- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tongasoa amin'ny tontolom-bilaogy libaney

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 28 novambra 2005)

Namoaka [1] ity sary ity i Anton Efendi tao amin'ny cross the Bay, tamin'ny 27 novambra 2005:

Asehon'ny sary ny oroka nataon'ny praiminisitra tamin'ny handrin'i May Chidiac. Namoy tongotra iray sy tanana iray nandritra ny fipoahana baomba tamin'ny fiara i May Chidiac.

Ho an'i Anton, manome sariohatry ny tantaran'i Libanona io oroka io: firenena niaritra nandritra ny tantarany ny herisetra maro dia maro sy ny fifanoheran-kevitra ahitana fiarahamizaka.

Manana tantara hafahafa amin'ny fireneny ny Libaney. Maro amin'izy ireny no nandao hitady fidanadanana any ankafa, tsy mitsahatra ny mitaraina amin'ny zava-tsy mety ao aminy, be tabataba amin'ireo tsy fahampiana ary nanangana laza ho mankahala tena. Nefa amin'izany fotoana izany, samy mitahiry ny mahalibaney tsy voafehy daholo ry zareo, karazam-pankamamiana ho an'ny tanindrazany, eritreritra feno fanantenana fa indray andro any hiposaka indray ny masoandron'ny tanin'ny [hazo] sedera.

Karazam-pifanoherana mamaritra izay tena dikan'ny hoe libaney izany, ary ao anatin'izany tokotanin-tsehatra izany isika no mijery ny tontolom-bolongana libaney.

Mustapha no anarako, ary hanoratra ny fijery libaney ao amin'ny tontolom-bolonganaho an'ny tetikasa Global Voices aho. Hiezaka aho isa-kerinandro hamintina izany soratan'ny bilaogera libaney, fa anio, avelao aho hampahafantatra anareo antokon'olona iray: ny bilaogera libaney.

Ahoana ny mandrafitra ny olona iray ho bilaogeran'i Libanona?

Ny Lbaney sasany manoratra ny fiainany manokana fotsiny, fa mendrika izany anarana izany noho ny maha-libaney azy fotsiny. Raiso i Lala ohatra, nanoratra [2] ny fahadisoam-panantenany izy omaly fa nanokana ny fiainany manokana tany amin'ny sipany ny namany akaiky azy indrindra. Raha tsy nanoratra tsindraindray [3] ny lovan-kolontsaina [4] mahalibaney azy i Lala, dia tsy hahita azy hiteny avy amin'ny bilaoginy ianao fa Libaney anie izy. Toy izany ihany koa ny azo ilazàna amin'i Opinion From Bloggistan [5], na ny The Suffragettes [6].

Misy ny bilaogera sasany mitaky ilay voninahitra, tsy amin'ny maha-libaney azy ireo fa noho ny fanoratany momba an'i Libanona. Ohatra iray amin'izany i Micheal Totten, Amerikana iray miaina ao sy manoratra [7] momba an'i Libanona. Iray hafa i Unfrozen-Caveman-Linguist (UCL), mpanoratra ny Bliss Street Journal [8]. Amerikana ihany koa i UCL ary efa nipetraka elaela tao Libanona, saingy mbola mibilaogy [8] momba azy ihany na dia efa nandao azy aza.

Maro ny bilaogeran'i Libanona, ary noho ny ezaky ny olona toa an'i Eve, [9] Rampurple, [10] Delirious, [11] Liminal, [12] Tempest, [13] Maldolor, [14] Ramzi [15] ary ireo hafa, azo jerena ao amin'ny Lebanon Heart Blogs [16], bilaogy (iombonana) iray momba ireo bilaogeran'i Libanona ry zareo.
Fa amin'izao tetikasa Global Voices izao, mahita aho hoe ilaina ny mampahafantatra ireo bilaogera manome hevitra hatrany amin'ny zavamisy amin'izao fotoana. Efa notononiko i Anton Efendi, izay manoratra ao amin'i Across The Bay [17], bilaogy iray toa mampivandravandra mahita ny toe-javatra amin'izao fotoana izao ho misy fikafika mampiavaka an'i Machiavel hita ao amin'ny sokajin'olona mpanao politika.

Hitahita hatrany ny Across The Bay [17] tao ho ao, fa andiam-bilaogy maro no hita taorian'ny famonoan'ny sasany an'i Rafic Hariri, praiminisitr'i Libanona teo aloha, sy ny “Revolisiona Sedera” nanaraka izany. Indraindray ireo bilaogera ireo manonona ny tenany ho bilaogeran'ny 14 marsa, fampahatsiahivana ny andro izay niarahan'ny Libaney avy amin'ny antokom-pivavahana sy faritra rehetra nijoro hitaky ny marina sy ny hialàn'ny Syriana.

Raja sy Doha avy amin'ny The Lebanese Bloggers [18], horirantavan'i Libanona avy amin'ny Lebanese Political Journal [19], sy i Mustapha avy ao amin'ny The Beirut Spring [20], nanomboka ny bilaogin-dry zareo vantany vao nisy ny famonoana an'i Hariri.
Izany no hanazavan'ny The Lebanese Bloggers ny antom-pisian'ny bilaogin-dry zareo:

This blog was created to honor the memory of heroes of all the Lebanese sects who were assassinated for their patriotic stands…. May God bless their souls and bless Lebanon.

Najoro ity bilaogy ity ho fanomezam-boninahitra ireo maherifon'ny antokom-pivavahana libaney rehetra izay maty novonoina noho ny fijoroam-pitiavan-tanindrazany… Hitahy ny fanahiny anie Andriamanitra sy Hitahy an'i Libanona.

Nanaraka avy hatrany ny bilaogera hafa. Rehefa tsy miresaka imaso imaso amin'ny lohahevitra sasany ry zareo, manoratra ao anatin'ny fankamamiana sy ny tanja-tsaina miharihary ry zareo. Samy manana ny mahaizy azy sy ny fomba fanorany avokoa ry Kais mpanoratra ao amin'ny From Beirut To The Beltway [21], Carine avy ao amin'ny Chercheuse D'or [22], Vox avy ao amin'ny The Federal Republic of Lebanon [23] (izay manoratra amin'ny teny frantsay [24] ihany koa), Ramzi avy ao amin'i Ramzi’s Blah Blah [15], Jose Wales avy ao amin'ny Lebanonesque, [25] Maya ao amin'ny space [26]-ny ary i Abu Takla [27].

Ireo sy ny maro hafa no mandrafitra ny tontolo mahavariana an'ny bilaogeran'i Libanona. Handre ny momba azy rehetra ireo tsy ho ela ianao.