- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Goatemala: Tsy mampitombina ny sasany ireo sary mahery vaika ahitana ireo namoy ny ainy tamin'ny ady

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Mediam-bahoaka, Saripika, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2009)


Sary avy amin'i Surizar,  [1]nampiasaina araka ny lisansa Creative Commons

Ny fakana sary amin'ny sarimihetsika dia fomba iray ahafahana miantoka fa tsy manadino ny tantaran'ny firenena iray ny fahatsiarovam-bahoaka. Rehefa ahitana hetsika mahatsiravina izany tantaran'ny firenena izany, dia mety ho lasa fampahatsiahivana ny lasa mahery vaika sady tsy mampitombina ireo sary ireo. Tao Guatemala, mpaka sary maromaro no nandray anjara tamin'ny fandraketana sy fanehoana ireo sary avy amin'ny ady mitam-piadiana izay nitranga nandritra ny 36 taona [2].

Bilaogera Aly ao amin'ny bilaogy iombonana Dorsumi [es] manoratra momba ny mpaka sary Frantsay iray izay namoaka boky antsoina hoe “La verdad bajo la tierra Guatemala, el genocidio silenciado” [3] (Ny marina nalevina. Goatemala, ilay fandripaham-bahoaka nafenina).

En 1990, Miquel Dewever-Plana, fotógrafo francés de origen catalán, conoció en México a varios refugiados mayas guatemaltecos y decidió involucrarse a favor de los derechos humanos. Durante dos años Miquel documentó el proceso de exhumación de muchas víctimas del genocidio guatemalteco, informando así sobre un crimen contra la humanidad poco conocido: las masacres perpetradas por el Gobierno de Guatemala entre los indígenas mayas durante la década de 1980, y dar a conocer a las víctimas con nombres y apellidos, contribuyendo así a dignificarlas. Fruto de aquel reportaje se publicó este libro que acompaña la exposición con el mismo nombre que ha podido verse hasta el momento en ciudades como París, Barcelona o Palafrugell, entre otras.

Tamin'ny taona 1990, nihaona tamin'ireo mpitsoa-ponenana Mayan Goatemalteka maromaro tany Meksika i Miquel Dewever Plana, mpaka sary Frantsay mpiavy Katalanina, ary nanapa-kevitra ho mavitrika amin'ny resaka zon'olombelona izy. Nandritra ny roa taona i Miquel no nanadihady ny fomba fandevenana ireo namoy ny ainy tamin'ny fandripahana tao Goatemala, manome vaovao momba ny heloka bevava amin'ny olombelona izay tsy dia be mpahalala: ny vono olona nataon'ny Governemanta Goatemalteka tamin'ireo mponina tompotany nandritra ny taompolo 1980 ka tamin'ny fanaovana izany, manome vaovao momba ireo namoy ny ainy, manome ny anarana sy ny fanampin'anarana, mandray anjara amin'ny fanomezam-boninahitra azy ireo. Vokatr'io fandraketana io, dia namoaka boky iray niaraka tamin'ny fampirantiana tamin'ny anarany ihany izy, izay naseho tamin'ny toerana tahaka an'i Paris, Barcelona na Palafrugell, ankoatra ny hafa.

Mpaka sary hafa, Daniel Hernández Salazar, koa nanao ezaka be mba hanavotana ny fahatsiarovana ireo namoy ny ainy. Vao haingana izy no nasaina tany amin'ny Lapan'ny Firenena Maro tany Genève, Soisa mba hampiseho ny sangan'asany. Nampiseho ireo lehilahy miboridana misolo tena ireo namoy ny ainy tamin'ny ady ny sasany tamin'ireo sary, izay nesorin'ireo mpikambana sasany avy amin'ny ekipan'ny Firenena Mikambana satria nolazain'izy ireo fa mety hanohintohina vondron'olona sasany ireny. Na izany aza, ny olona sasany, tahaka ilay bilaogera León Aguilera Radford ao amin'ny blaogy Klavaza [es]   [4]mihevitra fa tsy inona izany fa sivana: [4]

