- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vovonan'ny Bilaogera Arabo tany Beirota tamin'ny taona 2009

Sokajy: Mediam-bahoaka

Nivory fanindroany teo anelanelan'ny faha-7 sy ny faha 12-n'ny volana Desambra 2009 tany Beirota  ireo bilaogera Arabo avy any amin'ny firenena miisa 19 mba hifanakalo fahalalana, hahazo fiofanana sy hifanohana amin'ny fitadiavana ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny faritra Arabo. Nokarakarain'ny Global Voices sy ny Orina Mpanasoa The Heinrich Böll niaraka tamin'ny fanohanana avy amin'ny HIVOS sy ny Ivontoerana Open Society ny hetsika.