorohana ireo zavatra nolaviny ampahibemaso sy ara-politika. Saingy tsy manao izany izy. […] Mety misy antony roa.

Ny iray dia adinony. Avy eo tonga ny fanontaniana – raha manana olana ara-pitadidiana ilay lehilahy (izay tena ara-dalàna raha ny taonany)? Tsara izany fanontaniana izany, satria tsy avela hiresaka momba ny fiainana manokan'ny mpitarika isika ankehitriny.

Ny safidy faharoa dia hoe niova fihevitra fotsiny izy. Ary tsy ilaina ny fanamarihana amin'ity raharaha ity. […] Hitsakitsahan'ny lalàna ny fitsipiky ny lalàmpanorenana momba ny fitovian'ny olom-pirenena rehetra manoloana ny lalàna.

M-kaa nitabataba [7] fahadisoam-panantenana [ru]:

Why sometimes I am so deeply ashamed of the country I live in, the country I love? You know what I am dreaming of? I want my country to acknowledge that it is a monarchy. Not a parliamentary one or whatever else – simply a monarchy. Officially. No more hypocritical games with democracy, multi-party system or free speech.

Nahoana aho indraindray no menatra tanteraka ny firenena onenako, ny firenena mamiko? Fantatrao ve izay nofinofisiko? Tiako ny fireneko  mba hanaiky fa fitondram-panjaka izy io. Tsy parlemantera na zavatra hafa – fa fitondram-panjaka fotsiny. Amin'ny fomba ofisialy. Tsy misy intsony ny lalao mpihatsaravelatsihy amin'ny demokrasia, rafitra antoko maro na fahalalaham-pitenenana.