Vovonana tany Londres – taona 2005

Natao ny 10 Desambra 2005 tany amin'ny foiben'ny Reuters tany Londres, Fanjakana Britanika ny Vovonana voalohany. Fihaonana nandritra ny tontolo andro nizara efatra ary natao voalohany indrindra ho an'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, fa natrehin'ny vondrom-piarahamonina midadasika kokoa avy amin'ny mpanao gazety, fikambanana tsy mitady tombontsoa, sy ny fampitam-baovao mpientanentana amin'ny aterineto koa.

Azonao atao ny mamaky bebe kokoa momba ny hetsika ao amin'ny Bilaogy Mivantana natokana ho an'ny Vovonana.

Toy izao no nanehoana ny fivoriana:

The Global Voices Summit, on December 10th, will be an opportunity for contributors and community members to take stock of what we’ve done, promote our successes, and brainstorm about what a global citizens’ media community might accomplish going forward. The event has been made possible thanks to the generous support of the Berkman Center for Internet & Society and Reuters. It will be held at Reuters world headquarters in London.

Fotoana ny Vovonana Global Voices tamin'ny 10 Desambra 2005 nahafahan'ny mpandray anjara sy ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina hanombanana ny zavatra nataonay, hampiroborobo ny fahombiazanay, ary hivakijejy amin'izay azon'ny vondrom-piarahamonin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra manerantany iray irosoana. Tontosa ity hetsika ity noho ny fanohanana malala-tanana avy amin'ny Berkman Center for Internet & Society sy ny Reuters. Notontosaina tao amin'ny foiben-toeran'ny Reuters manerantany tany Londres izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.