Nanokana mpanjaka vaovao i Bhutan: Zara raha notsaroana ireo mpitsoa-ponenana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2008)

Tamin'ny 6 Novambra, nanokana mpanjaka vaovao, izay notendrena efa ho roa taona lasa izay ny fanjakana Himalayan ao Bhutan. Mpianatry ny oniversiten'i Oxford ity mpanjaka Dragona fahadimy, Jigme Khesar Namgyel Wangchuck ity ary zanaka lahimatoan'ny mpanjaka Dragona fahaefatra teo aloha, Jigme Singye Wangchuck tao Bhutan. Natrehin'ireo olona ambony mpanao politika avy amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina ny fanokanana azy ho mpanjaka, ka anisan'izany ny filoha Rtoa Pratibha Patil sy ireo mpilalao ao amin'ny Bollywood.


Ny mpanjaka hajaina, Jigme Khesar Namgyel Wangchuck: Sary avy amin'ny grassvalleybrent, nampiasaina teo ambanin'ny Creative Commons License

Raha nankalaza ny fanokanana i Bhutan, dia zara raha nahatsiaro ireo foko Nepaley Bhotaney 100.000 noroahin'ny rainy nandritra ny taona 1990 izay efa mpitsoa-ponenana ankehitriny ao Nepal ny firenena sy ny Mpanjaka Wangchuck. Tamin'ny hafatra nalefany ho an'ny firenena taorian'ny nahazoany ny seza fiandrianana, nampanantena ity mpanjaka vaovao ity fa hiaro ny firenena amin'ny “fitaomana avy any ivelany” saingy tsy nilaza momba ireo mpitsoa-ponenana.

Mailaka avy hatrany ny haino aman-jery nilaza ny fanadinoana goavana. Nilaza ny olan'ny mpitsoa-ponenana tao amin'ny tatitr'izy ireo momba ny fanokanana ny Taipei Times, ny Statesmen ao India miaraka amin'ny maro hafa. Sahirana ihany koa ireo bilaogera miresaka momba ireo mpitsoa-ponenana Bhutaney monina any Nepal.

Bhutan News, bilaogy tsy manohana na iza na iza, nampahafantatra andro vitsy talohan'ny fanokanana fa “eo am-pivezivezena ireo mpitsoa-ponenana”. Bilaogera Narayan Sharmaa maneho ny fahasorenany noho ny tsy fanatanterahana ny dingana nandrasana ela amin'ny fametrahana tontolo ahafahan'ny mpitsoa-ponenana miverina any an-tanindrazany ka manome tsiny fitondrana ao Bhutan noho ny fanemorana.

“Refugees’ hope of return has been lessened presently as the Druk regime has now the possibility to further procrastinate the issue with the new-found alibi of people’s representatives needing to decide the issue.”

Tsy nomena lanjany ny fanantenan'ireo mpitsoa-ponenana hiverina an-tanindrazana satria manana fahafahana hanemotra kokoa ny olana ankehitriny ny fitondran'i Druk amin'ny fialana tsiny vaovao fa “ny solotenambahoaka no mila manapa-kevitra momba ny olana.”

Bibek Bhandari, mpianatra mpanao gazety, nanoratra  ny fanokanana sy ny olan'ny mpitsoa-ponenana tao amin'ny SAJAforum, nanamarika ny tantara lavabe momba ny foko Nepaley any Bhutan fa tsy mpifindra monina vao haingana izy ireo.

“Approximately 103,000 Bhutanese Lhotshampas–descendants of Nepalese who moved to the southern lowlands of Bhutan in the nineteenth century–have been confined to several refugee camps in south-eastern Nepal since 1990. They have been forced to leave the country by the former monarch in the early 1990s during a campaign to impose compulsory national dress and ban the Nepalese language.”

“Bhutaney Lhotshampas – taranaka Nepaley manodidina ny 103,000 izay nifindra tany amin'ny lemaka atsimon'i Bhutan tamin'ny taonjato fahasivy ambin'ny folo – no notazonina tao amin'ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana maromaro any atsimo atsinanan'i Nepal hatramin'ny taona 1990. Noteren'ny fitondra-mpanjaka handao ny firenena izy ireo tany am-piandohan'ny taompolo 1990 nandritra ny fampielezan-kevitra hanery ny fanaovana fitafiana nasionaly sy nandràra ny fiteny Nepaley “

Miresaka ihany koa ireo bilaogera sasany raha misy vokatra tsara ny fanapahan-kevitra vao haingana hametraka indray ireo mpitsoa-ponenana any amin'ny firenena hafa sy ny fiantraikany amin'izy ireo amin'ny famindrana any amin'ny firenena vahiny.

Ao amin'ny 510ReportAdelaide Chen manoratra momba ireo mpitsoa-ponenana Bhotaney napetraka indray tany Oakland, California izay miezaka hizatra amin'ny fiainany vaovao any Amerika amin'ny alàlan'ny fanabeazana sy ny fianarana teny anglisy.

“Kharel and her sister are among the seven students from Bhutan attending the GED class several nights a week. She knows some of the other refugees, because they lived in the same camp for 17 years. Among the refugees from Bhutan that have accepted an offer to come to the U.S., few have expectations they will return to their homeland again.”

“Anisan'ireo mpianatra fito avy ao Bhutan nanatrika ny kilasy GED amin'ny hariva maromaro isan-kerinandro i Kharel sy ny rahavaviny. Fantany ny sasany tamin'ireo mpitsoa-ponenana hafa, satria niara-nipetraka tao amin'ny toby iray nandritra ny 17 taona izy ireo. Tamin'ireo mpitsoa-ponenana avy any Bhutan izay nanaiky ny tolotra ho any Etazonia, vitsy no manana fanantenana fa hiverina any amin'ny taniny indray. “

Maureen Sieh ihany koa manoratra momba ny tolon'ny mpitsoa-ponenana mba hizatra amin'ny tany vaovao. Tamin'ity indray mitoraka ity dia mikasika ireo Bhotaney izay napetraka indray tany Syracuse, New York.

“Hari Adhikari was a leader in one of the refugee camps. Now, he's helping Catholic Charities resettle some of the people he worked with in the refugee camps……He asks people if they have any problems with their apartments, budgeting and any other concerns they might have. He tells them that there are agencies here to help them, but they also have to be able to help themselves find jobs.”

“Mpitarika tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana iray i Hari Adhikari. Ankehitriny izy manampy ny “Catholic Charities” hametraka indray ny sasany amin'ireo olona niara-niasa tao amin'ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana …… Manontany ny olona izy raha manana olana amin'ny efitranon'izy ireo, ny tetibola ary ny olana hafa mety hananan'izy ireo. Nilaza tamin'izy ireo izy fa misy sampana hanampy azy ireo eto, saingy tsy maintsy afaka manampy ny tenan'izy ireo ihany koa izy ireo mba hahita asa. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.