Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

04 Mey 2019

Tantara tamin'ny 04 Mey 2019

Nitana sy nandroaka ilay mpitarika mpiaro ny zon'olombelona Ogandey hiverina any Oganda ny manampahefana Tanzaniana

GV Mpisolovava

Nanambara ny Human Rights Watch fa nahitana "fisongadinana fijotsoana tamin'ny fanajana ny fahalalahana miteny, mikambana ary mivory" i Tanzania teo ambany fitondran'ny filoha John Magufuli.

Nalaza haingana dia haingana ny lahatsarim-pampiroboroboana Leica ahitana ny fandripahana kianja Tiananmen tao amin'ny media sosialy shinoa, ary nanjavona avy eo

GV Mpisolovava

Voarara tsy afa-nanoratra ny voambolana "Leica" tamin'ny teny anglisy sy "徕卡" tamin'ny teny shinoa nandritra ny andro maromaro tao amin'ny Weibo ny mpiserasera.

Indonezia: Mpilalao sarimihetsika nanao hetsi-panoherana tao amin'ny parlemanta

“Jujur, Adil, Tegas.” Amin'ny teny Anglisy dia midika hoe "Marina, Madio, Mahitsy." Ireo no voambolana voasoratra tamin'ny loko mena nataon'ilay menavazana mpilalao horonantsari-mihetsika malaza Pong Harjatmo teo amin'ny tafon'ny tranoben'ny parlemanta Indoneziana ho mariky ny fanoherana ny zavatra nofaritany ho rafitra demokratika sy mpanao lalàna tsy mahomby ao amin'ny firenena.

Syria: Mandefa ireo fanampiana any Gaza ny Vokovoko Mena (Volantsinana Mena)

Nitatitra momba ny ezaky ny vokovoko mena Syriana Arabo amin'ny fandefasana fanampiana any Gaza ny Syria News Wire androany. Nahomby tamin'ny fandefasana kamiao 11 ahitana fanafody sy sakafo milanja 230 taonina any Gaza ity vondrona mpanao asa soa ity, izay mpikambana ao amin'ny Komity Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena.

Manomboka ao Dhaka ny fihaonambe SAARC faha-13

Nanomboka ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh ny andro nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy ny fihaonambe faha-13 ho an'ny Fikambanana Fiarahamiasa Ara-paritra ho an'ny firenena fito Aziatika Tatsimo (SAARC) ahitana an'i Bangladesh, Bhutan, India, Maldiva, Nepal, Pakistan ary Sri Lanka.