- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandrakitra zavakanto an-dàlambe manerana an'i Amerika Latina ity tetikasa avy any Arzantina ity

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Pikantsary tao amin'ny kaonty Instagram ACL.

Tetikasa iray any Arzantina mampiasa ny tambajotra sosialy hanohanana sy andraketana zavakanto an-dàlambe manerana an'i Amerika Latina ny Arte Callejero Latinoamérica (Zavakanto An-dàlambe Amerika Latina, na ACL).

Araka ny voalazan'ny tranonkalan'izy ireo [2], teraka tao anatin'ny tontolon'ny Krizy Ara-toekarena Lehibe tany Arzantina [3] teo anelanelan'ny taona 1998 sy 2002 ny tetikasa, raha nahatratra 20 isan-jato ny tsy fisian'ny asa ary niely be ny korontana sy ny fandrobana. Nitarika ny filoha miisa efatra [4] hametra-pialana tao anatin'ny folo andro monja ny krizy tamin'ny taona taona 2001, ary nanana trosa lehibe indrindra tamin'ny tantara ny governemanta. Tamin'ny taona 2003, niakatra ho 51,7% ny tahan'ny fahantrana raha 26,7% izany tamin'ny taona 1999. [5]

Nanomboka nahasarika ny Arte Callejero ny valinteny hita maso sy ara-javakanto momba ny krizy teny an-dalamben'i Buenos Aires ary nandrakitra izany tao amin'ny tranonkala izy ireo. Nandritra ny taona maro, nanomboka nikarakara fampirantiana izy ireo ary namindra ihany koa ny ezaka fampielezana izany tao amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy.

Ivan Andrada [6], mpanakanto sady mpamolavola kolontsaina avy any Arzantina no mpanorina ilay tetikasa. Nolazainy tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny hafatra mivantana tao amin'ny Instagram fa mikarakara fampirantiana zavakanto an-dàlambe any Shily sy Meksika izy, ary matetika izy no mandeha any amin'ny faritra mba hampiroborobo ny ACL.

Hankalaza ny faha 15 taona nisiany ny ACL amin'ity taona ity miaraka amin'ny fetiben'ny [7] zavakanto an-dalambe ao Buenos Aires ny 24 Aprily hatramin'ny 25 Mey 2019. Manolotra fampirantiana, adihevitra, ary horonantsary fanadihadiana miaraka amin'ireo mpanakanto an-dalambe sy ireo vondrona avy any Amerika Latina ny fetibe.

Tahirin-tsary sarobidy ahitana ny zavakanto an-dàlambe amin'ny endriny rehetra avy any amin'ny faritra ny pejy Facebook [8]-n'ny tetikasa, ny Youtube, ary ny tahirin-tsarin'ny Instagram. Ao amin'ny Instagram [1] no ahitana ny fisian'izy ireo matanjaka indrindra, izay ahitana mpanjohy efa ho 10.000. Mamerina mamoaka ireo sary an-drindrina navoakan'ireo mpisera Instagram hafa ihany koa ny kaontiny  .

Mampiseho ny sarin'ilay poety Shiliana Pablo Neruda ny sary etsy ambany izay nalaina tao Buenos Aires ary naverin'ny ACL navoaka indray. Maneho ny tombatomban'ny mpamaky vao haingana mikasika ny lasan'ilay nahazo ny loka Nobel izay mpankahala vehivavy [9] sady masiaka [10] mihitsy aza, ny fanazavana.

View this post on Instagram

Repost de @stickerartec – Visto en #Belgrano #BuenosAires Autor: @quehacesmapache . . #PabloNeruda #Neruda #DaddyYankee #StreetArt #ArteCallejero #artecallejerolatinoamerica #Pegatina #Calco #Urban #UrbanArt #ArteUrbano #Street #Sticker #StickerCulture #CulturaSticker [11]

A post shared by #FestivalACL2019 [1] (@arte.callejero.latinoamerica) on

Mivaky toy izao ny sary : ” Afaka manoratra ny andalan-teny mankahala vehivavy indrindra aho anio alina. Pablo Neruda, niaraka tamin'ny [mpihira reggaeton] Daddy Yankee. “Hita tany Belgrano, Buenos Aires.

