Bahrain: ‘Tetidratsin'ny Mpampihorohoro’ miteraka tsy fahatokiana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Taorian'ny tatitry ny vaovao iray nahabe adihevitra mikasika ny fahitàna ny “toby iray fanofanana mpampihorohoro” tao amin'ny iray tamin'ireo vohitra Shiita tao Bahrain, Bani Jamra, rain'ny bilaogy ao Bahrain, Mahmood Al Yousif no manoratra lahatsoratra iray manesoeso ilazàny ny fankasitrahany ny Minisitry ny Atitanin'i Bahrain noho ny fanaovana an'i Bahrain ho toerana azo antoka :

Ankasitrahako ny ministry ny Atitany noho ny naharavàny ny tsikombakomba nikendrena indray  handrodanana ny governemanta, nataonà vondrona tanora miisa 35 izay niaiky fa tsy nifankafantatra izy ireo nefa niara-nandrindra ilay asan'izy ireo feno fankahalàna sy nanao ilay hetsika fampisaraham-bazana tamin'ny fitoraham-bato sy ‘cocktails Molotov’ tamin'ireo lasibatra vita printy nahantona tamin'ireo vatana hazovoanio tany anatina alam-boanio miafina.

Manoratra mikasika an'io lohateny io ihany koa i Adel Marzooq, mampiseho an'ireo ampahany hafa izay lazaina fa nikotrika fanakorontanana an'i Bahrain:

غداً أو بعد غدٍ، سيخرج علينا «صحافي» قدير ليروي قصةً جديدةً عن ارتباط إيران أو سورية حتى «حزب الله» اللبناني بالمخططات الإرهابية في البحرين. أضف إلى ذلك أن «الولايات المتحدة» قد تتورط.
Rahampitso na ny afakampitso, hampifanatrika antsika amina lahatsoratra iray vaovao mikasika ny fifandraisana misy amin'i Iràna na Siria ny mpanao gazety iray kinga – na ihany koa ny Hizbullah – sy ireo mpampihoroho mitsikombakomba ao Bahrain. Ankoatra izany, mety hanana andraikitra sahanina ao i Etazonia.

Mandritra izany fotoana izany, manondro ny fitomboan'ireo teritery araka ny lalàna apetraka amin'ireo bilaogera ao Bahrain sy amin'ny tontolo arabo i Silly Bahraini Girl :

Na mety hihomehy an'itsy na iroa aza isika ary hihevitra fa tsy hahatratra antsika mihitsy ny zavatra toa ireny, tsy ho fantatrao mihitsy izany. Ianao no mety ho manaraka indray vokatry ny lahatsoratra iray navoakanao niaraka tamin'ny fisainana tsara na noho ny fahafinaretana milaza azy fotsiny ihany… hanaisotra ny fitiavana manao blaogy ireo ahiahy ireo 🙂 Inona ny dikan'ny blaogy raha toa ka hanaovana sivana ny tenantsika isika isaky ny teny iray soratantsika? Ahoana no ho fiarovantenantsika? Ahoana no hahafahantsika mampiasa ny zontsika amin'ny fahalalahana maneho hevitra ka tsy hosorana anarana toy ny hoe mpamadika ny firenentsika, ny finoantsika sy Andriamanitsika?

Nahita indray an'i Bahrain i Hasan izay vao avy niverina taorian'ny fotoana ela nianarany tany Japana:

Tamin'ity maraina ity, tamin'ny 7 ora maraina aho no nifoha mba hanatitra ny reniko tany amin'ny biraony tao Manama. Teny an-dàlana tamin'ny arabe Budaiya Road, teo anelanelan'i Sarre sy Manama, tsy vitako ny tsy hanopy maso an'ireo tandavana voanio izay nanemitra ny moron-dalana raha ilay iny mbola niandry ny fifamoivoizana somary nasiatsiaka iny. Ho an'ny sasantsasany taminareo izay tsy mbola tany Bahrain, aza afangaro amin'ireo voanio milahadahatra any Miami sy any Malibu ity sary ity, azafady, izay mety hitanareo any anatin'ireo fandikàna ny paradisan'i Hollywood. Na izany na tsy izany, hitako ho maotina kokoa ireo voanio ao Bahrain – mampihetsi-po ary mampatsiahy zava-nitranga taloha ela. Ireo tena ‘voanio-nay’ manokana tao anaty paradisa iray very. Teny an-dàlana hody, sy araka izay niangavian'ny renibeko ahy mba hividy mofo fisaka Bahraini 00 ho azy, nanapa-kevitra ny handeha hizaha ny faritra izay tsy mbola nalehako an-taona maro aho.

Rehefa avy nividy mofo (nivoaka ny fiarany raha ny marina), manjohy ny làlana mody nanavatsava ireo vohitra sasany i Hasan nony avy eo.

Ireto ny sasantsasany tamin'ireo fanamarihana fohy mikasika an'izay hitako / voamariko: tokony HANAO zavatra ireo vahoaka ao Bahrain mikasika ny fanandramana hamongarana ireo sisan-taolan'olomasina rehetra ao amin'io faritra io ka hanaovana azy ireny ho zavatra isarihana ny fizahantany.

Saingy nahakivy azy ny fivoaran-draharaha sasantsasany:

Nisy an'ity trano GOAVAMBE ity naorina tao anatin'ireo lalankelin'i Al-Hajar ary io no trano TENA RATSY MAMPIAIKY VOLANA indrindra tsy mbola fahitako hatrizay eran'izao tontolo izao – izay mampaharary ny vatako na dia ny fijerena azy fotsiny.aza.. Tena kivy aho hoe izany ny vokatra nentin'ny fanorenana iray eo ampidirana an'i Shakhura (teo akaikin'ny trano iray haolo teo akaikin'ny andry manamarika ny Shakhura) dia ny fikapana an'ilay hazo voanio izay nilatshan'ny varatra nandritra ny oram-baratra tamin'ny fiandohan'ny taona 90, izay mbola velona foana tety ivelany nefa may ny tao anatiny. Tena tiako izay ‘voanio’ izay. Izay no hany zavatra majika mikasika an'i Shakhura.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.