Atahorana ny ain'ilay mpikatroka Emiraty nogadraina, Ahmed Mansoor, enina herinandro nitokonana tsy hihinan-kanina izy izao

Mpikatroka ny zon'olombelona Ahmed Mansoor misazy folo taona an-tranomaizina amin'izao fotoana izao ao Emirà Arabo Mitambatra. Sary: Martin Ennals Foundation, avy amin'ny Citizen Lab.

Ity lahatsoratra ity dia niara-nosoratan'i Khalid Ibrahim, tale mpanatanteraka ao amin'ny Gulf Center for Human Rights (GCHR) sy Joe Stork, filohan'ny birao mpanolo-tsaina ao amin'ny GCHR.

Migadra amin'ny fonja mitokana ao Emirà Arabo Mitambatra ny namantsika Ahmed Mansoor, mpiaro ny zon'olombelona mahery fo sady raim-pianakaviana manan-janaka efatra, mamita sazy 10 taona noho ny “heloka” filazana ampahibemaso ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any Emirà Arabo Mitambatra.

Nosamborina sy nogadraina imbetsaka tao amin'ny fireneny nanomboka tamin'ny taona 2011 i Ahmed, izay birao mpanolo-tsaina ao amin'ny Foiben'ny Hoala misahana ny zon'olombelona (GCHR) sy sampana Mpanara-maso ny Zon'olombelona Afovoany Atsinanana. Nanomboka tamin'ny volana martsa 2017 ny fahoriany amin'izao fotoana, tamin'izy nosamborina ary avy eo voaheloka noho ny faniratsiràna ny “sata sy ny voninahitry” Emirà Arabo Mitambatra sy ny saimbôliny, sy noho ny “famoahana tatitra diso” tao amin'ny media sosialy.

Nogadraina irery tao amin'ny fonja Al-Sadr ao Abu Dhabi ny namantsika, izay tsy manana fandriana atoriany ary tsy misy rano ao amin'ny efitrany ao am-ponja. Tsy mahazo fitsidihan'ny fianakaviana ara-potoana na zo hafa sy tombontsoa hafa omena ireo voafonja hafa izy, toy ny antso an-telefonina mahazatra sy ny fahazoana mamaky boky, gazety, ary fahitalavitra. Tsy avela mandeha eny ivelany izy na mandray anjara amin'ny fanatanjahantena. Ireo no fepetra mahazatra omena ireo gadra voaheloka noho ny heloka bevava mahery vaika.

Samy nandray ny fanagadrana mitokana maharitra ela ho toy ny endrika fampijaliana ny mpitati-baovao manokan'ny Firenena Mikambanana misahana ny fampijaliana, sy ny fepetra ambany indrindra an'ny Firenena Mikambana momba ny fikarakarana ireo voafonja.

Nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina i Ahmed tamin'ny 17 Martsa ho fanoherana ireo fepetra ratsy iainany ao am-ponja sy ny fanamelohana azy tsy ara-drariny noho ny hetsika ataony ho an'ny zon'olombelona. Hatramin'io fotoana io, dia niharatsy ny fahasalamany. Manomboka tsy dia mahita izy, tahaka ny mahazo matetika ireo olona miaritra fotoana ela tsy misy sakafo (jereo ny fanazavana antsary etsy ambany).

Ny tantaran'i Ahmed

Tamin'ny volana martsa 2017, notafihan'ny mpitandro ny filaminana ny tranon'i Ahmed Mansoor tao Ajman, izay niarahany nipetraka tamin'i Nadia vadiny sy ny zanany lahy efatra. Nentin'ireo manamboninahitra izy, niaraka tamin'ireo findainy, solosainy sy fitaovana elektronika hafa azy sy ny fianakaviany. Nitatitra ny sampam-baovao ofisialin'ny UAE fa nosamborina izy noho ny fampiasana ny media sosialy mba hamoahana “vaovao hosoka” sy “vaovao diso” ho “fanimbana ny lazan'ny fanjakana.” Tsy mety milaza ny toerana misy azy ny governemanta, ary tsy mamela azy hifandray amin'ny mpisolovava azy na ny fianakaviany.

Herintaona mahery taty aoriana, tamin'ny 30 May 2018, nitatitra ny gazety mpivoaka isan'andro ao Abu Dhabi, The National fa nanameloka an'i Mansoor ho naniratsira ny “sata sy ny voninahitr'i Emira Arabo Mitambatra sy ny saimbôliny”, namoaka “vaovao diso” tao amin'ny media sosialy sy “nikasa hanimba ny fifandraisan'i UAE amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy” ny Sampana Fiarovam-panjakana ao amin'ny Fitsarana Ambony Federaly. “Nanasazy azy higadra 10 taona an-tranomaizina sy handoa onitra iray tapitrisa Emirati dirhams (270 000 dolara amerikana) ny fitsarana.

Tsy azo nidiran'ny fampitam-baovao, ny diplaomaty sy ny mpanara-maso ivelany hafa ny fotoam-pitsarana manontolo. Manitsakitsaka mazava ny zon'i Mansoor amin'ny fanehoan-kevitra malalaka voalaza ao amin'ny lalàna iraisam-pirenena ny fiampangana sy ny fanamelohana azy. Nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Federaly tamin'ny 31 Desambra 2018 ny fanamelohana azy sy ny sazy azony.

