- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azia Atsimo: Avy amin'ny tontolon'ny bilaogy

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Bhutan, India, Nepal, Pakistana, Sri Lanka, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Bangladesh:

Manana rohy mankany amin'ny tafatafan'ny Voice of America tamin'ny Dr. Chanchal Khan [1], mpanolo-tsaina ao amin'ny Bankin'ny Fampandrosoana Aziatika izay miompana amin'ny olana momba ny fampandrosoana sy ny fampihorohoroana ara-politika i Imtiaz. Manana lahatsoratra momba ny fihainoan-dresaka amin'ny finday momba ny zon'olombelona [2] ao amin'ny bilaoginy i Rezwan. Miresaka momba ny fihainon-dresaka ao Bangaladesh [3] ihany koa i  Drishipat. Addabaj miresaka ny antony mahatonga an'i Bangladesh ho mendrika indrindra [4] amin'ny andro fety alohan'ny fahaleovantenan'i Bangaldesh izay ankalazaina ny 16 Desambra.

India:

Toa efa herinandro izay ny fanadihadiana, hoy i Arzan [5] manonona ny lahatsoratry Business Week vao haingana izay mijery ny isan'ireo injeniera nahazo diplaoma tany Etazonia, Shina ary India, sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny sehatra teknolojia any amin'ny firenena tsirairay. Hita fa i Etazonia no mamokatra injeniera maro kokoa tsy araka ny notaterina tamin'ny haino aman-jery. Ny fanadihadiana faharoa dia ao amin'ireo tanàn-dehibe manan-karena ao India izay tantarain'i  Reuben [6] ao amin'ny bilaoginy.

Ampahany manan-danja amin'ny bilaogy Indiana maro ny sarimihetsika sy ny fialamboly. Raha mbola tsy nahare ianao, dia ilay superstar mpandidy Amitabh Bachchan no tantara lehibe (malaza) tany India nandritra ny herinandro vitsy ary manontany tena I Gargi [7] raha diso mitantara ny olana ara-pahasalaman’ Atoa. Bachchan ny fampitam-baovao Indiana. Jai Arjun indray miresaka boky vaovao nosoratan'i Madhu Jain momba ny fianakaviana Kapoor [8] malaza eo amin'ny indostrian'ny sarimihetsika Indiana.

Nepal:
UnitedWeBlog manana lahatsoratra mahaliana momba ny The New Buddha [9] izay nifady hanina nandritra ny 200 andro sady tsy nisotro rano no tsy nisakafo. Eo amin'ny vaovao ara-pitsarana, ny fivoarana farany dia nandidy ny tafika hamokatra Himal Sharma [10], mpitarika mpianatra Maoista nogadrain'ny tafika ny Fitsarana Tampony.

Pakistan:
Mitohy any Pakistan ny lohahevitry ny sarimihetsika avy amin'ny sehatry ny bilaogy izay iresahan'i Raheel Lakhani ny fetiben'ny horonantsary Kara (Karachi) [11]. Lahore Metblogs [12]indray miresaka ny horohorontany namely ny sisintanin'i Pakistana-Afganistana tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity.

Sri Lanka:
Webhamuva [13] miresaka ny tsy fisian'ny fandrosoana ao Sri Lanka hatramin'ny nisian'ny tsunami tamin'ny herintaona. Srilankaserves.net [14]  momba ny fikarohana farany momba ny fipoiran'ny tsunami tamin'ny herintaona (2004).