Guatemalan photographer Daniel Hernández-Salazar [5] was invited to expose his photographs at the Palais des Nations [6] , See of the United Nations Organization [7] in Geneva, Switzerland. Hernandez's images expose in an artistic and metaphoric way the horrors left by the civil war that devastated that Central American country during more than 30 years. One of his aims is to preserve the usually fragile memory of such events, in order to prevent its recurrence. In Guatemala, I am aware, many people would be glad to forget all that happened. However, History has the tendency to remember, like Borges Funes el Memorioso character.

It is fairly logical to imagine how difficult it must be to find a central point of agreement between the many representatives, officers, clerks, visitors, ambassadors and all such fauna, from a worldwide acquisition that conforms the UNO. But this is Art, Western Art if that matters, the same that has been a landmark of aesthetics since time immemorial. Therefore, it is impossible for me to justify UNO censorship, even after its officers accepted to expose three void spaces, to signal the missing images, and to send the visitors to this [8] web site, where the images are in a permanent, albeit virtual, exposition. I advice to you to please visit that site, You'll enjoy it.

Nasaina hampiranty ny sariny tao amin'ny Palais des Nations [6]ilay mpaka sary Goatemalteka Daniel Hernández-Salazar [5], Jereo ny United Nations Organization [7]  any Geneva, Soisa. Mampiseho amin'ny endrika ara-java-kanto sy an'ohatra ny horohoro navelan'ny ady an-trano izay nandravarava ny firenena Amerika Afovoany nandritra ny 30 taona mahery ny sarin'i Hernandez. Iray amin'ireo tanjony ny hitahiry ny fahatsiarovana matetika manjavona mikasika ny hetsika toy izany, mba hisorohana ny fiverenany. Ao Goatemala, fantatro fa maro ireo olona ho faly ny hanadino ny zava-drehetra nitranga. Na izany aza, manam-pironana ny hahatsiaro ny tantara, tahaka ilay olo-malaza Borges Funes el Memorioso.

Lojika kokoa ny maminavina fa sarotra ny mahita fifanekena iombonana eo amin'ireo solontena maro, manamboninahitra, mpiasa birao, mpitsidika, ambasadera sy ny zavamanan'aina mihetsika rehetra toy izany, avy amin'ny fahazoana manerantany izay mifanaraka amin'ny ONU. Saingy zavakanto ity, Zavakanto Tandrefana raha izay no zava-misy, ilay mitovy amin'ny mariky ny hatsarana hatramin'ny fotoana tsy tsaroana. Noho izany dia tsy ho vitako ny hanome rariny ny sivan'ny ONU, na dia efa nanaiky hampiseho sehatra telo banga, hampahafantarana ireo sary banga, sy handefa ireo mpitsidika ao amin’ity  [8]tranonkala ity aza ireo mpiasany, tranonkala izay ahitana sary maharitra, na dia fampirantiana virtoaly aza. Manoro hevitra anao aho mba hitsidika an'io tranonkala io, ho ankafizinao izany.

Afaka manampy amin'ny fitazonana ny fahatsiarovan'ny olona, ​​izay niharan'ny loza nahatsiravina tany aloha ireo sary ireo. Mpaka sary maro toa an'i Plana sy Hernández-Salazar no te-hampiasa ny sangan'asan'izy ireo mba hahafahan'ny hafa mahatakatra ny tantara, manangana hoavy, ary manao ny fehezan-teny hoe “aza averina intsony mandrakizay” ho lahateny miverimberina fotsiny, fa fampanantenana ho an'ny ho avy.

Hajia-tsary avy amin'i James Rodríguez [9], nahazoana alalana

Fanampiny: Raha hijery ireo sarin'i Daniel Hernández’ [10] nesorina tao Genève, dia tsidiho ity tranonkala ity [8].