- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gidragidra an-tsisintany eo amin'i Malezia – Indonezia

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Malezia, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2010)


Jereo amin'ny sarintany lehibe kokoa [1]

Niteraka disadisa indray teo amin'ny firenena roa tonta ny fifandonana an-tsisintany vao haingana teo amin'i Malezia sy Indonezia.

Ny faritra voakasika dia ny nosy Bintan. Nosamborin'ny manampahefana Indoneziana ireo mpanjono Maleziana fito tratra nanjono. Na izany aza, nosamborin'ny polisy Maleziana ihany koa ny telo tamin'ireo mpitandro filaminana Indoneziana misahana ny fanarahamaso ny fanjonoana teo akaikin'ny faritra nosy Bintan. Samy namotsotra ireo mpanjono sy ireo manamboninahitra ny firenena roa tonta tamin'izany. Samy milaza ireo firenena roa ireo fa azy ireo ny faritra

Fanampin'izany, nanadihady tatitra i Indonezia fa nanararaotra ireo manamboninahitra telo i Malezia, ary niteraka fihenjanana teo amin'ireo firenena roa izany. Vao maika niharatsy hatrany ny toe-draharaha rehefa nanipy maloto tao amin'ny masoivoho Maleziana tao Jakarta ireo mpanao fihetsiketsehana Indoneziana ary koa nandoro ny sainam-pirenena Maleziana.

Raha ny marina, dia nizarazara ireo Maleziana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera. Mihevitra ny sasany fa manafintohina izany, ny hafa kosa mahita izany ho toy ny hetsika ataon'ireo Indoneziana diso hevitra ary tsy misolo tena ny firenena iray manontolo, ary ny sasany indray mihevitra fa ny fampahalalam-baovao no nanitatra. Ny hafa milaza fa teorian'ny tsikombakomba izany.

Bilaogera Maleziana, Ibrahim Yahaya nibilaogy mikasika ny namana iray izay nahatsiaro nivadihan'i Indonezia, satria manampy amin'ny toekarena  Indoneziana amin'ny lafiny maro toy ny fanabeazana sy ny fizahan-tany i Malezia. Kanefa voatevateva izy ireo avy eo. Azo jerena ato [2] ny lahatsoratra feno, amin'ny teny Bahasa Malezia.

Ary raha mbola nandrahona ny handratra ireo Maleziana any Indonezia ireo mpanao fihetsiketsehana, mahatsiaro ho nalahelo [3] tamin'izany ny mpianatra Maleziana iray any Indonezia:

What scared me the most is that they threatened to detain Malaysians on the streets and shave their heads before sending them back.

But I know they do not representing the whole peace-loving of Indonesian people. I’ve been studying here for 4 years. They are many nice and good Indonesians that treated us Malaysian here nicely, putting aside all those tiffs between these two countries. (sic)

Ny tena nampahatahotra ahy indrindra dia nandrahona ny hitazona ireo Maleziana eny an-dalambe izy ireo ary hanasola ny lohan'izy ireo alohan'ny hamotsorana azy ireo.

Saingy fantatro fa tsy misolo tena ireo vahoaka Indoneziana tia filaminana izy ireo. Nianatra nandritra ny 4 taona aho teto. Marobe ireo Indoneziana mahafinaritra sy tsara fanahy izay nandray tsara anay Maleziana teto, tsy nijery ireo disadisa teo amin'ny firenena roa tonta. (sic)

Saingy notohizany hoe:

But I honestly don’t blame them. Media in here loves playing with the issue and sensationalizing it. Like how they did to the celebrities. Most of the info they aired were merely baseless allegations and they played it again and again as it were something need to be planted deep in the brain. Hatred been planted. (sic)

Saingy am-panetretena, tsy manome tsiny azy ireo aho. Tia milalao olana sy manitatra ny fampitam-baovao eto. Tahaka ny nataon'izy ireo tamin'ny olo-malaza. Ny ankamaroan'ny vaovao navoakan'izy ireo dia filazana tsy misy fotony ary nilalao izany hatrany izy ireo tahaka ny hoe zavatra tokony hambolena lalina ao anaty atidoha. Voatsatoka ny fankahalana. (sic)

Bilaogera iray avy ao Malezia nahatsapa fa tsy azo antoka ilay hetsi-panoherana [4], saingy mbola tsy mahatsapa ny ilaina valifaty [5]:

We wont go to war with Indonesia. There wont be any. Malaysia and Indonesia are like brothers. We share many special and common assets. Issues pertaining to our border dispute can be ironed out anytime and without prejudice.

