- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampandrenesana momba ny Vovonana ho an'ny Fampitam-baovaon'Olontsotra Global Voices any Azia Pasifika: Manasa anao hiaraka aminay any Taipei, Taïwan amin'ny 2 Jona!

Sokajy: Azia Atsinanana, Taiwan (ROC), Mediam-bahoaka

Faly izahay manambara fa hampiantrano ny Vovonana ho an'ny Fampitam-baovaon'Olontsotra Global Voices any Azia Pasifika [1] ao Taipei, Taiwan ny ekipanay any Azia. Hofaranana amin'ny valan-dresaka ho an'ny daholobe ny 2 Jona 2019 ny hetsika, izay ahitana ny fivoriana anatiny ho an'ny vondrom-piarahamonina GV sy ny fikambanana mpiara-miasa. Eto [2] ny fisoratana anarana ho an'ny fihaonambe.

Hampivondrona ireo mpanao gazety, bilaogera, mpikatroka nomerika sy mpikaroka hizara ny traikefany, hahazo fahalalana ary hanamafy ny fiaraha-miasa vaovao ny Vovonana Global Voices Azia-Pasifika. Ny fihaonana dia hiresaka momba ireo fanamby vaovao ara-teknolojia sy politika ary ny fiantraikan'izany amin'ny zon'ny aterineto sy ny fikatrohana, ny fiarovana nomerika sy ny tsiambaratelon'ny fiainana manokana, ny fandraisan'anjara nomerika ary ny fampandrosoana amin'ny alàlan'ny lohahevitra roa izay ahitana ny: “Ny fampiroboroboana sy ny fanamby amin'ny fanaraha-maso henjana an-tserasera any Azia Pasifika”, sy ny “Valintenin'ny olom-pirenena amin'ny fanaraha-maso henjana an-tserasera “.

Tohanan'ny Orina Mpanasoa Taiwaney ho an'ny Demaokrasia, ny Orina Mpanasoa Open Technology, ary ny Orina Mpanasoa Open Society ny Vovonana, ary hampiantrano izany miaraka ny Ivontoerana Chang Fo-Chuan ho an'ny Fandalinana ny Zon'olombelona ao amin'ny Oniversite Soochow any Taiwan.

Tahaka ny hetsika GV [3] rehetra, fotoana manokana hianarana sy hizarana traikefa amin'ny vondrom-piarahamonina mavitrika isankarazany manerantany ny Vovonana ho an'ny Fampitam-baovaon'Olontsotra Global Voices any Azia Pasifika. Tsidiho ny tranonkalan'ny Vovonana [1] raha hijery ny antsipiriany momba ny toerana, ny fisoratana anarana, ny fandaharam-potoana ary ny maro hafa-ary tadidio ny daty!