Ireo vovonana efa notanterahana

Koa satria tsy manana birao mivaingana hitamaso amin'ny asa ataonay isan'andro izahay dia nikarakara ny fivoriana fanao isan-taona ho an'ny vondrom-piarahamoninay virtoaly izahay tany ampiandohana mba hihaonan'ny Global Voices mivantana.

Nampihaona ireo mpikatroka manerantany avy amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra sy nomerika izay tena mahavita zava-baovao ary manome aingam-panahy indrindra ireo Vovonana sy ireo Fihaonan'ny Bilaogera Arabo hanaovana atrikasa sy adihevitra. Niteraka finamanana vaovao sy fiaraha-miasa mahatalanjona miampita sisintany ny fivoriana maharitra 2 ka hatramin'ny 4 andro.  Tsikaritra foana ao amin'ny fandaharam-potoana ny sakafo matsiro, ny fitsangatsanganana, ary ny mozika .

Miezaka ny mihaona any amin'ny firenena vaovao izahay isaky ny mandeha. Efa nanao fivoriana miisa 11 izahay nanomboka hatramin'ny 2005 noho ny fahalalahan-tanan'ireo mpanohana sy ireo namana:

Teraka nandritra ny fihaonana iray andro tamin'ny volana Desambra 2004 tao Harvard Law School ny Global Voices izay nihaonan'ireo bilaogera manerantany niresaka fa ahafahana manamora ny fifanakalozan-kevitra erantany hatreny an-kianja ny famahanam-blaogy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.