- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Mpilalao sarimihetsika nanao hetsi-panoherana tao amin'ny parlemanta

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2010)

[1]

Ny tranoben'ny Parlemanta any Indonezia. Tahiry avy ao amin'ny Wikimedia Commons.

“Jujur, Adil, Tegas.” [2] Amin'ny teny Anglisy dia midika hoe “Marina, Madio, Mahitsy.” Ireo no voambolana voasoratra tamin'ny loko mena nataon'ilay menavazana mpilalao horonantsari-mihetsika malaza Pong Harjatmo [3] teo amin'ny tafon'ny tranoben'ny parlemanta Indoneziana ho mariky ny fanoherana ny zavatra nofaritany ho rafitra demokratika sy mpanao lalàna tsy mahomby ao amin'ny firenena.

Andro vitsy talohan'ilay  [4]mpilalao sarimihetsika 68 taona nihanika [4]ny tranoben'ny parlemanta mirefy 100 metatra, nisy ny tatitra nivoaka izay nanambara ny fihenan'ny fahatongavan'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena. Manazava ny antony mahatonga ireo mpiserasera marobe manohana ny fikasana sy ny fihetsik'i Pong izany

Manantena i Multibrand fa ho tonga saina ireo mpikambana kamo ao amin'ny Kongresy fa maro ny olona any Indonezia efa “marary sy reraka [5]” amin'ny tsy fahombiazan'izy ireo.

I have not heard about him for more than a decade, and today I was surprised about the protest he made against the members of the House of Representatives by climbing the roof of the House building.

I hope that what Pong did today would make members of the House aware that people are sick and tired about their performances many of whom are very lazy to attend meetings, love to sleep during meetings, involve in crimes, etc

Tsy nandre momba azy nandritra ny folo taona mahery aho, ary gaga aho androany mikasika ny hetsi-panoherana nataony tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny alalan'ny fianihana ny tafon'ny antenimiera.

Manantena aho fa ny zavatra nataon'i Pong amin'izao fotoana izao dia hahatonga ny mpikambana ao amin'ny antenimiera ahafantatra fa marary sy reraka ny olona noho ny tsy fahombiazan'izy ireo izay kamo manatrika fivoriana sy tafiditra amin'ny heloka bevava, sns ny ankamaroan'izy ireo

Indro fanehoan-kevitra sasantsasany tao amin'ny Facebook: [6]

Rice Guy D this man should be commended not condemned..saya pikir
Mico Roy Siswanto This is just an example of kind vandalism…
Andre Purvance Pong for President!
Agus Jemat [7] Don't say you are contemporary & street art artist if you never do what mr. Pong Harjatmo do today
Eton Sahertia [8] Good job, wake them up Mr. Pong 🙂

Rice Guy D tokony hoderaina ity lehilahy ity fa tsy melohina..saya pikir
Mico Roy Siswanto Ohatra iray amin'ny karazana fandrobàna ity …
Andre Purvance Pong ho Filoha!
Agus Jemat [7]  Aza milaza hoe mpanakanto amin'izao fotoana izao sy mpanakanto an-dàlambe ianao raha tsy mbola nanao izay nataon'Atoa. Pong Harjatmo androany
Eton Sahertia [8] Asa tsara, fohazy izy ireo Atoa. Pong 🙂

sounds of gibberish nanamarika fa nampiseho ny tanora [9] mikasika ny fomba fanaovana hetsi-panoherana mahomby i Pong fa tsy ilaozana miala-voly ao amin'ny Twitter sy Facebook fotsiny.

Pong slap youth of the nation in da face and showed us how to make a point (rather than stupid protest or meaningless rant in twitter or facebook account). This old timer really know how to strike (even when the iron is not hot) and really stands in what he believe (he even said that he will repeat his action in other government building

Don’t get me wrong, it’s not I totally agree to Pong action (OK, I support it 10000000000%, U go old timer! Though I think other method could be implemented before we go anarchy on the street). What I think most people missed from this controversy is the message, the substance, and the very reason of the action.

Namely tehamaina ny tanoran'ny firenena i Pong ary nampiseho antsika ny fomba fanehoan-kevitra (fa tsy ny hetsi-panoherana adala sy ny tabataba tsy misy dikany ao amin'ny twitter na facebook). Fantatr'ity lahy antitra ity ny fomba hamelezana (na dia tsy mafana aza ny vy) ary tena mijoro amin'ny zavatra inoany izy (niteny mihitsy aza izy fa hamerina ny fihetsiny any amin'ny tranoben'ny governemanta hafa).

Aza disoina aho, tsy hoe manaiky tanteraka ny hetsik'i Pong aho (OK, manohana izany 1000000000% aho, Tena mahay ianao ry lahy antitra! Na dia mieritreritra aza aho fa misy fomba hafa azo tanterahina alohan'ny handehanantsika hikorontana eny an-dalambe). Ny eritreretiko dia ny zavatra tsy hitan'ny ankamaroan'ny olona amin'ity adihevitra ity dia ny hafatra, ny votoatiny, ary ny tena anton'ny hetsika.

Jakarta Journo an'i Armando Siahaan  [10]nidera an'i Pong

Thanks to the oh-so-divine power of the digital world, the news spread like an airborne virus. My immediate reaction [11] upon hearing the news ran something along the lines of: “How did a 68-year-old man manage to get up there in the first place?”

If we examine the gutsy and witty act further, Pong’s decision to spray paint the green dome that bears a resemblance to a turtle’s shell turned out to be a brilliant stunt.

Intentionally or not, it was an eye-opening, symbolic criticism that shouted: “You lawmakers work as slow as turtles!”

Noho ny herin'ny fanahy masina eo amin'ny tontolo nomerika, dia niparitaka toy ny viriosin-drivotra ilay vaovao. Ny fihetseham-poko avy hatrany [11] tamin'ny nandre ny vaovao dia ny nieritreritra hoe: “Ahoana no nahafahan'ilay lehilahy 68 taona tafakatra teo aloha?”

Raha mandinika lalina kokoa ny fihetsika ara-panahy sy mahery fo isika, dia toa lasa fianihana mamiratra ny fanapahan-kevitr'i Pong handoko ny trano maitso izay misy itovizana amin'ny lamosin'ny sokatra.

Na fanahy iniana na tsia, dia tsikera an'ohatra nanokatra ny maso izany, izay nihiaka hoe: “Miasa miadana toy ny sokatra ianareo mpanao lalàna!”

Manaiky ireo mpikambana sasany ao amin'ny Kongresy sy ny mpitandro filaminana fa zon'i Pong ny maneho ny heviny saingy nampahatsiahy ilay mpilalao horonantsary izy mba haneho izany “amim-pahalalam-pomba”, fa tsy amin'ny alalan'ny fihetsika fanimban-javatra. Tsy nomelohin'ny fitsarana i  Pong, saingy notoroana hevitra izy mba tsy hamerina ny fanoherana amin'ny alalan'ny fianihana trano.