Maro amin'ireo sary navoakan'ny ALC no manasongadina ny sanganasa hita maso miaraka amin'ny hafatra politika mafonja. Mampiseho toy ny ohatra ity sary an-drindrina ity tao São Paulo, Brezila, izay mampiseho ny mpiara-manorina ny Facebook Mark Zuckerberg :

View this post on Instagram

Repost de @buenocaos – Nem via Twitter. Tio Zuck mandando a real nas ruas de São Paulo. Revolucionários de cartolina ✊ Zuckerberg is sending some messages in the streets of São Paulo: "Revolution will not be through Facebook, Instagram nor WhatsApp". Paperboard revolutionaries ? #streetart #urbanart #wheatpaste #pasteup #lambelambe #lambe #arteurbana #zuck #facebook #instagram #whatsapp #revolucionáriosdecartolina [12]

A post shared by #FestivalACL2019 [1] (@arte.callejero.latinoamerica) on

Hoy ny fivakin'ny soratra eo amin'ny rindrina hoe: “Tsy hitranga ao amin'ny Facebook ny revolisiona”

Hoy ny fanazavana: “Ary tsy ho ao amin'ny Twitter.”

Mbola ao Brezila ihany , mampiseho ny sarin'ny filoham-pirenena ao an-toerana, Jair Bolsonaro ity sary an-drindrina ity:

View this post on Instagram

repost de @ricardogelli – Não ao racismo, a misoginia, ao sexismo, a homofobia, a xenofobia… não ao fascismo. Não ao terror. Viva a democracia! ♥️ #elenão #elenunca #elejamais [13]

A post shared by #FestivalACL2019 [1] (@arte.callejero.latinoamerica) on

Hoy ny fanazavana hoe: “Tsia mila fanavakavaham-bolonkoditra, fankahalana vehivavy, fanavakavahana ara-pananahana, fankahalana pelaka, fankahalana vahiny … Tsia mila fasisma. Tsy mila fampihorohoroana. Ho ela velona ny demokrasia! “

Ny lahatsoratra manaraka dia tamin'ny fotoanan'ny didy jadona miaramila tany Arzantina [14] (1976-1983) izay nahitana ny olona manodidina  ny 30.000 noteren'ny fanjakana sy ny mpiara-miasa aminy hanjavona.

View this post on Instagram

repost de @dexpierte_colectivo – 43 años del golpe de Estado que inició la dictadura militar y con ella, una represión sistemática, inédita en la historia Argentina. No olvidamos #Odiosuguerra #pasteup #sinolvido D.E.X.P.I.E.R.T.E [15]

A post shared by #FestivalACL2019 [1] (@arte.callejero.latinoamerica) on

Hoy ny vakin'ny soratra an-drindrina hoe: “76-16, 40 taona, tsy misy intsony”, ary “Ny taloha ihany, ilay fahavalo iray ihany, ny mety hisy ihany: ny fanafahana”
Hoy ny fanazavana: “43 taona taorian'ny fanonganam-panjakana izay nanombohan'ny didy jadona miaramila ary niaraka tamin'izany, ny famoretana tsy nitsahatra, mbola tsy nisy toy izany teo amin'ny tantaran'i Arzantina. Tsy hadinonay. “

Nataon'ny fikambanana ara-javakanto Arzantiniana Agra [16] ny sora-baventy etsy ambony. Navoakany tao amin'ny aterineto izany mba hahafahan'ny fikambanana ara-javakanto hafa avy ao amin'ny faritra manonta pirinty izany ihany koa. Natontan'ny fikambanana ara-javakanto Kolombiana Dexpierte Colectivo Ity iray eto ambony ity ary napetaka tamin'ny rindrina tao an-drenivohitry ny firenena ao Bogotá.

Avy any an-tanandehiben'i Mexico ny ohatra iray hafa amin'ny lahatsoratry ny ALC izay ahitana sary mampahatsiahy ireo olona nandalo ny zava-nitranga tamin'ny taona 1968 [17], raha namono olona an-jatony nandritra ny hetsi-panoheran'ny mpianatra [18] ny polisy sy ny milisy:

View this post on Instagram

repost de @emm_g.g – #Memories #tlatelolco #tlatelolco68 #mexico [19]

A post shared by #FestivalACL2019 [1] (@arte.callejero.latinoamerica) on