- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nofoanan'i Angola ny antso fitadiavan-tolotra iray rehefa nahiana ny fisian'ny kolikoly

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona
[1]

Lohatenim-baovaon'ny Jornal de Angola momba ilay fitadiavan-tolotra lasan'ny Telstar. Pikantsarin'i Dércio Tsandzana, 19 avrily 2019, nahazoana alalana

[Amin'ny teny paortiogey avokoa ny rohy rehetra afa-tsy izay marihana manokana]

Nofoanan'ny [2] filoha angoley João Lourenço tamin'ny 18 avrily lasa teo ny antso fitadiavan-tolotra momba ny orinasam-pifandraisandavitra finday fahaefatra ao amin'ny firenena noho ny antony voalaza fa tsy nanaja ny fitsipika sasany ny Telstar, ilay orinasa nahazo ny tolotra. Fanapahan-kevitra izay ahitana taratra izay mety ho fisaratsarahana ao amin'ny governemanta angoley.

Efa tamin'ny janoary 2018 ny fananganana ny Telstar, manana renivola 550 euros, ary ahitana ny jeneraly Manuel João Carneiro (90%) sy ny mpandraharaha António Cardoso Mateus (10%) ho manana ny petrabola ao aminy, araka [3] ny gazety Português Observador. Efa tamin'ny andron'ny filoha teo aloha José Eduardo dos Santos no nahazoan'i Manuel João Carneiro io gradin'ny jeneraly io, raha inoana [4] ny tranonkalam-baovao angoley Club Net.

Araka ny nosoratan'i Observador, orinasa 27 no namaly ny antso nataon'ny minisiteran'ny fifandraisandavitra sy y teknolojiam-baovao, ary arahin'i José Carvalho da Rocha maso.

Nosoniavin'i João Lourenço anefa ny hitsivolana mametraka ny fitsipika vaovao amin'ny fisokafan'ny antso fitadiavan-tolotra tamin'ny 25 avrily 2019, araka ny nolazain'ny Jornal de Angola [5].

Taorian'ny famoahana ny vokatry ny fitadiavan-tolotra, manontany tena amin'ny fahitsian'ny fizotran'ny raharaha ny angoley, nanamarika ohatra ny tsy fisian'ny tranonkalam-pifandraisana aterineton'i Telstar. Izay ohatra no notondroin'i Skit Van Darken, mpamoaka sy mpanomana lanonana, tao amin'ny pejiny Facebook [6] :

A Telstar – Telecomunicações, Lda, constituída a 26 de Janeiro de 2018, com capital de 200.000 Kwanzas…de acordo com o Diário da República, cujos accionistas são o general Manuel João Carneiro (90% do capital), na reforma, e António Cardoso Mateus (10%).

O accionista maioritário tem ligações à empresa Mundo Startel, uma sociedade de capitais anónimos, registada na INACOM, o regulador das telecomunicações, com licença de telefonia fixa, entretanto expirada. Uma empresa que nem se quer website tem!

EU NÃO ACREDITO SE QUER QUE EXISTIRAM OUTROS CONCORRENTES

ESSE PAÍS É UMA DESGRAÇA

Telstar – Télécommunications, natsangana tamin'ny 26 janoary 2018, manana renivola 200 000 Kwanzas… araka ny Diário da República, ary ny manana petrabola ao dia ny jeneraly Manuel João Carneiro (90% amin'ny renivola) sy António Cardoso Mateus (10%).

Ny manana petrabola maro an'isa amin'io manana fifandraisana amin'ny Mundo Startel, orinasa andrenivola tsy tononina anarana, voasoratra ao amin'ny INACOM, fahefana miandraikitra ny fampanarahan-dalàna ny fifandraisandavitra, manana lisansa telefonina mifaka, izay efa lany daty. Orinasa tsy manana tranonkala akory !

