Indonezia: Torian'i Sony Goliata i Sony Davida

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2010)

Tamin'ny volana lasa teo, norahonan'ny Sony Corporation ao Japana hotoriana any amin'ny fitsarana noho ny fakàna tahaka ny marikany i Sony Arianto Kurniawan na Sony AK avy any Mega Kuningan, Jakarta raha toa ka tsy manakatona ny tranonkalany manokana izay manana ny anaran-tserasera www.sony-ak.com

Soa ihany, fa notohanan'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera i Sony ilay olona ary tonga saina tamin'ny hadalana hanenjika ny raharaha ihany ny Sony ilay orinasa nony farany. Nanaisotra ny fiampangana nanomboka teo ny Sony Corp ary niala tsiny tamin'ilay bilaogera.

Niorina tamin'ny taona 2003 ny tranonkalan'i Sony AK ary nahazo loka ho tranonkala tsara indrindra tamin'ny sokajy fampianarana ho an'ny taona 2003, 2004 ary 2006 avy amin'ny PC Magazine Indonesia.

Mltibrand mampahatsiahy an'ny Sony Corp. fa ny tranonkalan'i Sony AK dia manome vaovao maimaim-poana fotsiny ho an'ny daholobe fa tsy mivarotra na inona na inona

In my humble opinion, Sony Corp. have been over confident in making the said demand, because protection given by trademark registration is limited to certain types/kinds of products covered by said trademark.

In this case, Sony Corp. is a manufacturer of electronics products, whereas the website: www.sony-ak.com is only a personal website of its owner that provides free information.

Raha ny hevitro am-panetre-tena, natoky tena loatra tamin'ny fanaovana io fitoriana io ny Sony Corp, satria voafetra tamin'ny karazana entana misy io marika io ny fiarovana omen'ny fandraketana marika.

Amin'ity tranga ity, ny Sony Corp no mpamokatra vokatra elektronika, fa ny tranonkala: www.sony-ak.com kosa tranonkala manokan'ny tompony izay manome vaovao maimaim-poana.

talking points manamafy ny lazan'ny tranonkalan'i Sony AK nandritra ireo enin-taona lasa

This suit has upset many Indonesian onliners, especially those who have been blogging and are into IT for several years. Sony AK’s site has been known for being the knowledge sharing center for IT enthusiasts in Indonesia, and has been up for approximately 6 years.

Nahatezitra ireo mpiserasera Indoneziana maro ity fitoriana ity, indrindra ireo izay mibilaogy sy tao amin'ny teknolojiam-baovao nandritra ny taona maromaro. Ny tranonkalan'i Sony AK dia fantatra ho ivotoerana fifampizarana fahalalana ho an'ireo mpankafy ny teknolojiam-baovao any Indonezia, ary efa ho 6 taona teo ho eo.

Niteraka adihevitra goavana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Indoneziana sy ny vondrona fanohanana an'i Soni AK tao amin'ny facebook ity olana ity –  nahasarika mpikambana an'arivony ny ‘Sony — aza esorina ny anaran'ny namako‘ .

Website of Sony AK

Tranonkalan'i Sony AK

Bilaogin'i Whispurr nilaza fa maro ireo Indoneziana manana anarana hoe Sony.

And mind you again, there are thousands of people here in Indonesia with the name Sony. I have some friends with the name Sony, one of Indonesian Badminton star is SONY DWI KUNCORO, one of the most famous actor in Indonesia is SONY TULUNG.

Well then SONY CORPORATION, why don’t you sue those guys and thousands of Mothers who named their child with SONY.

Ary eritrereto indray, misy olona an'arivony eto Indonezia manana anarana hoe Sony. Manana namana amin'ny anarana Sony aho, iray ao amin'ny kintan'ny Badminton Indoneziana, i SONY DWI KUNCORO, ny iray amin'ireo mpilalao sarimihetsika malaza indrindra any Indonezia, i SONY TULUNG.

finally woken manontany tena raha hitory ilay mpilalao horonantsary Gwyneth Paltrow noho ny fanomezana ny anaran-jananivavy hoe Apple ny Apple Inc.

Maybe Apple Inc. should sue Gwyneth Paltrow for naming her daughter Apple as she might have a blog called apple too in the future…

Seriously this is beyond ridiculous.

Angamba ny Apple Inc. dia tokony hitory an'i Gwyneth Paltrow noho ny fanomezana ny anaran'ny zanany hoe Apple satria mety hanana bilaogy antsoina hoe apple koa izy amin'ny ho avy …

Tena diso mahatsikaiky izany.

Colson mamaritra ny olana ho toy ny ady eo amin'i Davida sy Goliata

The sympathy naturally is with David (AK) in his fight against Goliath (Corp). Actually it is bizarre if an innocent citizen uses a name which remotely is the same as the one of a multinational, in a strictly personal context, is being sued for that reason only.

Yet I'm afraid Goliath has a point here – because the legal system is to a large extent the product of the interests of the Goliaths. And because the legal power Goliath is able to organizie is n-th time as huge as the limited funds a David has at his disposal.

Any amin'i Davida (AK) avy hatrany ny fanohanana manoloana ny ady amin'i Goliata (Corp). Tena mahagaga raha misy olom-pirenena tsy manan-tsiny mampiasa anarana izay lavitry ny misy ilay orinasa “mutlinational”, ao anatin'ny toe-javatra tena manokana, ary toriana noho izany antony izany ihany.

Saingy matahotra aho fa manana tombony i Goliata eto – satria amin'ny ankapobeny mijery ny vokatry ny tombontsoan'i Goliata ny rafi-dalàna. Ary noho ny fahefana ara-pitsarana, manambola tsy hita isa manoloana ny vola voafetra eo am-pelatanan'i Davida i Goliata.

Talohan'ny nanesorana ilay raharaha, nikasa hanomboka fanentanana hanao ankivy amin'ny Sony Corp ireo bilaogera. Faly tamin'ny fanapahan-kevitry ny orinasa hanaisotra ny raharaha i Yari NK.

It is wise for Sony Corp. to drop the claim since it does not make sense in almost any way that one has to stop using his own name for his personal non-commercial site.

By dropping the claim, Sony wouldn't hit the negative consequences in public opinion that, at worst, could lead to boycotting its products by the Indonesian public that backed Sony AK becuase they know that Sony AK had nothing but good intentions when he initially set up his blog or site and he is not eating into Sony Corp's profits….

Tsara ho an'ny Sony Corp ny nanaisotra ny raharaha satria tsy misy dikany amin'ny lafiny rehetra izany hoe tsy maintsy mampiato ny fampiasana ny anarany manokana ho an'ny tranonkala manokana tsy ara-barotra ny olona iray .

Amin'ny fanesorana ny raharaha, tsy niharan'ny voka-dratsy avy amin'ny hevi-bahoaka ny Sony, na ny ratsy indrindra, mety hitarika ny fanaovana ankivy ny vokatra eo amin'ny vahoaka Indoneziana izay nanohana an'i Sony AK satria fantatr'izy ireo fa tsy manana fikasan-dratsy i Sony AK raha nanangana ny bilaoginy na ny tranonkalany tany am-boalohany ary tsy mihinana tombony amin'ny Sony Corp.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.