Nanomboka ny asany tamin'ny fiarovana ny zon'olombelona tamin'ny taona 2006 i Mansoor ary nanomboka tamin'ny taona 2011, nahazatra ny fanorisorenana sy ny fanenjehan'ny governemanta azy.

Tamin'ny volana Aprily 2011, nogadraina niaraka tamin'ireo mpiaro ny zon'olombelona efatra – the UAE 5 – izy nandritra ny fito volana taorian'ny fanasoniavana fanangonan-tsonia ho an'ny filohan'ny UAE, izay nitakian'izy ireo ny fanamafisana ny fahefan'ny mpanao lalàna sy fanitarana ny zo hifidy ho an'ireo olom-pirenena UAE amin'ny fifidianana Filan-kevitra Nasionaly Federaly. Voampanga ho nanevateva ireo mpitondra ny fanjakana UAE izy sy ireo mpiaro hafa ary nogadraina, saingy namela azy ireo ny Sheikh Khalifa bin Zayed Al Nahyan, filohan'i UAE ny ampitso. Nanomboka tamin'izay fotoana izay, dia tsy nety nanome ny pasipaoron'i Mansoor ireo manampahefana, mazava ho azy fa manala ny zony hivezivezy malalaka.

Tamin'ny volana septambra 2012, notafihan'ny olona iray tao amin'ny Anjerimanontolon'i Ajman i Mansoor, ora maro taorian'ny nandraisany anjara tamin'ny lahatsary tamin'ny lanonana tao amin'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana momba ny zon'olombelona tao Genève. Naratra ny lohany, ny tendany ary ny tanany. Nitranga enina andro taorian'ny fanafihana nataon'ny olon-kafa azy koa tao amin'ny Oniversiten'i Ajman ihany izany fanafihana izany. Nitaraina tany amin'ny polisy momba ireo tranga roa ireo i Mansoor, izay niahiahy ny fiarovam-panjakana ho ambadiky ny fanafihana, saingy tsy nisy vokany ny fitarainana.

Niharan'ny fanarahamaso sy ny fanafihan'ny mpitsikilo ihany koa i Mansoor. Tamin'ny taona 2014, nisy nijirika ny kaontiny Twitter. Tamin'ny volana aogositra 2016, nahazo hafatra an-tsoratra tsy mitonona anarana izy, mandrisika azy hitendry ny rohy misy ny vaovao momba ireo gadra iharan'ny fampijaliana ataon'ny sampam-piarovana UAE. Nanadihady ilay hafatra ny Citizen Lab ao Toronto ary nahita fa rindrambaiko mpitsikilo natao hijirika sy hiditra ary hifehy ny iPhone-ny izany.

Lasibatry ny fanorisorenana sy fandrahonana ho faty tao amin'ny media sosialy ihany koa izy. Nifanojo tamin'ny fampielezan-kevitra fanalam-baraka tao amin'ny media Emiraty ireo.

Ny 6 Oktobra 2015, voafidy ho mpandresy tamin'ny Loka Martin Ennals ho an'ny mpiaro ny zon'olombelona tamin'ny taona 2015 i Mansoor noho izy “iray amin'ireo feo vitsy ao amin'ny UAE izay manome tombatombana mahaleo tena azo antoka mahakasika ny fivoaran'ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.” Na izany aza, nosakanana tsy hanatrika ny lanonana izy noho ny fandraràna azy tsy ara-dalàna tsy hivezivezy nanomboka tamin'ny taona 2011.

Nitaky ny famotsorana an'i Ahmed tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra ny parlemanta Eoropeana, ny mpitati-baovao manokan'ny Firenena Mikambana ary ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona.

Eo ambanin'ny lalàna UAE, indraindray ireo voafonja afaka mangataka famotsorana mialoha aorian'ny fahavitana ny roa ampahatelon'ny saziny. Ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona, ​​na izany aza, dia matahotra fa tsy maintsy hamita ny sazy 10 taona feno i Ahmed, raha tsy mihoatra. Misy ihany koa ny ahiahy fa hogadraina amin'ny fomba tsy ara-dalàna izy rehefa avy mamita ny saziny, tahaka ireo hafa toa an'i Osama Hussein Al-Najjar, tanora bilaogera nosamborina noho ny fanoherany ny fanamelohana ny rainy. Ary rehefa navotsotra, dia eo ambany “fanarahamaso”  mandritra ny telo taona ny namanay.

Atahorana ny ain'i Ahmed Mansoor noho ireo fepetra mampihoron-koditra amin'ny fanagadrana azy, izay nanery azy hanao fitokonana tsy hihinan-kanina tamin'ny volana Martsa. Miantso ireo rafitra iraisam-pirenena izahay, anisan'izany ny rafitra Firenena Mikambana mba hiditra an-tsehatra maika mba hiantohana fa hanafaka an'i Ahmed Mansoor ny governemanta UAE ary hamela azy hahazo fitsaboana tsy misy fanemoram-potoana.

Miaraka amin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona am-polony hafa, ​manentana ny mpamaky izahay mba hanohana an'i Ahmed Mansoor amin'ny alàlan'ny fidirana ao amin'ny fanentananay ho famotsorana azy, amin'ny famoahana hafatra fanohanana ao amin'ny pejy Facebook natsangan'ireo namany sy ao amin'ny Twitter eo ambanin'ny tenifototra #FreeAhmed.

Fantaro ny vokatra ara-batana amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina miaraka amin'ny sary eto ambany, noforonin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny Visualizing Impact.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.