Well, from my point of view, the issue has been exaggerated and thrown out of proportion. ome parties tried to lucre from it, i.e by arranging massive ‘home return’ for Indonesians.

Whatever it is, diplomatic settlement is still the best way. As far as relations between our two countries are concerned, it remain (sic) as ‘we-need-each-other’. Dont our friends in Indonesia think so?

Tsy handeha hiady amin'i Indonezia izahay. Tsy hisy velively izany. Toy ny mpirahalahy i Malezia sy Indonezia. Manana tombontsoa manokana sy iombonana izahay. Azo vahana amin'ny fotoana rehetra sy tsy misy fahavoazana ny olana mifandraika amin'ny sisintaninay.

Eny, araka ny hevitro, nohitarina ny olana ary tamin'ny fomba tafahoatra. Nisy antokon'olona sasany niezaka niala tamin'izany, izany hoe tamin'ny alalan'ny fandaminana ‘fiverenana mody’ faobe ho an'ny Indoneziana.

Na inona na inona, ny fandaminana ara-diplômatika no fomba tsara indrindra. Raha mikasika ny fifandraisana misy eo amin'ny firenena roa tonta, dia mitoetra izany (sic) satria ‘mila mifanampy isika’. Moa ve tsy mihevitra toy izany ireo namantsika any Indonezia?

Ahirudin Attan, bilaogera malaza ara-politika sy ara-tsosialy any Malezia, nanoratra lahatsoratra fohy [6] tao amin'ny bilaoginy mikasika ny olana izay niteraka fanehoan-kevitra marobe, anisan'izany ny avy amin'ny bilaogera namana Pasquale:

It is much ado about nothing this so called spat between us and Indonesia!

The Indonesia media, print and electronic that have been highlighting this kerfuffle are known to be pro Reform Movement in Malaysia! Need I say more!

I was there last week for four days and ask any average Indonesian on the street about the so called spat they say “ada dalang di sebalik tabir pak” or in English, roughly translated “There is definitely a puppetmaster behind the curtain sir doing all of these”.

Marobe ny resaka tsy amin'ny antony mikasika ilay antsoina hoe fifandonana eo amintsika sy i Indonezia!

Ny haino aman-jery, ny gazety sy ny aterineto any Indonezia izay manasongadina izany korontana izany dia fantatra fa mpomba ny Hetsika Fanavaozana ao Malezia! Mbola misy tokony holazaiko ve!

Tany nandritra ny efatra andro aho tamin'ny ny herinandro lasa ary nanontany ireo Indoneziana teny an-dalambe mikasika ilay lazaina hoe fifandonana, hoy izy ireo “ada dalang di sebalik tabir pak” na amin'ny teny Anglisy, adika tsotsotra hoe “Tena misy ireo lehiben'ny saribakoly ambadiky ny ramose ridao manao ireo rehetra ireo:

 

ary i AnnoyinglyAnonymous- LemanPulut [7]:

The recent Malaysian-Indonesian minor spat is, I think, a cooked-up scenario by certain parties who ABHOR the very idea of regional malays uniting under one ideological umbrella. That's just a theory, but one worth looking into.

Ny fifandonana kely vao haingana teo amin'ny Maleziana-Indoneziana, araka ny eritreritro, dia sehatra novolavolain'ireo antoko sasany izay MANDRANGARANGA ny hevitra fampiraisana Malay ara-paritra miray mialoka amin'ny foto-kevitra iray. Teoria fotsiny izany, saingy tokony hodinihana.