TSY MINO AHO HOE NISY MPIFANINANA HAFA TAO

MAHAMENATRA ITY FIRENENA ITY

Mifanindran-dalana amin'izany, midera ny fihetsika nataon'ny filoham-pirenena i Joaquim Lunda [7], mpanao gazety sady mpisera mavitrika ao amin'ny media sosialy, ary mihevitra izy fa tokony hizaka ny fiantraikan'ny fahadisoany ny minisitra amin'izao fotoana :

Agradeço e é de louvar a decisão tomada pelo Presidente da República, João Lourenço em anular o concurso público que atribuiu à empresa angolana Telstar a licença para a quarta operadora de telecomunicações em Angola. Havia muitas reticências e muitos pontos por esclarecer no assunto. Não se reconhece idoneidade numa empresa que foi criada em 2018 c/ capital social de 200 mil kwanzas em ser lhe atribuído a tal empreitada.

Tenho a plena certeza que os dias do Ministro das Telecomunicações e das Tecnologias de Informação, José Carvalho de Rocha, estão contados. Após o desaire que foi o ANGOSAT 1, agora mais este que testemunhamos hoje, duvido se o “Dread” vai resistir.
Apreciemos os Cenários…Nas Calmas!!”

Ankasitrahako ny fanapahan-kevitry ny Filohan'ny Repoblika, João Lourenço, nanafoana ny antso fitadiavan-tolotra izay nanome ny lisansa amin'ny tambajotram-pinday fahaefatra an'i Angola tamin'ny orinasa Telstar. Nisy ny fihisitrisirana maro sy ireo toe-javatra mila hazavaina. Tsy misy azo itokisana orinasa vao natsangana tamin'ny taona 2018 manana renivola 200 000 kwanzas, nefa dia nahazo izao fifanarahana izao.

Matoky aho fa kely sisa ny andron'i José Carvalho de Rocha, minisitry ny fifandraisandavitra sy ny teknolojiam-baovao. Taorian'ny nampandamòka ny ANGOSAT 1, sy izay hitantsika amin'izao fotoana, misalasala aho hoe mbola hifikitra ny «Dread».

Aoka hifaliantsika… am-pitoniana izay mitranga!! »

Tonga izao fanapahan-kevitry ny Filohan'ny Repoblika izao volana maromaro taorian'ny nitarihan'ity minisitra ity ihany ny tetikasan-janabolana Angosat 1, izay tsaroan'ny maro noho ny tsy fahombiazany maro [8] [mg].

Ho an'i Adriano Sapiñala [9], depioten'ny antoko mpanohitra lehibe indrindra ao Angola, mandravaka ny tsy fisian'ny firindrana ao amin'ny governemanta izao toe-javatra izao :

JLo tem de andar a combinar bem com os seus auxiliares porque ontem o Ministro de tutela dizia que o tempo das reclamações tinha terminado e por isso a Telstar teria avançado com os passos subsequentes sendo ela vencedora do concurso fraudulento e hoje JLo vem e anula o concurso!! Vocês comunicam assim tão mal?

Agora ou o Ministro coloca o seu cargo à disposição (demitindo-de) ou então JLo tem de o exonerar porque se anulou o concurso é porque não correu bem e para não beliscar ninguém inocente, que se apurem responsabilidades!!

Tokony hifanakalo hevitra amin'ny mpiara-miasa aminy i JLo satria omaly ny minisitra nilaza fa efa tapitra ny fotoam-pitarainana; nandritra izany fotoana izany ny Telstar nampandroso ny vatom-panorony ka nahazoany ny antsom-pitadiavan-tolotra tamin'ny fomba tsy mazava, ary anio, nofoanan'i JLo ny fanomezana ny lisansa ! Ratsy fifanakalozan-kevitra tahaka izany ve ianareo ao aminareo ao ?

Amin'izao fotoana izao, na miala amin'ny toerany ny minisitra, na JLo manaisotra azy tsy ho tompon'andraikitra amin'ny tsi-fetezana. Nofoanana ny antso, tsy nandeha araka ny nantenaina ny toe-javatra, ary satria tsy melohina ny tsy manantsiny, dia mila fariparitana ny andraikitra