Syria: Mandefa ireo fanampiana any Gaza ny Vokovoko Mena (Volantsinana Mena)

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2009)

Nitatitra momba ny ezaky ny vokovoko mena Syriana Arabo amin'ny fandefasana fanampiana any Gaza ny Syria News Wire androany. Nahomby tamin'ny fandefasana kamiao 11 ahitana fanafody sy sakafo milanja 230 taonina any Gaza ity vondrona mpanao asa soa ity, izay mpikambana ao amin'ny Komity Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena.

Araka ny filazan'ny Syria News Wire:

The Red Cresent is sending the trucks, after volunteers collected donations from people across Syria. They are carrying medical supplies and food.

They will leave Syria and enter Jordan, on their way to Gaza at 10am on Saturday. If you want to follow their progress, or donate, you can read their live Twitter feed here.

We owe the people in these photos a debt of gratitude. Both the volunteers, for giving their time – and the people who donated, for giving their money.

Nandefa kamiao ny volantsinana mena, rehefa avy nanangona ireo fanomezana avy amin'ny olona manerana an'i Syria ny mpilatsaka an-tsitrapo. Nitondra fanafody sy sakafo izy ireo.

Hiala an'i Syria izy ireo ary hiditra ao Jordania, eny an-dalana ho any Gaza amin'ny 10 ora maraina amin'ny Asabotsy. Raha te-hanaraka ny fivoaran'izy ireo ianao, na hanolotra fanomezana, dia afaka manaraka ny Twitter-n'izy ireo ato.

Ananan'ireo olona ao amin'ny sary ireo trosam-pankasihatrana izahay. Ny mpilatsaka an-tsitrapo, noho ny fahafoizam-potoana- ary ny olona izay nanolotra fanampiana, nahafoy ny volan'izy ireo.

Miasa momba ny ezaka web 2.0 amin'ny fandaminana i Anas Qtiesh, mpandika-teny ao amin'ny GV Arabo sady mpilatsaka an-tsitrapo efa ela tao amin'ny volantsinana mena, manome vaovao farany ao amin'ny Twitter mikasika ny fahombiazan'izy ireo, ary mampahafantatra amin'ireo mpanjohy ny fomba ahafahan'izy ireo manohana ny ezaka:

 


*Fanamarihana: Noho ny sazy amerikana, dia tsy afaka manome fanampiana ho an'ny vokovoko mena Syriana Arabo ireo monina any Etazonia. Ny fandaminana tsara ahafahan'ny mponina Amerikana manolotra fanomezana dia ny Firaisan'ny Ankizy afovoany Atsinanana.

Sarin'ireo kamiao eny an-dalana ho any Gaza navoaka tao amin'ny Flickr:

Nanangana fantsona YouTube ihany koa ny volantsinana mena izay handefasan'izy ireo lahatsary misy ny asan'izy ireo, sy vondrona Facebook mba hanapariahana ny teny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.