Tantara tamin'ny 07 Mey 2019
Ny foko Albaney no tompon'ny fanapahan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena ao Makedonia Avaratra
Hifidy amin'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny Alahady 5 May, ao anatin'ny fisalasalana momba ny taham-pandraisana anjara sy ny vokatra ny mponin'i Makedonia Avaratra.
Amerika: Jery todika 2008
Nodarohan'ny tafika mitam-piadiana Kolombiana ny tobin'ny mpiady anaty akatan'ny Tafika Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) miorina ao anatin'ny sisintanin'i Ekoadaoro, niteraka olana ara-diplomatika teo amin'ireo firenena roa tonta izany. Miaraka amin'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez nandray anjara tamin'ny adin-teny, izay tsy ela dia nivadika ho krizy ara-tsisintany tanteraka.
Sambany tany Israely no voasakana ny tranonkala filokana amin’ny Aterineto

Nanome baiko ny mpamatsy tolotra Aterineto rehetra tao amin’ny firenena ny polisy Israeliana mba hanakana ny fidirana amin’ny tranonkala maromaro manao filokana an-tserasera,
Bilaogy Boliviana: Aleo tsy hotantanin'ny tsy miankina ny rano, sy lohahevitra hafa koa
Nandritra ny Fihaonambe Manerantany momba ny Rano, nanambara i Bolivia fa tokony hiantohana ho toy ny zon'olombelona fototra ny rano. Miaraka amin'ireo firenena Amerikana Latina, nandresy lahatra ihany koa ny minisitry ny rano Boliviana vaovao mba tsy hampidirina ao anatin'ny fifanarahana ara-barotra malalaka ny fitantanan'ny tsy miankina ny rano.
Vovonan'ny Bilaogera Arabo tany Beirota tamin'ny taona 2009
Nivory fanindroany teo anelanelan'ny faha-7 sy ny faha 12-n'ny volana Desambra 2009 tany Beirota ireo bilaogera Arabo avy any amin'ny firenena miisa 19 mba hifanakalo fahalalana, hahazo fiofanana sy hifanohana...